< Eksodosy 34 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
And after this he said: Hew thee two tables of stone like unto the former, and I will write upon them the words which were in the tables, which thou brokest.
2 ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin’ ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon’ ny tendrombohitra.
Be ready in the morning, that thou mayst forthwith go up into mount Sinai, and thou shalt stand with me upon the top of the mount.
3 Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’ osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’ izany tendrombohitra izany
Let no man go up with thee: and let not any man be seen throughout all the mount: neither let the oxen nor the sheep feed over against it.
4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
Then he cut out two tables of stone, such as had been before: and rising very early he went up into the mount Sinai, as the Lord had commanded him, carrying with him the tables.
5 Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
And when the Lord was come down in a cloud, Moses stood with him, calling upon the name of the Lord.
6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
And when he passed before him, he said: O the Lord, the Lord God, merciful and gracious, patient and of much compassion, and true,
7 mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Who keepest mercy unto thousands: who takest away iniquity, and wickedness, and sin, and no man of himself is innocent before thee. Who renderest the iniquity of the fathers to the children, and to the grandchildren, unto the third and fourth generation.
8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;
And Moses making haste, bowed down prostrate unto the earth, and adoring,
9 dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Said: If I have found grace in thy sight: O Lord, I beseech thee, that thou wilt go with us, (for it is a stiffnecked people, ) and take away our iniquities and sin, and possess us.
10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ ny tany rehetra sy tany amin’ ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’ i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ ny fiombako anao.
The Lord answered: I will make a covenant in the sight of all. I will do signs such as were never seen upon the earth, nor in any nation: that this people, in the midst of whom thou art, may see the terrible work of the Lord which I will do.
11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Observe all things which this day I command thee: I myself will drive out before thy face the Amorrhite, and the Chanaanite, and the Hethite, and the Pherezite, and the Hevite, and the Jebusite.
12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
Beware thou never join in friendship with the inhabitants of that land, which may be thy ruin:
13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
But destroy their altars, break their statues, and cut down their groves:
14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
Adore not any strange god. The Lord his name is Jealous, he is a jealous God.
15 fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
Make no covenant with the men of those countries lest, when they have committed fornication with their gods, and have adored their idols, some one call thee to eat of the things sacrificed.
16 ary andrao koa haka amin’ ny zananivavy ho vadin’ ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
Neither shalt thou take of their daughters a wife for thy son, lest after they themselves have committed fornication, they make thy sons also to commit fornication with their gods.
17 Aza manao andriamanitra an-idina ho anao.
Thou shalt not make to thyself any molten gods.
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Thou shalt keep the feast of the unleavened bread. Seven days shalt thou eat unleavened bread, as I commanded thee in the time of the month of the new corn: for in the month of the springtime thou camest out from Egypt.
19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’ osy;
All of the male kind, that openeth the womb, shall be mine. Of all beasts, both of oxen and of sheep, it shall be mine.
20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
The firstling of an ass thou shalt redeem with a sheep: but if thou wilt not give a price for it, it shall be slain. The firstborn of thy sons thou shalt redeem: neither shalt thou appear before me empty.
21 Henemana no hiasanao, fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin’ ny taom-pamafazana sy amin’ ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
Six days shalt thou work, the seventh day thou shalt cease to plough, and to reap.
22 Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin’ ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Thou shalt keep the feast of weeks with the firstfruits of the corn of thy wheat harvest, and the feast when the time of the year returneth that all things are laid in.
23 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
Three times in a year all thy males shall appear in the sight of the Almighty Lord the God of Israel.
24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
For when I shall have taken away the nations from thy face, and shall have enlarged thy borders, no man shall lie in wait against thy land when thou shalt go up, and appear in the sight of the Lord thy God thrice in a year.
25 Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
Thou shalt not offer the blood of my sacrifice upon leaven: neither shall there remain in the morning any thing of the victim of the solemnity of the Lord.
26 Ny santatra amin’ ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
The first of the fruits of thy ground thou shalt offer in the house of the Lord thy God. Thou shalt not boil a kid in the milk of his dam.
27 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.
And the Lord said to Moses: Write these words by which I have made a covenant both with thee and with Israel.
28 Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.
And he was there with the Lord forty days and forty nights: he neither ate bread nor drank water, and he wrote upon the tables the ten words of the covenant.
29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’ izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
And when Moses came down from the mount Sinai, he held the two tables of the testimony, and he knew not that his face was horned from the conversation of the Lord.
30 Ary nony hitan’ i Arona sy ny Zanak’ Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
And Aaron and the children of Israel seeing the face of Moses horned, were afraid to come near.
31 Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan’ ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
And being called by him, they returned, both Aaron and the rulers of the congregation. And after that he spoke to them.
32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’ Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah taminy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay.
And all the children of Israel came to him: and he gave them in commandment all that he had heard of the Lord in mount Sinai.
33 Ary rehefa vita ny teny nataon’ i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
And having done speaking, he put a veil upon his face.
34 Ary raha niditra teo anatrehan’ i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely izay efa nandidiana azy.
But when he went in to the Lord, and spoke with him, he took it away until he came forth, and then he spoke to the children of Israel all things that had been commanded him.
35 Ary hitan’ ny Zanak’ Isiraely ny tavan’ i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’ i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
And they saw that the face of Moses when he came out was horned, but he covered his face again, if at any time he spoke to them.

< Eksodosy 34 >