< Eksodosy 19 >

1 Tamin’ ny volana fahatelo taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta, dia tamin’ izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’ i Sinay.
Trešā mēnesī pēc Israēla bērnu iziešanas no Ēģiptes zemes, tanī laikā tie nonāca Sinaī tuksnesī.
2 Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ ny efitr’ i Sinay, dia nitoby teo amin’ ny efitra; dia tandrifin’ ny tendrombohitra no nitobian’ ny Isiraely teo.
Jo tie izgāja no Refidim un nonāca Sinaī tuksnesī un apmeta lēģeri tuksnesī; tur Israēls apmeta lēģeri pret to kalnu.
3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
Un Mozus uzkāpa pie Dieva, un Tas Kungs sauca uz viņu no tā kalna un sacīja: tā tev būs sacīt uz Jēkaba namu un pasludināt Israēla bērniem:
4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
Jūs esat redzējuši, ko Es ēģiptiešiem esmu darījis, ka Es jūs nesu uz ērgļu spārniem un jūs pie Sevis vedu.
5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Un nu, ja jūs klausīsiet Manu balsi un turēsiet Manu derību, tad jūs no visām tautām būsiet Mans īpašums, jo Man pieder visa pasaule.
6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Un jūs Man būsiet priesteru ķēniņa valstība un svēta tauta. Šie ir tie vārdi, ko tev būs runāt uz Israēla bērniem.
7 Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’ i Jehovah azy.
Un Mozus nāca un sasauca ļaužu vecajus un lika viņiem priekšā visus šos vārdus, ko Tas Kungs viņam bija pavēlējis.
8 Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
Tad visi ļaudis kopā atbildēja un sacīja: visu, ko Tas Kungs ir runājis, to mēs darīsim. Un Mozus nesa to ļaužu vārdus atkal pie Tā Kunga.
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.
Tad Tas Kungs sacīja uz Mozu: redzi, Es nākšu pie tevis biezā padebesī, ka tie ļaudis dzird, Mani ar tevi runājam, un ka tie arī tev tic mūžam. Un Mozus teica Tam Kungam to ļaužu vārdus.
10 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Un Tas Kungs sacīja uz Mozu: ej pie tiem ļaudīm un svētī tos šodien un rītu, un lai tie mazgā savas drēbes.
11 ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
Un lai tie ir gatavi uz trešo dienu; jo trešā dienā Tas Kungs nolaidīsies priekš visu ļaužu acīm uz Sinaī kalnu.
12 Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
Un tev būs taisīt sētu ap tiem ļaudīm un sacīt: sargājaties, ka nekāpjat uz to kalnu un neaizskarat viņa galu; ikviens, kas to kalnu aizskars, tas mirdams mirs.
13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ ny tendrombohitra izy.
Nevienai rokai to nebūs aizskart, bet tam tik tiešām ar akmeņiem būs tapt nomētātam vai nošautam; vai tas ir lops, vai cilvēks, tam nebūs dzīvot. Kad taure atskanēs, tad tiem būs kāpt uz to kalnu.
14 Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Tad Mozus nonāca no tā kalna pie tiem ļaudīm. Un viņš svētīja tos ļaudis, un tie mazgāja savas drēbes.
15 Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
Un viņš sacīja uz tiem ļaudīm: esiet gatavi uz trešo dienu, neaiztiekat sievas.
16 Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Un notika trešā dienā, kad gaisma ausa, tad bija pērkoni un zibeņi un biezs padebesis virs tā kalna un varen stipras bazūnes skaņa, tā ka visi ļaudis iztrūcinājās, kas bija lēģerī.
17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.
Un Mozus tos ļaudis izveda no lēģera Dievam pretī, un tie nostājās apakšā pie tā kalna.
18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
Un Sinaī kalns kūpeja, tāpēc ka Tas Kungs nonāca ar uguni, un viņa dūmi cēlās tā kā krāsns dūmi, un viss kalns trīcēja ļoti.
19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
Un bazūnes skaņa palika jo stipra, un Mozus runāja, un Dievs tam atbildēja caur vienu balsi.
20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’ i Mosesy hankeo an-tampon’ ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
Kad nu Tas Kungs bija nonācis uz Sinaī kalnu, uz kalna galu, tad Tas Kungs sauca Mozu uz kalna galu, un Mozus kāpa augšām.
21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
Un Tas Kungs sacīja uz Mozu: nokāp un piekodini tiem ļaudīm, lai tie cauri nelaužas redzēt To Kungu, ka daudzi no tiem nekrīt.
22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’ i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
Un tiem priesteriem, kas nāk pie Tā Kunga, būs svētīties, ka Tas Kungs tos nesatriec.
23 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
Tad Mozus sacīja uz To Kungu: tie ļaudis nevar kāpt uz Sinaī kalnu, jo Tu mums esi piekodinājis sacīdams: dari sētu ap to kalnu un svētī to.
24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.
Tad Tas Kungs uz to sacīja: ej, kāp zemē. Tad tev un Āronam līdz ar tevi būs kāpt augšām, bet tiem priesteriem un tiem ļaudīm nebūs cauri lauzties uzkāpt pie Tā Kunga, ka Viņš tos nesatriec.
25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ ny olona ka niteny taminy.
Tad Mozus nokāpa pie tiem ļaudīm un tiem to sacīja.

< Eksodosy 19 >