< Eksodosy 16 >

1 Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa taorian’ ny nialany tany amin’ ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nankany amin’ ny efitra Sina, izay eo anelanelan’ i Elima sy Sinay.
Dukan taron Isra’ila suka tashi daga Elim suka zo hamadar Sin, wadda take tsakanin Elim da Sinai, a rana ta goma sha biyar ga wata biyu, bayan sun fito daga Masar.
2 Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra,
A hamadan, dukan taro suka yi gunaguni a kan Musa da Haruna.
3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ ny tànan’ i Jehovah tany amin’ ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
Isra’ilawa suka ce musu, “Da ma a hannun Ubangiji ne muka mutu a Masar, inda muka zauna kewaye da tukwanen nama, muna cin duk abincin da muke so, amma kun kawo mu cikin wannan hamada don ku kashe dukan wannan taro da yunwa.”
4 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Sai Ubangiji ya ce wa Musa, “Zan zubo muku burodi kamar ruwa daga sama. Mutanen za su fita kowace rana su tattara abin da zai ishe su na ranan. Ta haka zan gwada su in ga ko za su bi umarnaina.
5 Ary raha mby amin’ ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan’ andro.
A rana ta shida za su shirya abin da suka kwaso, wannan kuwa zai zama ninki biyu na abin da sukan tattara na sauran ranaku.”
6 Ary hoy Mosesy sy Arona tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
Saboda haka Musa da Haruna suka ce wa dukan Isra’ila, “Da yamma za ku sani Ubangiji ne ya fitar da ku daga Masar.
7 ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr’ i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’ i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
Da safe za ku ga ɗaukakar Ubangiji, saboda ya ji gunaguninku a kansa. Wane mu, da za ku yi gunaguni a kanmu?”
8 Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen’ i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren’ i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
Musa ya kuma ce, “Za ku san cewa shi ne Ubangiji, sa’ad da ya ba ku nama ku ci da yamma, da kuma duk burodin da kuke so da safe, saboda ya ji gunagunin da kuka yi a kansa. Namu a wane? Ai, gunaguninku ba a kanmu ba, amma a kan Ubangiji ne.”
9 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Lazao amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan’ i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
Sai Musa ya ce wa Haruna, “Ka faɗa wa dukan taron Isra’ila, ‘Ku zo gaban Ubangiji, gama ya ji gunaguninku.’”
10 Ary raha Arona mbola niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny rahona.
Yayinda Haruna yake magana da dukan taron Isra’ila, sai suka duba wajen hamada, sai ga ɗaukakar Ubangiji tana bayyana a girgije.
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
12 Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
“Na ji gunagunin Isra’ilawa. Ka faɗa musu, ‘A tsakanin fāɗuwar rana da almuru, za ku ci nama, da safe kuma za ku ƙoshi da burodi. Sa’an nan za ku sani ni ne Ubangiji Allahnku.’”
13 Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
Da yamman wannan rana, sai makware suka rufe dukan sansani, da safe kuma sai ga raɓa ta kewaye sansani.
14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ ny tany.
Lokacin da raɓar ta watse, sai ga wani abu kamar tsaki, falle-falle kuma da laushi, fari, kamar hazo, a ƙasa.
15 Ary rehefa hitan’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’ i Jehovah ho fihinanareo.
Sa’ad da Isra’ilawa suka ga wannan, sai suka ce wa junansu, “Mene ne wannan?” Gama ba su san ko mene ne ba. Musa ya ce musu, “Wannan shi ne burodin da Ubangiji ya ba ku ku ci.
16 Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ ny vata omera avy ho amin’ ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an’ izay ao an-dainy avy.
Wannan shi ne abin da Ubangiji ya umarta, ‘Kowane mutum zai tattara bisa ga bukatarsa. Ku tara rabin gallon don mutum guda da yake cikin tentinku.’”
17 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
Isra’ilawa suka yi kamar yadda aka faɗa musu, waɗansu suka tattara da yawa, waɗansu kuma kaɗan.
18 Ary raha nafatrany tamin’ ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
Da suka gwada a mudu, wanda ya tattara da yawa bai sami mafi yawa ba, wanda kuma ya tattara kaɗan bai sami ƙanƙani ba. Kowane mutum ya tattara daidai bukatarsa.
19 Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
Sa’an nan Musa ya ce musu, “Kada wani yă bar saura har safe.”
20 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’ i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin’ ny olona Mosesy.
Duk da haka waɗansu ba su kula da umarnin Musa ba, suka bar saura har safe, kashegari kuwa ta yi tsutsotsi, ta ruɓe, sai Musa ya yi fushi da su.
21 Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
Kowace safiya, kowanne mutum yakan tattara daidai bukatarsa, lokacin da rana ta yi zafi, sai ta narke.
22 Ary nony tamin’ ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan’ andro ny olona, dia indroan’ ny vata omera ho an’ ny isan-olona avy; dia avy ny lohan’ ny fiangonana ka nanambara tamin’ i Mosesy.
A rana ta shida, suka tattara ninki biyu, mudu biyu ga mutum guda, sai shugabannin taron suka zo suka kawo ƙara wurin Musa.
23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masìna ho an’ i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
Shi kuma ya ce musu, “Wannan shi ne umarnin Ubangiji, ‘Gobe za tă zama ranar hutu, Asabbaci mai tsarki ga Ubangiji. Domin haka sai ku toya abin da kuke so ku toya, ku kuma dafa abin da kuke so ku dafa. Abin da ya rage ku ajiye har safe.’”
24 Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian’ i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
Sai suka bar saura har safe, kamar yadda Musa ya umarta, bai kuwa yi wari ko yă yi tsutsa ba.
25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’ i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
Musa ya ce, “Ku ci shi yau, saboda yau Asabbaci ne na Ubangiji. Ba za ku same shi a ƙasa a yau ba.
26 Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin’ izany.
Kwana shida za ku tattara shi, amma a rana ta bakwai, Asabbaci, ba za a same shi ba.”
27 Ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
Duk da haka waɗansu mutane suka fita a ranar Asabbaci don su tattara, amma ba su sami kome ba.
28 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
Sai Ubangiji ya ce wa Musa, “Har yaushe za ku ƙi bin dokokina da umarnaina?
29 Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ ny fitoerany amin’ ny andro fahafito.
Ku lura fa, ai, Ubangiji ne ya ba ku Asabbaci; shi ya sa a kan ba ku burodi na kwana biyu, a rana ta shida. Kowa ya kamata yă kasance inda yake a rana ta bakwai; kada kowa yă fita.”
30 Dia nitsahatra ny olona tamin’ ny andro fahafito.
Sai mutanen suka huta a rana ta bakwai.
31 Ary ny anarany dia nataon’ ny taranak’ Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
Mutanen Isra’ila suka kira burodin Manna. Manna yana nan fari kamar farin riɗi, ɗanɗanonsa kuma yana kama da masa da aka yi da zuma.
32 Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Analao eran’ ny vata omera izy hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Aho.
Musa ya ce, “Wannan shi ne abin da Ubangiji ya umarta, ‘Ku auna mudu guda na Manna, a adana ta dukan zamananku, domin kowane zamani yă ga irin abincin da na ba ku ku ci a hamada, yayinda na fitar da ku daga Masar.’”
33 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran’ ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan’ i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
Saboda haka Musa ya ce wa Haruna, “Ka ɗauki tulu, ka sa mudu guda na Manna a ciki. Sa’an nan ka sa shi a gaban Ubangiji, don a adana don tsararraki masu zuwa.”
34 Ary araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nametrahan’ i Arona izany teo anatrehan’ ny Vavolombelona mba hotehirizina.
Sai Haruna ya ajiye Mannar a gaban Akwatin Alkawari, don a adana ta kamar yadda Ubangiji ya umarci Musa.
35 Ary ny Zanak’ Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin’ izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ ny sisin’ ny tany Kanana.
Isra’ilawa suka yi shekaru arba’in suna cin Manna, har sai da suka shiga cikin ƙasar da take da mutane, suka ci Manna har zuwa kan iyakar ƙasar Kan’ana.
36 Ary ny omera dia ampahalofon’ ny vata efaha.
(Omer guda, daidai ne da kashi ɗaya bisa goma na Efa.)

< Eksodosy 16 >