< Eksodosy 31 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord spoke unto Moses, saying,
2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
See, I have called by name Bezalel the son of Uri, the son of Chur, of the tribe of Judah:
3 ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
And I have filled him with the spirit of God, in wisdom, and in understanding, and in knowledge, and in all manner of workmanship,
4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
To devise works of art, to work in gold, and in silver, and in copper,
5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
And in the cutting of stones, to set them, and in the carving of wood, to work in all manner of workmanship.
6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
And behold, I have also given with him Aholiab, the son of Achissamach, of the tribe of Dan, and in the heart of all that are wise-hearted have l put wisdom; and they shall make all that I have commanded thee;
7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
The tabernacle of the congregation, and the ark of the testimony, and the cover that is thereupon, and all the vessels of the tabernacle;
8 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
And the table and its vessels, and the pure candlestick with all its vessels, and the altar of incense;
9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
And the altar of burnt-offering with all its vessels, and the laver and its foot;
10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,
And the cloths of service, and the holy garments for Aaron the priest, and the garments of his sons, to minister therein;
11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
And the anointing oil, and the incense of spices for the holy place: all as I have commanded thee shall they do.
12 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord said unto Moses as followeth,
13 Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
And thou shalt speak unto the children of Israel, saying, Above all, my sabbaths shall ye keep; for a sign it is between me and you throughout your generations; that ye may know that I am the Lord who doth sanctify you.
14 Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
And ye shall keep the sabbath, for it is holy unto you; every one that defileth it shall surely be put to death; for whosoever doeth any work thereon, that soul shall be cut off from among his people.
15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
Six days may work be done; but on the seventh is the sabbath of rest, holy to the Lord: whosoever doeth any work on the sabbath-day, shall surely be put to death.
16 Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
And the children of Israel shall keep the sabbath, to observe the sabbath throughout their generations, for a perpetual covenant.
17 Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
Between me and the children of Israel it shall be a sign for ever; for in six days the Lord made the heavens and the earth, and on the seventh day he rested, and was refreshed:
18 Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
And he gave unto Moses, when he had finished speaking with him upon mount Sinai, the two tables of the testimony, tables of stone, inscribed with the finger of God.

< Eksodosy 31 >