< Eksodosy 35 >

1 Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian’ i Jehovah hatao:
모세가 이스라엘의 온 회중을 모으고 그들에게 이르되 `여호와께서 너희에게 명하사 행하게 하신 말씀이 이러하니라
2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
엿새 동안은 일하고 제 칠일은 너희에게 성일이니 여호와께 특별한 안식일이라 무릇 이날에 일하는 자를 죽일지니
3 Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
안식일에는 너희의 모든 처소에서 불도 피우지 말지니라!'
4 Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
모세가 이스라엘 자손의 온 회중에게 고하여 가로되 `여호와의 명하신 일이 이러하니라 이르시기를
5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
너희의 소유 중에서 너희는 여호와께 드릴 것을 취하되 무릇 마음에 원하는 자는 그것을 가져다가 여호와께 드릴지니 곧 금과 은과 놋과
6 ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
청색, 자색, 홍색실과, 가는 베실과, 염소털과
7 sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
붉은 물 들인 수양의 가죽과, 해달의 가죽과, 조각목과
8 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
등유와, 및 관유에 드는 향품과, 분향할 향을 만드는 향품과
9 ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra.
호마노며, 에봇과, 흉패에 물릴 보석이니라
10 Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
무릇 너희 중 마음이 지혜로운 자는 와서 여호와의 명하신 것을 다 만들지니
11 dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
곧 성막과, 그 막과, 그 덮개와, 그 갈고리와, 그 널판과, 그 띠와, 그 기둥과, 그 받침과,
12 ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
증거궤와, 그 채와, 속죄소와, 그 가리는 장과,
13 ary ny latabatra sy ny baony mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
상과, 그 채와, 그 모든 기구와, 진설병과,
14 ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin’ ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
불 켜는 등대와, 그 기구와, 그 등잔과, 등유와,
15 ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely,
분향단과, 그 채와, 관유와, 분향할 향품과, 성막문의 장과,
16 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
번제단과, 그 놋 그물과, 그 채와, 그 모든 기구와, 물두멍과, 그 받침과,
17 ary ny fefy lamba ho amin’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja,
뜰의 포장과, 그 기둥과, 그 받침과, 뜰문의 장과,
18 ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
장막 말뚝과, 뜰의 포장 말뚝과, 그 줄과,
19 ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
성소에서 섬기기 위하여 공교히 만든 옷 곧 제사 직분을 행할 때에 입는 제사장 아론의 거룩한 옷과 그 아들들의 옷이니라
20 Dia niala teo anatrehan’ i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
이스라엘 자손의 온 회중이 모세 앞에서 물러갔더니
21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
무릇 마음이 감동된 자와 무릇 자원하는 자가 와서 성막을 짓기 위하여 그 속에서 쓸 모든 것을 위하여, 거룩한 옷을 위하여 예물을 가져 여호와께 드렸으니
22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
곧 마음에 원하는 남녀가 와서 가슴 핀과, 귀고리와, 가락지와, 목거리와, 여러가지 금품을 가져 왔으되 사람마다 여호와께 금 예물을 드렸으며
23 Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
무릇 청색, 자색, 홍색실과, 가는 베실과, 염소털과, 붉은 물 들인 수양의 가죽과, 해달의 가죽이 있는 자도 가져 왔으며
24 Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ ny fanompoana dia nitondra azy.
무릇 은과 놋으로 예물을 삼는 자는 가져다가 여호와께 드렸으며 무릇 섬기는 일에 소용되는 조각목이 있는 자는 가져 왔으며
25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
마음이 슬기로운 모든 여인은 손수 실을 낳고 그 낳은 청색, 자색, 홍색실과, 가는 베실을 가져 왔으며
26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ ny fony tamin’ ny fahendrena dia namoly ny volon’ osy.
마음에 감동을 받아 슬기로운 모든 여인은 염소털로 실을 낳았으며
27 Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra,
모든 족장은 호마노와 및 에봇과 흉패에 물릴 보석을 가져 왔으며
28 ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ ny diloilo fanosorana ary ho amin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
등불과, 관유와, 분향할 향에 소용되는 기름과, 향품을 가져 왔으니
29 Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.
마음에 원하는 이스라엘 자손의 남녀마다 여호와께서 모세의 손을 빙자하여 명하신 모든 것을 만들기 위하여 물품을 가져다가 여호와께 즐거이 드림이 이러하였더라
30 Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,
모세가 이스라엘 자손에게 이르되 `볼지어다 여호와께서 유다 지파 훌의 손자요 우리의 아들인 브사렐을 지명하여 부르시고
31 ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,
하나님의 신을 그에게 충만케 하여 지혜와 총명과 지식으로 여러가지 일을 하게 하시되
32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
공교한 일을 연구하여 금과 은과 놋으로 일하게 하시며
33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
보석을 깎아 물리며 나무를 새기는 여러가지 공교한 일을 하게 하셨고
34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
또 그와 단 지파 아히사막의 아들 오홀리압을 감동시키사 가르치게 하시며
35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
지혜로운 마음을 그들에게 충만하게 하사 여러가지 일을 하게 하시되 조각하는 일과, 공교로운 일과, 청색, 자색, 홍색실과, 가는 베실로 수 놓은 일과 짜는 일과 그 외에 여러가지 일을 하게 하시고 공교로운 일을 연구하게 하셨나니

< Eksodosy 35 >