< Eksodosy 16 >

1 Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa taorian’ ny nialany tany amin’ ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nankany amin’ ny efitra Sina, izay eo anelanelan’ i Elima sy Sinay.
Y partieron de Elim, y todos los hijos de Israel llegaron al desierto de Sin, que está entre Elim y Sinaí, a los quince días del segundo mes después que salieron de la tierra de Egipto.
2 Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra,
Y todos los hijos de Israel murmuraron contra Moisés y Aarón en él desierto;
3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ ny tànan’ i Jehovah tany amin’ ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
Y los hijos de Israel les dijeron: Hubiera sido mejor que el Señor nos hubiera dado muerte en la tierra de Egipto, donde estábamos sentados junto a las ollas de carne y teníamos suficiente pan para nuestras necesidades; porque nos has llevado al desierto, para matar a toda esta gente por necesidad de comida.
4 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Entonces el SEÑOR dijo a Moisés: Mira, yo enviaré pan del cielo para ti; y la gente saldrá todos los días y recibirá lo suficiente para las necesidades del día; para que pueda ponerlos a prueba para ver si cumplen mis leyes o no.
5 Ary raha mby amin’ ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan’ andro.
Y al sexto día deben preparar lo que reciben, y será el doble de lo que obtienen en los otros días.
6 Ary hoy Mosesy sy Arona tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
Entonces Moisés y Aarón dijeron a todos los hijos de Israel: Esta noche les será claro que él Señor es el que los sacó de la tierra de Egipto.
7 ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr’ i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’ i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
Y a la mañana verás la gloria del Señor; porque sus palabras de ira contra él Señor han llegado a sus oídos; ¿y qué somos nosotros para que murmuren contra nosotros?
8 Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen’ i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren’ i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
Y dijo Moisés: él Señor les dará la carne por su comida en la tarde, y en la mañana el pan en toda su medida; porque sus murmuraciones contra el Señor ha llegado a sus oídos, porque ¿qué somos? tus murmuraciones no es contra nosotros, sino contra el Señor.
9 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Lazao amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan’ i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
Y Moisés dijo a Aarón: Di a todo el pueblo de Israel: Acércence delante del Señor, porque él ha oído tu clamor.
10 Ary raha Arona mbola niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny rahona.
Y mientras Aarón hablaba a los hijos de Israel, sus ojos se volvieron en dirección al desierto, y vieron la gloria del Señor que brillaba en la nube.
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Y él Señor dijo a Moisés:
12 Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
La quejas de los hijos de Israel ha llegado a mis oídos: diles ahora: al anochecer comerán carne, y en la mañana harán pan en toda su medida; y verán que yo soy el Señor su Dios.
13 Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
Y sucedió que al anochecer vinieron codornices el lugar estaba cubierto de ellos; y por la mañana había rocío alrededor de las tiendas.
14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ ny tany.
Y cuando el rocío se fue, en la faz de la tierra había una pequeña cosa redonda, como pequeñas gotas de hielo en la tierra.
15 Ary rehefa hitan’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’ i Jehovah ho fihinanareo.
Cuando lo vieron los hijos de Israel, se dijeron unos a otros: ¿Qué es eso? porque no tenían idea de lo que era. Y Moisés les dijo: Es el pan que él Señor les ha dado para su alimento.
16 Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ ny vata omera avy ho amin’ ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an’ izay ao an-dainy avy.
Esto es lo que el Señor ha dicho: cada uno tome todo lo que necesite; a razón de un omer por cada persona, permita que cada hombre tome tanto como sea necesario para su familia.
17 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
Y lo hicieron los hijos de Israel, y algunos tomaron más y menos.
18 Ary raha nafatrany tamin’ ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
Y cuando se midió, el que había tomado mucho no tenía nada, y el que tenía poco, tenía suficiente; cada hombre había tomado lo que pudo usar.
19 Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
Y Moisés les dijo: No se guarden nada hasta la mañana.
20 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’ i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin’ ny olona Mosesy.
Pero no prestaron atención a Moisés, y algunos lo guardaron hasta la mañana, y había en él gusanos, y tenía un olor maligno; y Moisés estaba enojado con ellos.
21 Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
Y lo levantaron cada mañana, cada uno como lo necesitó; y cuando el sol estaba alto, se había ido.
22 Ary nony tamin’ ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan’ andro ny olona, dia indroan’ ny vata omera ho an’ ny isan-olona avy; dia avy ny lohan’ ny fiangonana ka nanambara tamin’ i Mosesy.
Y al sexto día tomaron el doble del pan, por cada persona; y todos los príncipes del pueblo dieron aviso a Moisés de ello.
23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masìna ho an’ i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
Y él dijo: Así dijo el Señor: Mañana es día de reposo, sábado santo para él Señor; lo que tiene que hornear se puede cocinar; y lo que se pueda hervir, hervir; lo que sobra, ponlo de un lado para guardarlo hasta la mañana.
24 Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian’ i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
Y lo guardaron hasta la mañana como Moisés había dicho; y no había olor en él, y no tenía gusanos.
25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’ i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
Y Moisés dijo: Haz hoy tu comida de lo que tienes, porque este día es día de reposo para él Señor; hoy no tendrás ninguno en el campo.
26 Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin’ izany.
Durante seis días lo obtendrás, pero en el séptimo día, el sábado, no habrá ninguno.
27 Ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
Pero todavía en el séptimo día algunas personas salieron a buscarlo, y no hubo ninguno.
28 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
Y él Señor dijo a Moisés: ¿Hasta cuándo vas a ir contra mis órdenes y mis leyes?
29 Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ ny fitoerany amin’ ny andro fahafito.
Mira, porque el Señor te ha dado el sábado, él te da en el sexto día pan lo suficiente por dos días; que cada hombre se quede donde está; que ningún hombre salga de su lugar el séptimo día.
30 Dia nitsahatra ny olona tamin’ ny andro fahafito.
Entonces la gente descansó en el séptimo día.
31 Ary ny anarany dia nataon’ ny taranak’ Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
Y este pan fue llamado maná por Israel: era blanco, como una semilla de grano, y su sabor era como pasteles hechos con miel.
32 Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Analao eran’ ny vata omera izy hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Aho.
Y Moisés dijo: Este es el mandato que el SEÑOR ha dado: Dejad uno o todo eso guardado para las generaciones futuras, para que vean el pan que yo te di para tu alimento en la tierra desechada, cuando te saqué. de la tierra de Egipto.
33 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran’ ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan’ i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
Y Moisés dijo a Aarón: Toma una vasija, y pon en ella uno de ellos, y ponla delante de él Señor, para que la guardes para las generaciones futuras.
34 Ary araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nametrahan’ i Arona izany teo anatrehan’ ny Vavolombelona mba hotehirizina.
Así que Aarón lo guardó delante del cofre santo para que lo guardará, tal como el Señor le había ordenado a Moisés.
35 Ary ny Zanak’ Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin’ izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ ny sisin’ ny tany Kanana.
Y los hijos de Israel tuvieron maná por su comida durante cuarenta años, hasta que llegaron a una tierra con gente en ella, hasta que llegaron a la orilla de la tierra de Canaán.
36 Ary ny omera dia ampahalofon’ ny vata efaha.
Ahora un omer es la décima parte de un efah.

< Eksodosy 16 >