< Eksodosy 35 >
1 Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian’ i Jehovah hatao:
Mose anasonkhanitsa gulu lonse la Aisraeli ndipo anawawuza kuti, “Zinthu zimene Yehova wakulamulirani kuti muzichite ndi izi:
2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Muzigwira ntchito zanu pa masiku asanu ndi limodzi, koma tsiku la chisanu ndi chiwiri likhale la Sabata, tsiku lanu lopuma, lopatulika kwa Yehova. Aliyense amene adzagwira ntchito iliyonse pa tsikuli ayenera kuphedwa.
3 Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
Pa tsiku la Sabata musakoleze moto paliponse pamene mukhala.”
4 Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
Mose ananena kwa gulu lonse la Aisraeli kuti, “Zimene Yehova wakulamulirani ndi izi:
5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
Kuchokera pa zomwe muli nazo, mutenge chopereka cha Yehova. Aliyense amene ali ndi mtima wofuna kupereka abweretse kwa Yehova zopereka izi: Golide, siliva ndi mkuwa;
6 ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
nsalu zobiriwira, zapepo, zofiira, nsalu zofewa; ubweya wambuzi;
7 sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
zikopa za nkhosa zazimuna za utoto wofiira ndi zikopa za akatumbu; matabwa amtengo wa mkesha,
8 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
mafuta anyale a olivi, zonunkhiritsa mafuta odzozera ndi zopangira lubani wonunkhira;
9 ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra.
miyala yokongola ya mtundu wa onikisi ndi ina yabwino yoyika pa Efodi ndi pa chovala cha pachifuwa.
10 Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
“Anthu onse aluso pakati panu abwere ndi kupanga zonse zimene Yehova walamula:
11 dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
Chihema ndi tenti yake ndiponso chophimba chake, ngowe zake, maferemu ake, mitanda yake, mizati yake ndi matsinde ake;
12 ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
Bokosi la Chipangano pamodzi ndi mitengo yake yonyamulira ndiponso chovundikira chake cha bokosilo ndi nsalu zophimba bokosilo;
13 ary ny latabatra sy ny baony mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
tebulo pamodzi ndi mitengo yake yonyamulira pamodzi ndi zipangizo zake zonse ndiponso buledi wokhala pamaso pa Yehova;
14 ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin’ ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
choyikapo nyale yowunikira pamodzi ndi zipangizo zake, nyale ndi mafuta anyalezo;
15 ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely,
guwa lofukizira lubani pamodzi ndi mitengo yake yonyamulira, mafuta odzozera ndi lubani onunkhira; nsalu yotchinga pa khomo lolowera mʼchihema;
16 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
guwa lansembe yopsereza pamodzi ndi sefa yamkuwa, mitengo yake yonyamulira ndi zipangizo zake zonse, beseni losambira lamkuwa ndi miyendo yake;
17 ary ny fefy lamba ho amin’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja,
nsalu yotchingira bwalo pamodzi ndi mizati yake ndi matsinde ake, ndiponso nsalu yotchingira pa khomo lolowera ku bwalo;
18 ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
zikhomo za tenti ya chihema ndiponso za bwalo, ndi zingwe zake;
19 ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
zovala zolukidwa zovala potumikira kumalo opatulika, zovala zopatulika za wansembe, Aaroni pamodzi ndi za ana ake aamuna pamene akutumikira monga ansembe.”
20 Dia niala teo anatrehan’ i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Kenaka gulu lonse la Aisraeli linachoka pamaso pa Mose,
21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
ndipo aliyense amene anakhudzidwa mu mtima mwake nafuna kupereka, anabwera kudzapereka chopereka kwa Yehova cha ntchito yokonza tenti ya msonkhano, cha ntchito zonse za mʼtentimo ndi cha zovala zopatulika.
22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Onse amene anali ndi mtima wofuna, amuna ndi amayi omwe anabwera kudzapereka zodzikometsera zagolide za mtundu uliwonse: zomangira zovala, ndolo, mphete ndi zokometsera. Onse anapereka golide wawo monga nsembe yoweyula pamaso pa Yehova.
23 Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
Aliyense amene anali ndi nsalu ya mtundu wa mtambo, yapepo kapena yofiira kapena yofewa, yosalala, kapena ubweya wambuzi, zikopa za nkhosa zonyika mu utoto wofiira kapena zikopa anazibweretsa.
24 Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ ny fanompoana dia nitondra azy.
Onse amene anapereka chopereka cha siliva kapena mkuwa anabweretsa monga chopereka kwa Yehova. Ndipo aliyense amene anali ndi matabwa a mtengo wa mkesha kuti awagwiritse ntchito mbali ina iliyonse ya ntchitoyo, anabweretsa.
25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
Mayi aliyense waluso analuka ndi manja ake ndi kubweretsa chomwe analuka cha mtundu wa mtambo, chapepo kapena chofiira kapena chofewa, chosalala.
26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ ny fony tamin’ ny fahendrena dia namoly ny volon’ osy.
Ndipo amayi onse amene anali ndi mtima wofuna ndipo anali ndi luso analuka ubweya wa mbuzi.
27 Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra,
Atsogoleri anabweretsa miyala ya onikisi ndi miyala yokongola yoyika pa efodi ndi chovala chapachifuwa.
28 ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ ny diloilo fanosorana ary ho amin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Anabweretsanso zonunkhiritsa ndiponso mafuta owunikira a olivi ndi odzozera ndi zofukizira zonunkhira.
29 Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.
Aisraeli onse aamuna ndi aakazi amene anali ndi mtima wofuna, anabweretsa kwa Yehova chopereka chaufulu ku ntchito yonse ya Yehova imene analamulira kudzera mwa Mose kuti achite.
30 Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,
Kenaka Mose anati kwa Aisraeli, “Taonani, Yehova wasankha Bezaleli mwana wa Uri, mwana wa Huri, wa fuko la Yuda,
31 ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,
ndipo wamudzaza ndi Mzimu wa Mulungu kotero kuti ali ndi luso ndi nzeru zomvetsa zinthu, ndipo akudziwa bwino ntchito zonse zamanja monga izi:
32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
Kulemba ndondomeko ya ntchito zaluso ndi kupanga zinthu zagolide, zasiliva ndi zamkuwa,
33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
kusema ndi kuyika miyala yokongola, kukonza zinthu zamatabwa ndiponso kugwira ntchito ina iliyonse yamanja.
34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
Ndipo Iye wapereka kwa Bezaleli pamodzi ndi Oholiabu mwana wa Ahisamaki, wa fuko la Dani luso lophunzitsa ena.
35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
Mulungu wawapatsa maluso osiyanasiyana, maluso ogoba, olemba ndondomeko, opeta zokometsera pa nsalu zamtundu wamtambo, zapepo ndi zofiira ndiponso zofewa zosalala ndi zoluka. Onsewa ndi amisiri a ntchito zamanja ndi zokonza ndondomeko.