< Eksodosy 2 >
1 Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy lasa naka vady tamin’ ny zanakavavin’ i Levy.
Mobali moko ya libota ya Levi abalaki mwasi kati na libota ya Levi.
2 Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
Mwana mwasi yango azwaki zemi mpe abotaki mwana mobali. Wana amonaki ete mwana yango azali kitoko, abombaki ye basanza misato.
3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ i Neily ny fiara.
Lokola amonaki ete akokoka lisusu te kobomba ye, azwaki kitunga moko basala na poso ya nzete oyo babengaka papirisi, apakolaki yango gudron mpe potopoto ya mwindo; bongo atiaki mwana kati na yango. Sima, atiaki kitunga yango kati na matiti ya ebale Nili, pembeni ya mokili.
4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
Ndeko mwasi ya mwana yango atelemaki mosika mpo na kotala likambo oyo ekokaki kokomela ye.
5 Ary nidina ny zanakavavin’ i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’ i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’ i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
Tango mwana mwasi ya Faraon akendeki kosukola na ebale Nili, wana basi basali na ye bazalaki kotambola pembeni ya ebale Nili, amonaki kitunga kati na matiti ya ebale; mpe atindaki mwasi mosali na ye kozwa yango.
6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ ny zanaky ny Hebreo ity.
Afungolaki yango mpe amonaki kati na yango mwana moko ya mobali azali kolela. Ayokelaki ye mawa mpe alobaki: « Oyo azali solo mwana ya Ba-Ebre. »
7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ ny zanakavavin’ i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
Boye, ndeko na ye ya mwasi alobaki na mwana mwasi ya Faraon: — Boni, nakoki kokende kolukela yo kati na basi ya Ba-Ebre mwasi oyo akoki komelisa mwana oyo mabele mpo na yo?
8 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ ny zaza.
Mwana mwasi ya Faraon azongiselaki ye: — Iyo, kende! Elenge mwasi akendeki mpe azwaki mama ya mwana mobali yango.
9 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
Mwana mwasi ya Faraon alobaki na mama yango: « Kamata mwana oyo, melisa ye mabele mpo na ngai, mpe nakofuta yo. » Bongo mama yango azwaki mwana mpe akomaki komelisa ye mabele.
10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
Tango mwana akolaki, amemaki ye epai ya mwana mwasi ya Faraon oyo akomisaki ye mwana na ye ya mobali. Apesaki ye kombo « Moyize, » pamba te alobaki: « Nazwaki ye na mayi. »
11 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ ny Hebreo rahalahiny.
Mokolo moko, wana Moyize akomaki mokolo, akendeki na esika oyo bandeko na ye bazalaki mpe amonaki bango kosala misala makasi oyo bapesaki bango mpo na konyokola bango. Amonaki moto moko ya Ejipito kobeta moko kati na bato na ye Ba-Ebre.
12 Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin’ ny fasika ny faty.
Atalaki ngambo na ngambo mpe amonaki moto te; bongo abomaki moto ya Ejipito mpe akundaki ye na zelo.
13 Ary nony ampitson’ iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
Mokolo oyo elandaki, Moyize abimaki mpe amonaki Ba-Ebre mibale bazali kobunda. Atunaki na moto oyo asalaki mabe: — Mpo na nini ozali kobeta moninga na yo?
14 Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’ olona izany!
Moto wana azongisaki: — Boni, nani akomisi yo mokonzi mpe mosambisi kati na biso? Olingi koboma ngai ndenge obomaki moto ya Ejipito? Moyize abangaki mpe amilobelaki: « Solo, likambo oyo nasalaki, esili koyeba. »
15 Ary rehefa ren’ i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’ i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’ i Farao ka nonina tany amin’ ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ ny lavaka fantsakana izy.
Tango Faraon ayokaki likambo yango, alukaki nzela ya koboma Moyize; kasi Moyize akimaki liboso ya Faraon mpe akendeki kovanda na mokili ya Madiani.
16 Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’ osin-drainy.
Moyize avandaki pembeni ya libulu ya mayi. Nzokande, Nganga-Nzambe ya Madiani azalaki na bana basi sambo. Bayaki kotoka mayi mpe batondisaki bimelelo mpo ete bamelisa bibwele ya tata na bango.
17 Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman’ osiny.
Kasi babateli bibwele bayaki mpe babenganaki bango. Moyize atelemaki, akotelaki bango mpe amelisaki bibwele na bango mayi.
18 Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
Tango bana basi bazongaki epai ya tata na bango Reweli, atunaki bango: — Mpo na nini lelo bozongi noki?
19 Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman’ osy.
Bango bazongisaki: — Moto moko ya Ejipito abundelaki biso liboso ya babateli bibwele, atokelaki biso mayi mpe amelisaki bibwele.
20 Ary hoy izy tamin’ ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
Reweli atunaki bana na ye ya basi: — Moto yango ya Ejipito azali wapi? Mpo na nini botiki ye kuna? Bobenga ye mpo ete aya kolia.
21 Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
Moyize andimaki kovanda elongo na Reweli; bongo Reweli apesaki Sefora, mwana na ye ya mwasi, mpo ete azala mwasi ya Moyize.
22 Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho.
Sefora abotaki mwana mobali mpe Moyize apesaki ye kombo « Gerishomi, » pamba te alobaki: « Nazali mopaya na mboka mopaya. »
23 Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Sima na tango molayi, mokonzi ya Ejipito akufaki. Bato ya Isalaele bazalaki kolela mpe koganga na se ya pasi ya bowumbu. Bongo koganga na bango ekomaki kino epai ya Nzambe.
24 Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Nzambe ayokaki koganga na bango mpe akanisaki boyokani na Ye oyo asalaki elongo na Abrayami, Izaki mpe Jakobi.
25 Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’ Isiraely ka nahafantatra azy.
Nzambe atalaki bana ya Isalaele mpe asosolaki pasi na bango.