< Eksodosy 24 >
1 Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Le hoe re amy Mosè, Mionjona mb’ am’ Iehovà mb’etoy, ihe naho i Aharone, i Nadabe naho i Abiho naho ty fitompolo amo androanavi’ Israeleo vaho mitalahoa ey nahareo.
2 nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
I Mosè avao ty hañarivo Iehovà, le tsy hañarine ey iereo vaho tsy hindre ama’e hañambone mb’eo ondatio.
3 Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay.
Nomb’eo amy zao t’i Mosè nitalily am’ondatio ze hene tsara’ Iehovà naho o fañè’eo; le songa nanoiñe am-piarañanañañe raike ondatio, ty hoe, Ho henefa’ay ty tsara iaby nanoe’ Iehovà.
4 Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.
Aa le sinoki’ i Mosè o hene tsara’ Iehovào naho nañaleñaleñe namboatse kitrely am-poto’ i vohitsey vaho nampitroatse anakòreñe folo-ro’amby ty ami’ty ia’ o rofoko folo-roe-ambi’ Israeleo,
5 Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.
le nañiraha’e ajalahy ana’ Israele hibanabana enga horoañe naho añombe ho sorom-panintsiñañe am’Iehovà.
6 Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.
Navì’ i Mosè am-pinga ao ty vaki’ i lioy vaho naretsa’e amy kitreliy ty ila’e.
7 Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
Rinambe’e amy zao i bokem-pañinay le vinaki’e am-pijanjiña’ ondatio; le hoe iereo, Hanoe’ay ze hene tsara’ Iehovào vaho ho haoñe’ay.
8 Ary nalain’ i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ ny fanekena izay nataon’ i Jehovah taminareo ny amin’ izany teny rehetra izany.
Le rinambe’ i Mosè i lioy naho nafitse’e am’ondatio vaho nanao ty hoe, Ingo ty liom-pañina nanoe’ Iehovà ama’ areo amy hene tsara rezay.
9 Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny Isiraely.
Niañambone amy zao t’i Mosè naho i Aharone, i Nadabe naho i Abiho vaho ty androanavy fitompolo’ Israele;
10 Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.
le niisa’ iereo t’i Andrianañahare’ Israele; le hoe linamike safira ty ambane’ o fandia’eo vaho nanahake o likerañeo ami’ ty fikantsokantsoña’e.
11 Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
Le ie tsy napao-pitàñe amo androanavi’ Israeleo, f’ie nahaisake i Andrianañahare naho nikama vaho ninoñe.
12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
Hoe t’Iehovà amy Mosè, Miañambonea mb’amako mb’etoa, le mitambara atoy, fa ho tolorako ravem-bato reketse Hake naho lily sinokiko hañòhañe iareo.
13 Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.
Aa le niongake t’i Mosè naho Iehosoa mpitoro’e vaho nionjoñe mb’ amy vohin’ Añahare amboney mb’eo t’i Mosè.
14 Ary hoy izy tamin’ ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’ izy roa lahy izy.
Le hoe re amy androanavy rey, Liñiso etoan-jahay, ampara’ ty impolia’ay; ama’ areo t’i Aharone naho i Khòre, hiheova’ ze aman-kalahatse.
15 Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
Aa le niañambone’ i vohitsey t’i Mosè vaho kinolopo’ ty rahoñe i vohitsey.
16 Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
Nivotrak’ ambohi-Sinay eo ty enge’ Iehovà, le nanaroñe aze eneñ’ andro i rahoñey; ie ami’ty andro fahafito, nikanjie’e boak’amy rahoñey t’i Mosè.
17 Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Le nihoe afo nisolebotse ambone’ i vohitsey ty Enge’ Iehovà am-pihaino’ o ana’Israeleo.
18 Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
Nizilik’ amy rahoñey t’i Mosè, niañambone i vohitsey. Le tambatse am-bohitse ao efapolo andro naho efapolo haleñe t’i Mosè.