< Eksodosy 20 >
1 Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
OLELO mai la ke Akua i keia mau olelo a pau, i mai la.
2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Owau no Iehova o kou Akua, ka mea nana oe i lawe mai nei, mai ka aina o Aigupita mai, mailoko mai hoi o ka hale hooluhi.
3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Aole ou akua e ae imua o ko'u alo.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
Mai hana oe i ke kii i kalaiia nou, aole ma ka like ana o kekahi mea i ka lani iluna, a me ko ka honua ilalo, a maloko hoi o ka wai malalo o ka honua:
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Mai kulou oe ilalo ia lakou, aole hoi e hoomana ia lakou; no ka mea, owau no Iehova o kou Akua, he Akua lili; e hoopai ana i ka na makua hala i na keiki, a hiki aku i ke kuakahi a me ke kualua o ka poe e inaina mai ia'u:
6 nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
A e aloha ana hoi i na tausani o ka, poe e aloha mai ia'u, a e malama hoi i ko'u mau kanawai.
7 Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Mai hoohiki wahahee oe i ka inoa o Iehova o kou Akua; no ka mea, aole loa e hoapono o Iehova i ka mea hoohiki wahahee i kona inoa.
8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
E hoomanao i ka la sabati, a e hoano ia.
9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
I na la eono e hana'i oe i kau haua a pau;
10 Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
Aka, o ka hiku o ka la, he sabati ia no Iehova no kou Akua, aole loa oe e hana ia la, aole oe, aole hoi kou keikikane, aole hoi kou kaikamahine, aole hoi kau kauwakane, aole hoi kau kauwawahine, aole hoi kou holoholona, aole hoi kou kanaka e ma kou mau ipuka:
11 Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
No ka mea, i na la eono i hana'i o Iehova i na lani, a me ka honua, a me ke kai, a me na mea a pau maloko o ia mau mea, a i ka iku o ka la i hoomaha'i; nolaila hoi i hoomaikai ai o Iehova i ka la sabati, a hoano ai hoi oia ia la.
12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
E hoomaikai oe i kou makuakane, a me kou makuwahine; i loihi ai kou mau la maluna o ka aina a Iehova a kou Akua i haawi mai ai ia oe.
16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Mai hoike hoopunipuni oe e hewa ai kou hoalauna.
17 Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Mai kuko oe i ka hale o kou hoalauna, mai kuko i ka wahine a kou hoalauna, aole hoi i kana kauwakane, aole hoi i kana kauwawahine, aole hoi i kona bipi, aole hoi i kona hold, aole hoi i kekahi mea a kou hoalauna.
18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
Ike aku la na kanaka a pau i ke hekili, a me ka uila, a me ke kani ana o ka pu, a me ka mauna e uwahi ana: a ike aku la na kanaka, weliweli iho la; neenee aku la, a ku ma kahi mamao aku.
19 Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
I aku la lakou ia Mose, Nau no makou e olelo mai, a e hoolohe aku no makou: aka, mai olelo mai ke Akua ia makou, o make auanei makou.
20 Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
I aku la o Mose i kanaka, Mai weliweli oukou; no ka mea, ua hele mai ke Akua e hoao ia oukou, i mau kona makauia maluna o oukou, i lawehala ole oukou.
21 Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’ Andriamanitra.
Ku mai la na kanaka ma kahi loihi e aku, a hookokoke aku la o Mose, i ke ao panopano a ke Akua i uoho ai.
22 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
I mai la o Iehova ia Mose, E olelo aku oe i na mamo a Iseraela penei, Ua ike oukou i ka'u olelo ana ia oukou, mai ka lani mai.
23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
Mai hana oe i na akua e me a'u nei i na akua kala, a mai hana i na akua gula no oukou.
24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
E hana oe i kuahu lepo no'u a e mohai mai maluna iho i kou mohaikuni, a me kou mohai hoomalu, i kou mau hipa, a me kou mau bipi; i na wahi a pau a'u e hoopaa ai i ko'u inoa, mataila au e hele aku ai i ou la, a e hoomaikai ai ia oe.
25 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
A i hana oe i kuahu pohaku, ea, mai hana oe i pohaku i kalaiia; no ka mea, ina e kau oe i kou koilipi maluna iho, ua haumia ia ia oe.
26 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
Mai pii oe maluna o ko'u kuahu ma ke ala hanuu, o ikea aku kou wahi huna malaila.