< Eksodosy 29 >
1 Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
你為祝聖他們作我的司祭,應行以下的事:牽一頭公牛犢和兩隻無殘疾的公綿羊,
2 ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
準備無酵餅,油調的無酵糕,油抹的無酵薄餅:這些都應用細麥麵做成,
3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ ny harona; ary ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
放在籃子內,連籃子也帶來,並將那頭公牛和兩隻綿羊牽來;
4 Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy
然後領亞郎和他的兒子們到會幕門口,先叫他們沐浴,
5 Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
以後拿過服裝來,給亞郎穿上長衣,和掛厄弗得的無袖長袍,佩上厄弗得和胸牌,繫上厄弗得帶子,
6 ary ny hamama dia ataovy eo amin’ ny lohany, ary ny diadema masìna dia ataovy eo amin’ ny hamama.
把禮冠戴在他頭上,將金牌繫在禮冠上。
7 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.
再拿傅禮用的油倒在他頭上,給他傅油。
8 Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
以後叫他的兒子們前來,給他們穿上長衣,
9 Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
給他們束上腰帶,纏上頭巾;如此,使他們盡司祭之職,成為永遠的規律:你要這樣授與亞郎和他兒子們聖職。祝聖司祭的祭獻
10 Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;
以後把牛犢牽到會幕前邊,亞郎和他的兒子們按手在牛犢頭上。
11 dia vonoy eo anatrehan’ i Jehovah ny vantotr’ ombilahy, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
你要在上主前,在會幕門口宰殺那牛犢,
12 ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;
取些牛血,用你的手指抹在祭壇的各角上,把其餘的血倒在祭壇腳前。
13 ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;
再取出遮蓋內臟的一切脂肪、肝葉、兩腎和兩腎上的脂肪,放在祭壇上焚燒,使煙昇起。
14 fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
牛犢的肉、皮和糞,應在營外用火焚化,因為這是贖罪祭。
15 Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
以後把公綿羊牽來,亞郎和他的兒子們按手在羊頭上。
16 dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara;
然後你宰殺這羊,取些羊血洒在祭壇周圍。
17 ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin’ ny voarasa sy ny lohany;
再把羊切成碎塊,把內臟和腿洗淨,放在肉塊與羊頭上,
18 ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
在祭壇上焚燒整個公綿羊,使煙昇起;這是獻給上主的全燔祭,是中悅上主的馨香火祭。
19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
再把另一隻公綿羊牽來,亞郎和他的兒子們按手在羊頭上。
20 dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara
此後你宰殺這羊,取一些血,抹在亞郎和他兒子們的右耳垂上,抹在他們的右手拇指和右腳大趾上,其餘的血洒在祭壇周圍。
21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.
以後取祭壇上的一點血和傅禮的油,洒在亞郎和他的衣服上,洒在他的兒子們和他們的衣服上:這樣他和他的衣服,他們和他們的衣服,都成了聖的。
22 Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
再從公綿羊身上取出脂肪、肥尾,遮蓋內臟的脂肪、肝葉,兩腎和兩腎上的脂肪以及右後腿,─因為這是授聖職時所獻的公綿羊;
23 ary manala iray amin’ ny mofo sy iray amin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ ny mofo manify izay eo amin’ ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’ i Jehovah;
然後從擺在上主前的無酵餅籃內,拿出一個圓餅,一個油調的餅,一個薄餅,
24 ary ataovy eo an-tànan’ i Arona sy eo an-tànan’ ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
都放在亞郎和他兒子們手上,在上主前行奉獻的搖禮;
25 Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.
以後從他們的手裏接過來,在祭壇上按全燔祭的禮儀焚燒,使煙昇起,作為上主悅納的馨香:這是獻給上主的火祭。
26 Ary alao ny tratran’ ny ondrilahy fanokanana an’ i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
以後你把亞郎受聖職時所獻的公綿羊的胸部拿來,在上主前行奉獻的搖禮,它就成了你的一分。
27 Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.
你要聲明搖過的胸,舉過的腿,即亞郎和他兒子們受聖職時,所搖過的公綿羊的胸和所舉過的腿是聖的。
28 Ary ho anjara mandrakizay ho an’ i Arona sy ho an’ ny taranany avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah.
這是亞郎和他的兒子們在以色列子民中永遠所享的權利,因為是舉過的祭品;舉過的祭品,就是從以色列子民所獻的和平祭品中,取出舉獻於上主的一部份。
29 Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
亞郎的聖衣應傳給他的子孫,他們穿上這些聖衣才能接受傅油,接受聖職。
30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin’ ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna.
他的子孫中凡接位當司祭,進會幕在聖所行禮的,應七天之久穿這些聖衣。
31 Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin’ izay fitoerana masìna ny henany
你要拿受聖職時所獻的公綿羊,在聖處煮牠的肉。
32 Ary hohanin’ i Arona sy ny zanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny henan’ ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ ny harona.
亞郎同他的兒子們須要在會幕門口吃這羊肉和籃中的餅,
33 Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
只許他們吃授聖職和祝聖他們時所獻的贖罪祭品,外人不許吃,因為是聖物。
34 Ary raha misy sisa tsy lany amin’ ny henan’ ny fanatitra fanokanana, na amin’ ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masìna.
授聖職時所獻的祭肉和餅,若到早晨還有剩下的,應把剩下的用火焚化,不准再吃,因為是聖物。
35 Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
你應照我吩咐你的,向亞郎和他的兒子們行這一切:七天之久給他們行授職典禮。祝聖全燔祭壇
36 Ary vantotr’ ombilahy iray no haterinao isan’ andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
每天你應獻一隻牛犢當贖罪祭,為贖罪;你應在祭壇上行贖罪祭,使祭壇潔淨,而且要給祭壇傅油,使之為聖。
37 Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
要七天之久為祭壇行潔淨禮,使之為聖:如此祭壇就成了至聖;凡觸摸祭壇的,也成為聖的。每日的全燔祭
38 Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
你每天應照常在祭壇上奉獻兩隻一歲的羔羊:
39 (ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
早晨獻一隻,傍晚獻一隻。
40 ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
與頭一隻羊同獻的,還有十分之一「厄法」細麵,調和上四分之一「辛」榨得的油,和四分之一「辛」的酒作奠祭。
41 Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
與傍晚那一隻同獻的,如早晨的素祭和奠祭一樣,作為上主悅納的一種馨香火祭。
42 Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao
這是你們世世代代,在會幕門口,在上主前應不斷獻的全燔祭;我要在那裏與你會晤,在那裏向你講話。
43 Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.
我也要在那裏與以色列子民會晤,此地要因我的光榮被尊為聖。
44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
我要祝聖會幕和祭壇,也要祝聖亞郎和他的兒子們,使他們成為我的司祭。
45 Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
我要住在以色列子民中,作他們的天主。
46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
他們要承認我上主是他們的天主,領他們出離了埃及地,為住在他們中間:我上主是他們的天主。