< Eksodosy 23 >
1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
Haupaswi kutoa taarifa ya uongo kuhusu yeyote. usijiunge na mwanaume muovu kuwa shahidi wa uongo.
2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
Haupaswi kufuata umati kufanya uovu, wala kutoa ushahidi ukiwa na umati ili kupotosha haki.
3 Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao.
Haupaswi kumpendelea mwanaume maskini kwenye kesi yake.
4 Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
Ukikutana na ng'ombe wa adui wako au punda wake amepotea, lazima umrudishie.
5 Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
Ukiona punda wa yule anaye kuchukia ameanguka chini na mzigo wake, hauta muacha huyo mtu. Lazima umsaidie na punda wake
6 Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
Haupaswi kupotosha haki kama yapaswa kwenda kwa watu maskini katika kesi ya mwanaume maskini.
7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
Usijiunge na wengine kufanya shutuma za uongo, na usiue asiye na hatia wala mwenye haki, kwa kuwa sitamuacha muovu.
8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.
Husiwai chukuwa rushwa, kwa kuwa rushwa inawapofusha wanaoona, na kupotosha maneno ya wakweli.
9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
Haupaswi kumnyanyasa mgeni, kwa kuwa wewe ulikuwa mgeni katika nchi ya Misri.
10 Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
Kwa miaka sita utapanda mbegu kwenye nchi yako na kukusanya mazao yake.
11 fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.
Lakini katika mwezi wa saba utaacha hakujalimwa, ili kwamba maskini miongoni mwenu wale. Wanacho acha, wanyama wa porini watakula. Utafanya hivyo na mashamba yenu ya mizabibu na ya mizaituni.
12 Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
Wakati wa siku sita utafanya kazi, lakini siku ta saba utapumzika. Fanya hivi ili ng'ombe na punda wako wapumzike, na ili wana wa watumwa wako wa kike na wageni wapumzike na kupata hauweni.
13 Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany.
Kuwa makini kwa kila kitu nilicho kwambia. Husitaje majina ya miungu mingine, wala kuruhusu majina yao kusikika kutoka mdomoni mwako.
14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
Lazima usafiri kusherehekea mara tatu kwa ajili yangu kila mwaka.
15 Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Lazima uadhimishe sherehe ya Mkate usiotiwa Chachu. Kama nilivyo kuamuru, utakula mkate usiotiwa chachu kwa siku saba. Wakati huo, utajitokeza kwangu mwezi wa Abibu, uliowekwa kwa ajili ya kusudi hili. Ni kwa mwezi huu uliyo toka Misri. Lakini usijitokeze kwangu mikono mitupu.
16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
Lazima uadhimishe Sherehe ya Mavuno, matunda ya kwanza ya kazi yako ulipo panda mbegu shambani. Pia lazima uadhimishe Sherehe ya Ukusanyaji wa mwisho wa mwaka, unapo kusanya mazao yako kutoka shambani.
17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.
Wanaume wote wako lazima wajitokeze kwa Bwana Yahweh mara tatu kila mwaka.
18 Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.
Haupaswi kutoa damu iliyo tolewa dhabihu kwangu na mkate uliyotiwa hamira. Mafuta kutoka kwa dhabihu za sherehe zangu hayapaswi kubaki usiku wote mpaka asubui.
19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Lazima ulete matunda ya kwanza bora kutoka shambani mwako ndani ya nyumba yangu, nyumba ya Yahweh Mungu wako. Haupaswi kumchemsha mbuzi mtoto akiwa bado ananyonya.
20 Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.
Ninaenda kumleta malaika mbele yako kukuongoza njiani, na kukuleta sehemu niliyo iandaa.
21 Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
Kuwa makini naye na kumtii.
22 Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.
Husimkasirishe, kwa kuwa hatasamehe makosa yako. Jina langu liko kwake. Kama hakika ukimtii sauti yake na kufanya kila ninacho kwambia, kisha nitakuwa adui kwa adui zako na mpinzani kwa wapinzani wako.
23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
Malaika mwangu ataenda mbele zako na kukuleta kwa Waamori, Wahiti, Waperizi, Wakanani, Wahivi, na Wayebusi. Nitawaharibu.
24 Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
Haupaswi kuinamia miungu yao, kuabudu, au kufanya wanavyo fanya. Badala yake, lazima uwapindue kabisa na kuvunja nguzo zao za mawe vipande vipande.
25 Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
Lazima umuabudu Yahweh Mungu wako, na atabariki mkate wako na maji. Nitaondoa magonjwa miongoni mwenu.
26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao.
Hakuna mwanamke atakaye kuwa tasa au mimba kuharibika katika nchi yako. Nitawapa maisha marefu.
27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
Nitatuma hofu yangu kwao ambao mnaenda. Nitaua wote mnao kutana nao. Nitafanya maadui zenu wawaogope kwa kugeuza migongo yao kwenu.
28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
Nitatuma mavu kwenu watakao fukuza Wahivi, Wakanani, na Wahiti mbele zenu.
29 Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
Sitawaondoa kwenu kwa mwaka mmoja, au nchi itakuwa imetelekezwa, na wanyama wa porini watakuwa wengi kwenu.
30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
Badala yake, nitawafukuza kidogo kidogo kutoka kwenu mpaka utakapo kuwa umestawi na kurithi nchi.
31 Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Nitatengeneza mipaka yako kutoka Bahari ya Shamu hadi Bahari ya Wafilisti, na kutoka nyikani hadi Mto Frati. Nitakupa ushindi juu ya wakazi wote wa nchi. Utawaondoa kutoka kwako mwenyewe.
32 Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
Haupaswi kufanya agano na wao au na miungu yao.
33 Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
Hawapaswi kuishi nchini mwako, au watakufanya ufanya dhambi dhidi yangu. Ukiabudu miungu yao, hakika watakuwa mtego kwako.'”