< Eksodosy 21 >

1 Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
“Hizi ndizo sheria utakazoweka mbele ya Waisraeli:
2 Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
“Kama ukimnunua mtumwa wa Kiebrania, atakutumikia kwa miaka sita. Lakini katika mwaka wa saba, atakuwa huru naye atakwenda zake pasipo kulipa chochote.
3 Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
Kama akija peke yake, atakwenda huru peke yake, lakini kama akija na mke, ataondoka pamoja naye.
4 Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an’ ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
Kama bwana wake alimpatia mke naye akamzalia wana au binti, mwanamke pamoja na watoto wake watakuwa mali ya bwana wake na huyo mwanaume ataondoka peke yake.
5 Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
“Lakini kama mtumishi akisema, ‘Ninampenda bwana wangu, mke wangu pamoja na watoto na sitaki kuwa huru,’
6 dia ho entin’ ny tompony ho eo anatrehan’ Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin’ ny varavarana, na ho eo amin’ ny tolam-baravarana, ka hotevehin’ ny tompony amin’ ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
ndipo bwana wake atakapolazimika kumpeleka mbele ya waamuzi. Kisha atampeleka kwenye mlango au kizingiti na kutoboa sikio lake kwa shazia. Naye atamtumikia bwana wake maisha yake yote.
7 Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon’ olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ ny andevolahy ho afaka no fialany.
“Kama mtu akimuuza binti yake kuwa mtumwa, hataachwa huru kama watumwa wa kiume waachiwavyo.
8 Fa raha tsy ankasitrahan’ ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin’ ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
Kama hakumpendeza bwana wake aliyemchagua, huyo bwana atamwacha akombolewe. Hatakuwa na haki ya kumuuza kwa wageni, kwa sababu huyo bwana atakuwa amekosa uaminifu.
9 Ary raha mamofo azy ho vadin’ ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
Kama akimchagua aolewe na mwanawe, ni lazima ampe haki za kuwa binti yake.
10 Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
Ikiwa huyo mwana aliyeozwa mtumwa mwanamke ataoa mwanamke mwingine, ni lazima aendelee kumtosheleza huyo mke wa kwanza kwa chakula, mavazi na haki zote za ndoa.
11 Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
Iwapo hatamtosheleza kwa mambo hayo matatu, huyo mke wa kwanza ataondoka na kuwa huru bila malipo yoyote ya fedha.
12 Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
“Yeyote ampigaye mtu na kumuua ni lazima auawe hakika.
13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.
Hata hivyo, kama hakumuua kwa makusudi, lakini Mungu akaruhusu itendeke, basi atakimbilia mahali nitakapomchagulia.
14 Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ ny namany hamono azy amin’ ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
Lakini kama mtu akipanga na kumuua mwingine kwa makusudi, mwondoe katika madhabahu yangu na kumuua.
15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
“Yeyote amshambuliaye baba yake au mama yake ni lazima auawe.
16 Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
“Yeyote amtekaye nyara mwingine akamuuza au akamweka kwake, akikamatwa ni lazima auawe.
17 Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
“Yeyote atakayemlaani baba yake au mama yake ni lazima auawe.
18 Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin’ ny vato, na amin’ ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
“Kama watu wakigombana na mmoja akimpiga mwingine kwa jiwe au kwa ngumi yake na hakufa bali akaugua na kulala kitandani,
19 raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr’ andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
yule aliyempiga ngumi hatahesabiwa kuwa na hatia kama mwenzake ataamka na kujikongoja kwa fimbo yake, lakini hata hivyo, ni lazima amlipe fidia ya muda wake aliopoteza na awajibike mpaka apone kabisa.
20 Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
“Kama mtu akimpiga mtumwa wake wa kiume au wa kike kwa fimbo na mtumwa huyo akafa papo hapo, ni lazima aadhibiwe
21 Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
lakini ikiwa mtumwa ataamka baada ya siku moja au mbili, hataadhibiwa, kwa sababu yule mtumwa ni mali yake.
22 Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan’ anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian’ ny mpitsara izy.
“Ikiwa watu wawili wanapigana na wakamuumiza mwanamke mjamzito, naye akazaa kabla ya wakati lakini hakuna majeraha makubwa, mhalifu atatozwa mali kiasi cha madai ya mume wa yule mwanamke, na jinsi mahakama itakavyoamua.
23 Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon’ ny aina ianao,
Lakini kukiwa na jeraha kubwa, ni lazima ulipe uhai kwa uhai,
24 maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra,
jicho kwa jicho, jino kwa jino, mkono kwa mkono, mguu kwa mguu,
25 may solon’ ny may, ratra solon’ ny ratra, mivatra solon’ ny mivatra.
kuchomwa moto kwa kuchomwa moto, jeraha kwa jeraha, mchubuko kwa mchubuko.
26 Ary raha misy olona mamely ny mason’ ny andevolahiny na ny mason’ ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
“Ikiwa mtu atampiga mtumwa mwanaume au mwanamke kwenye jicho na kuliharibu, ni lazima amwache huru yule mtumwa kama fidia ya hilo jicho.
27 Ary raha ny nifin’ ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
Kama akimvunja jino mtumwa wa kiume au wa kike, ni lazima amwache huru huyo mtumwa kwa kufidia hilo jino.
28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon’ ilay omby dia ho afa-tsiny.
“Kama fahali akimuua mwanaume au mwanamke kwa kumpiga kwa pembe, fahali huyo ni lazima auawe kwa kupigwa mawe, na nyama yake haitaliwa. Lakini mwenye fahali huyo hatawajibika.
29 Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
Lakini hata hivyo, ikiwa huyo fahali amekuwa na tabia ya kupiga kwa pembe, na mwenyewe ameonywa na hakutaka kumfungia naye akamuua mwanaume au mwanamke, huyo fahali ni lazima auawe kwa mawe na mwenye fahali pia auawe.
30 Raha sazina izy, dia handoa vidin’ aina araka izay sazy atao aminy.
Lakini ikiwa malipo yatatakiwa kwake, basi anaweza kulipa kinachodaiwa ili kuukomboa uhai wake.
31 Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
Sheria hii pia itatumika ikiwa fahali atampiga kwa pembe mwana au binti.
32 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon’ andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
Ikiwa fahali atampiga mtumwa wa kike au wa kiume, mwenye fahali atalipa shekeli thelathini za fedha kwa bwana mwenye mtumwa, na fahali ni lazima auawe kwa mawe.
33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,
“Kama mtu akiacha shimo wazi, ama akachimba shimo kisha asilifukie, na ngʼombe au punda akatumbukia ndani yake,
34 dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an’ ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
mwenye shimo ni lazima alipe hasara iliyotokea; ni lazima amlipe mwenye mnyama. Mnyama aliyekufa atakuwa wake.
35 Ary raha misy ombin’ olona mandratra ny ombin’ ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
“Kama fahali wa mtu fulani atamuumiza fahali wa mtu mwingine na akafa, watamuuza yule aliye hai na wagawane sawa fedha pamoja na mnyama aliyekufa.
36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.
Hata hivyo, kama ikifahamika kwamba fahali huyo alikuwa na tabia ya kupiga kwa pembe na mwenyewe hakumfunga, ni lazima mwenye fahali alipe mnyama kwa mnyama, na mnyama aliyekufa atakuwa wake.

< Eksodosy 21 >