< Eksodosy 33 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
Yahweh anasema na Musa, “Nenda kutoka hapa, wewe na watu ulio watoa kutoka nchi ya Misri. Nenda kwenye nchi nilio fanya nadhiri na Ibrahimu, Isaka, Yakobo, nilipo sema, 'Nitakupa wewe na uzao wako'.'
2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
Nitatuma malaika mbele yako, na kuwaondoa Wakanani, Waamori, Wahiti, Waperizi, Wahivi, na Wayebusi.
3 dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
Nenda kwenye hiyo nchi, inayo tiririka kwa maziwa na asali, lakini sitaenda nawe, kwasababu ninyi ni watu wajehuri. Ninaweza kuwaharibu njiani.”
4 Ary rehefa ren’ ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
Watu walipo sikia haya maneno ya kushtua, walilia, na hakuna aliye vaa mikufu.
5 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
Yahweh alisema kwa Musa, “Waambie Waisraeli, 'Ninyi ni watu wakorofi. Kama ningeenda miongoni mwenu ata kwa muda kidogo, nigewaharibu ninyi. Hivyo sasa, toa mikufu yenu ili niamue nini cha kufanya kwenu.”'
6 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
Hivyo Waisraeli hawaku vaa mikufu kutoka Mlima Horebu na kwendelea.
7 Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.
Musa akachukua hema na kukita nje ya kambi, umbali kidogo na kambini. Aliita hema ya kukutania. Kila mtu alliye muuliza Yahweh kitu chochote alienda kwenye hema ya kukutania, nje ya kambi.
8 Ary raha nivoaka ho eo amin’ ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy, dia nitazana an’ i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ ny lay.
Kisha Musa alipo enda kwenye hema, watu wote walisima kando ya hema yao na kumuangalia Musa hadi alipo ingia ndani.
9 Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
Wakati wowote Musa alipo ingia hemani, nguzo ya wingu ilishuka chini na kusimama nje ya lango la hema, na Yahweh alizungumza na Musa.
10 Ary hitan’ ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy.
Wakati wowote watu walipo ona nguzo ya wingu imesimama langoni mwa hema, waliamka na kuabudu, kila langoni mwa hema yake.
11 Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’ i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin’ ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak’ i Nona, tsy niala tamin’ ny lay.
Yahweh alizungumza na Musa uso kwa uso, kama mtu anapo zungumza na rafiki yake. Kisha Musa alirudi kambini, lakini mtumishi wake Yoshua mwana wa Nuni, kijana, alibaki hemani.
12 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
Musa alisema na Yahweh, “Ona, umekuwa ukisema na mimi, 'Chukuwa watu hawa safarini,' lakini hauja niambia nani utamtuma na mimi. Umesema, 'Nina kujua kwa jina, na umepata upendeleo kwangu.'
13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
Kama nimepata upendeleo machoni pako, nionyeshe njia zako ili nikujue na kuendelea kupata upendeleo machoni pako. Kumbuka ili taifa ni watu wako.”
14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
Yahweh akajibu, “Uwepo wangu utaenda nawe, na nitakupa pumziko.”
15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
Musa akasema, “Kama uwepo wako hautaenda nasi, usitutoe hapa.
16 Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
Au je, itajulikanaje niimepata upendeleo machoni pako, mimi na watu wako? Haitakuwa kuwa tu kama ukienda nasi mimi na watu wako tutakuwa na utofauti na watu wengine wote waliopo katika uso wa dunia?”
17 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
Yahweh akamwambia Musa, “Nitafanya pia hichi kitu ulicho niomba, kwa kuwa umepata upendeleo machoni mwangu, na nina kujua kwa jina lako.”
18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Musa akasema, Tafadhali nionyeshe utukufu wako.”
19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
Yahweh akasema, “Nitafanya wema wangu wote ujulikani kwako, na nitatangaza jina langu 'Yahweh' kwako. Nitakuwa na neema kwake nitakae kuwa na neema, na nitaonyesha rehema kwake nitakaye onyesha rehema.”
20 Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
Lakini Yahweh akasema, “Hauta ona uso wangu, kwa kuwa hakuna aonaye uso wangu na kuiishi.”
21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ ny harambato ianao;
Yahweh akasema, “Ona, hapa kuna sehemu yangu; utasimama kwenye huu mwamba.
22 koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
Wakati utukufu wangu unapita, nitakuweka kwenye shimo kubwa la mwamba na kukufunika kwa mkono wangu mpaka nitakapo pita.
23 Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.
Kisha nitaondoa mkono wangu, na utaona mgongo wangu, ila uso wangu hautaonekana.”