< Eksodosy 34 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
Yahweh akamwabia Musa, “Kata mbao mbili za mawe kama zile za awali. Nitaandika kwenye hizi mbao za mawe maneno yaliyo kuwa kwenye mbao za mawe za mwanzo, mbao za mawe ulizo zivunja.
2 ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin’ ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon’ ny tendrombohitra.
Kuwa tayari asubui na uje Mlima Sinai, na uje mbele zangu juu ya mlima.
3 Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’ osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’ izany tendrombohitra izany
Hakuna atakaye kuja nawe. Usiruhusu mtu yeyote aonekana popote kwenye mlima. Hakuna kundi la mifugo wanao ruhusiwa ata kula mbele ya mlima.”
4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
Hivyo Musa akakata mbao mbili za mawe kama za mwanzo, na akaamka asubui mapema na kwenda juu ya Mlima Sinai, kama Yahweh alivyo muelekeza. Musa alibeba mbao za mawe mikononi mwake.
5 Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
Yahweh akaja chini katika wingu na akasima mbele za Musa, na akatamka jina “Yahweh.”
6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
Yahweh akapita kwake na kukiri, “Yahweh, Yahweh, Mungu ni wa rehema na wa neema, sio mwepesi wa hasira, na anadumu katika uwaminifu wa agano na uadilifu,
7 mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
ukishika uaminifu wa agano kwa vizazi maelfu, ukisamehe maasi, makosa, na dhambi. Lakini hamsafishi mwenye hatia. Ataleta adhabu ya dhambi za baba kwa watoto wao na watoto wa watoto wao, kwa kizazi cha tatu na hadi cha nne.”
8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;
Musa haraka akainamisha kichwa chake kwenye ardhi na kuabudu.
9 dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Kisha akasema, “Kama sasa nimepata upendeleo machoni pako, Bwana wangu, tafadhali nenda pamoja nasi, kwa kuwa hawa watu ni wa korofi. Samehe maasi yetu na dhambi zetu, na utuchukuwe kama urithi wako.”
10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ ny tany rehetra sy tany amin’ ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’ i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ ny fiombako anao.
Yahweh akasema, “Ona, ninakaribu kufanya agano. Mbele za watu wako, nitafanya maajabu ambayo hayajawai kufanywa duniani kote wala kwenye taifa lote. Watu wote miongoni mwako wataona matendo yangu, kwa kuwa ni kitu cha hofu ninacho fanya kwako.
11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Tii amri zangu leo. Ninawaondoa mbele yako Waamori, Wakanani, Wahivi, Wahiti, Waperizi, Wahivi, na Wayebusi.
12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
Kuwa mwanglifu usifanye agano na wakazi wa nchi unayo kwenda, au wata kuwa mtego kwako.
13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
Badala yake, lazima uvunje madhabahu zao, ponda nguzo zao za mawe, na kukata nguzo zao za Ashera.
14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
Kwa kuwa wewe haupaswi kumuabudu mungu mwingine, maana Yahweh, ambaye jina lake ni Uwivu, ni Mungu wa uwivu.
15 fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
Hivyo kuwa mwangalifu usifanye agano na wakazi wa nchi, kwa kuwa wanajifanyia ukahaba kwa miungu yao, na wanatoa dhabihu kwa miungu yao. Kisha mmoja wao ata kukaribisha na wewe utakula baadhi ya dhabihu zake,
16 ary andrao koa haka amin’ ny zananivavy ho vadin’ ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
na kisha utachukuwa baadhi ya mabinti zake kwa wanao, na mabinti wake watafanya ukahaba kwa miungu yao, na watafanya wanao kufanya ukahaba kwa miungu yao.
17 Aza manao andriamanitra an-idina ho anao.
Usifanye Miungu ya chuma ya kuyayusha.
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Laziam ushike Sherehe ya Mkate Usiotiwachachu. Kama nilivyo kuamuru, lazima ule mkate usio na hamira kwa siku saba kwa muda uliotengwa wa mwezi wa Abibu, maana nikatika mwezi wa Abibu ulitoka Misri.
19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’ osy;
Wazaliwa wote ni mwangu, ata mzaliwa wa kwanza wa kiume wa mifugo, yote ya ng'ombe na kondoo.
20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Lazima umnunue tena mzaliwa kwanza wa punda kwa kondoo, lakini usipo mnunua tena, kisha uivunje shingo yake. Lazima ununue tena wazaliwa wa kwanza wote wa wanao. Hakuna ata mmoja atakye kuja kwangu mikono mitupu.
21 Henemana no hiasanao, fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin’ ny taom-pamafazana sy amin’ ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
Utafanya kazi kwa siku sita, lakini siku ya saba utapumzika. Ata wakati wakilimo na wa mavuno, lazima upumzike.
22 Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin’ ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Lazima uadhimishe Sherehe ya Majuma kwa mazao ya kwanza ya mavuno ya ngano, na lazima uadhimishe Sherehe ya Makusanyo mwisho wa mwaka.
23 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
Mara tatu kwa mwaka wanaume wenu wote watajitokeza kwa Bwana Yahweh, Mungu wa Israeli.
24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
Kwa kuwa nitaondoa mataifa mbele yenu na kutanua mipika. Hakuna atakaye tamani kuwa na ardhi yenu kama yao utakapo toka mbele za Yahweh mara tatu kwa mwaka.
25 Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
Hautatoa damu ya dhabihu yangu na hamira yeyote, wala nyama yeyote kutoka dhabihu za Sherehe ya Pasaka kubaki hadi asubui.
26 Ny santatra amin’ ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Lazima ulete matunda ya kwanza yalio bora kutoka nyumbani kwako. Usimchemshe mbuzi mtoto katika maziwa ya mama yake.”
27 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.
Yahweh akamwabia Musa, “Andika chini haya maneno, kwa kuwa nimejiahidi haya maneno niliyo yasema, na nimefanya agano kwako na Israeli.”
28 Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.
Musa alikuwa huko na Yahweh kwa siku arobaini na usiku; hakula chakula chochote wala kunywa maji yeyote. Aliandika katika mbao maneno ya agano, Amri kumi.
29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’ izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
Musa alipo shuka chini ya Mlima Sinai na mbao mbili za agano za ushuhuda mikononi mwake, hakujua kuwa ngozi ya kuwa uso wake ulikuwa wa'ngaa akizungumza na Mungu.
30 Ary nony hitan’ i Arona sy ny Zanak’ Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
Wakati Aruni na Waisraeli walipo muona Musa, ngozi ya uso wake ulikuwa wa ng'aa, na waliogopa kuja karibu yake.
31 Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan’ ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
Lakini Musa aliwaita, na Aruni na viongozi wa jamii wakaja kwake. Kisha Musa akasema nao.
32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’ Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah taminy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay.
Baada ya haya, watu wote wa Israeli wakaja kwa Musa, na akawambia amri zote Yahweh alizo mpa katika Mlima Sinai.
33 Ary rehefa vita ny teny nataon’ i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
Musa alipo maliza kuzungumza nao, alifunika uso wake kwa kitambaa.
34 Ary raha niditra teo anatrehan’ i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely izay efa nandidiana azy.
Wakati Musa alipoenda mbele za Yahweh kusema naye, aliondoa kitambaa, hadi alipo toka. Alipo toka, aliwaambia Waisraeli alicho amriwa kusema.
35 Ary hitan’ ny Zanak’ Isiraely ny tavan’ i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’ i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
Waisraeli walipo muona Musa ana'ngaa uso, alirudisha kitambaa tena usoni mpaka alipokuwa anaenda kuongea na Yahweh.

< Eksodosy 34 >