< Eksodosy 26 >
1 Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
至於帳棚,應用十幅布幔做成;布幔用捻的細麻,紫色、紅色、朱紅色的毛線織成,用鏽工繡上革魯賓。
2 Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
每幅布幔長二十八肘,寬四肘;每幅布幔都是一樣的尺寸。
3 Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
五幅布幔相連縫在一起,另五幅也相連縫在一起。
4 Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
在這組布幔末端的邊上,應做上紫色的鈕;另一組布幔末幅的邊上,也應這樣作。
5 Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
在這一幅上應做五十個鈕,在另一組布幔末幅的邊上,也應做上五十個鈕,這些鈕彼此相對。
6 Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin’ ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
又做五十個金鉤,用鉤子使兩組布幔彼此相連,成為一個帳棚。
7 Ary manaova ambainy koa amin’ ny volon’ osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no hanaovanao azy.
再用山羊毛做布幔,作帳棚頂之用;共做布幔十一幅。
8 Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
每幅長三十肘,寬四肘;十一幅布幔都是一樣的尺寸。
9 Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ ny sakan’ ny lay anatrehana.
五幅布幔縫在一起,另六幅也縫在一起,但第六幅應在棚頂前面疊起。
10 Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
在這一組布幔末幅的邊上,做上五十個鈕,在另一組布幔末幅的邊上,也做上五十個鈕,
11 Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
再製五十個銅鉤穿入鈕內:這樣使棚頂連結在一起,成為一個。
12 Ary izay mihoatra amin’ ny ambain’ ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon’ ny tabernakely.
至於棚頂布幔多出的一那一部份,即餘下的半幅布幔,應垂在帳棚後邊。
13 Ary ny iray hakiho avy eo amin’ ny lohany roa amin’ ny lamba, izay mihoatra amin’ ny halavan’ ny ambain’ ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ ny lafibeny roa amin’ ny tabernakely handrakotra azy.
棚頂布幔的長度多出來的每邊一肘,應垂在帳棚的兩邊,好遮住帳棚。
14 Ary manaova koa rakotry ny lay amin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
再用染紅的公羊皮蒙在棚頂上,上邊再蒙上海豚皮。帳棚的木架
15 Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely.
應用皂莢木做支帳棚用的木板。
16 Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
每塊木板高十肘,寬一肘半。
17 Lahiny roa no ho amin’ ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin’ ny tabernakely.
每塊木板下要做兩個筍頭,彼此並列;帳棚所有的木板,全都這樣做。
18 Ary manaova ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
支帳棚的木板,在向陽的一面,即南邊,應做二十塊木板;
19 Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray hiorenan’ ny lahiny roa.
在二十塊木板下邊做四十個銀卯座,每塊木板下兩個卯座,為安木板的兩筍頭。
20 Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
為帳棚的另一面,即北邊,也應做二十塊木板,
21 Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
也做四十個銀卯座,每塊木板下兩個卯座。
22 Ary ny lafiny andrefana amin’ ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
為帳棚的後面,即西邊,要做六塊木板;
23 Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely amin’ ny lafiny ivoho.
在帳棚後面的兩角上,各做兩塊木板;
24 Ary hakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ ny zorony roa no hisy izany.
木板下端應是雙的,直到上端第一環,都應是雙的。兩塊木板都應這樣做,形成兩個角。
25 Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
所以共有八塊木板,十六個銀卯座,每塊木板下兩個卯座。
26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
再用皂莢木做橫木:為帳棚的這一面木板做五根,
27 sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
為帳棚另一面木板,也做五根橫木;為帳棚後面,即西邊的木板,也做五根橫木。
28 Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
在木板中間的那根橫木,應從這頭穿到那頭。
29 Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
木板應包上金,穿橫木的環子應是金做的,橫木也包上金。
30 Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
應依照在山上指示給你的式樣,建造帳棚。帳棚與門簾
31 Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
應用紫色、紅色、朱紅色的毛線和捻的細麻做帳棚幔,用繡工繡上革魯賓。
32 Ary ahantòny amin’ ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
將帳幔掛在四根包金的皂莢木柱子上;柱釘應是金的,柱子應安在四個銀卯座上。
33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
帳幔懸在鉤上;將約櫃抬到裏面即帳幔後面:這樣帳幔給你們隔成聖所和至聖所。
34 Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona eo amin’ ny fitoerana masìna indrindra.
將贖罪蓋安在至聖所內的約櫃上。
35 Ary apetraho eo ivelan’ ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ ny latabatra amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ ny lafiny avaratra.
將供桌放在帳棚外邊;將燈台安置在帳棚的南邊,對著供桌,所以應把供桌放在北邊。
36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
再用紫色、紅色、朱紅色的毛線和捻的細麻,編織會幕的門簾。
37 Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
為掛門簾應做五根皂莢木柱子,包上金,柱釘應是金的;為柱子再鑄五個銅卯座。