< Eksodosy 14 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
2 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’ i Pi-hahirota, eo anelanelan’ i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin’ i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ ny ranomasina.
“Ĩra andũ a Isiraeli macooke na thuutha, na mambe hema gũkuhĩ na Pi-Hahirothu, gatagatĩ ka Migidoli na iria. Nĩmambe hema hũgũrũrũ-inĩ cia iria, kũngʼethanĩra na Baali-Zefoni.
3 Ary Farao hilaza ny Zanak’ Isiraely hoe: Azon’ ny tamberintany izy ka voahidin’ ny efitra.
Firaũni nĩageciiria atĩrĩ, ‘andũ a Isiraeli marĩ na kĩrigiicano no kũũrũũra marorũũra bũrũri-inĩ, mahingĩrĩirio nĩ werũ.’
4 Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
Na nĩngomia ngoro ya Firaũni, nake nĩakamaingatithia. No niĩ mwene nĩngegĩĩra na riiri nĩ ũndũ wa Firaũni na mbũtũ yake yothe ya ita, nao andũ a Misiri nĩmakamenya atĩ niĩ nĩ niĩ Jehova.” Nĩ ũndũ ũcio andũ a Isiraeli magĩĩka o ũguo merĩtwo.
5 Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika?
Rĩrĩa mũthamaki wa bũrũri wa Misiri eerirwo atĩ andũ acio nĩmorĩte-rĩ, Firaũni na anene ake makĩĩricũkwo ũhoro ũcio, magĩkiuga atĩrĩ, “Hĩ! Tweka atĩa? Twarekereria andũ a Isiraeli mathiĩ na ithuĩ tuorĩrwo nĩ ũtungata wao?”
6 Dia nasainy nofehezina tamin’ ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
Nĩ ũndũ ũcio akiuga ngaari yake ya ita ĩhaarĩrio, na agĩthiĩ na mbũtũ yake ya ita.
7 Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
Agĩthiĩ na ngaari cia ita 600 iria njega mũno, o hamwe na ngaari cia ita iria ingĩ ciothe cia bũrũri wa Misiri, ciothe irũgamĩrĩirwo nĩ anene.
8 Ary Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’ Isiraely izy, na dia tamin’ ny tanana avo aza no nivoahany.
Jehova akĩũmia ngoro ya Firaũni mũthamaki wa bũrũri wa Misiri, na nĩ ũndũ ũcio akĩrũmĩrĩra andũ a Isiraeli na ihenya arĩa moimagarĩte makinyũkĩtie na ũcamba.
9 Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’ i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ ny ranomasina, teo anilan’ i Pi-hahirota, tandrifin’ i Balazefona.
Andũ a Misiri, hamwe na mbarathi ciothe cia Firaũni na ngaari cia ita, na andũ arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi, na thigari, makĩrũmĩrĩra andũ a Isiraeli na ihenya makĩmakinyĩra harĩa maambĩte hema rũteere-inĩ rwa iria, hakuhĩ na Pi-Hahirothu kũngʼethera Baali-Zefoni.
10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah.
Firaũni akuhĩrĩria-rĩ, andũ a Isiraeli makĩĩhũgũra, makĩona andũ a Misiri mamoimĩte thuutha makĩmaka mũno, magĩkaĩra Jehova.
11 Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
Makĩĩra Musa atĩrĩ, “Nĩ mbĩrĩra gũtaarĩ bũrũri wa Misiri, nĩguo ũtũrehe tũkuĩre gũkũ werũ-inĩ? Nĩ atĩa ũũ ũtwĩkĩte ũgatũruta bũrũri wa Misiri?
12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
Githĩ tũtiakwĩrire tũrĩ o bũrũri wa Misiri atĩ ũtigane na ithuĩ, ũreke tũtungatĩre andũ a bũrũri wa Misiri? Kũngĩarĩ wega tũtungatĩre andũ a Misiri kũrĩ gũkuĩra werũ-inĩ!”
13 Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Musa agĩcookeria andũ acio atĩrĩ, “Tigai gwĩtigĩra. Mwĩhaandei wega, na nĩmũkuona ũhonokio ũrĩa Jehova ekũmũrehere ũmũthĩ. Andũ a Misiri aya mũrona ũmũthĩ, mũtikamona rĩngĩ.
14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Jehova nĩekũmũrũĩrĩra, mũbatie o gũikara mũhooreire.”
15 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Ũrangaĩra nĩkĩ? Ĩra andũ a Isiraeli mathiĩ na mbere.
16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
Oya rũthanju rwaku, na ũtambũrũkie guoko igũrũ wa iria ũgayanie maaĩ nĩgeetha andũ a Isiraeli matuĩkanĩrie iria-inĩ, mathiĩrĩire thĩ nyũmũ.
17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
Nĩngũũmia ngoro cia andũ a Misiri nĩgeetha o nao mamarũmĩrĩre. Na nĩngegĩĩra riiri nĩ ũndũ wa Firaũni na mbũtũ yake ya ita, o na nĩ ũndũ wa ngaari ciake cia ita, o na andũ ake arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi.
18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
Nao andũ a Misiri nĩmakamenya atĩ niĩ nĩ niĩ Jehova hĩndĩ ĩyo ngegĩĩra riiri nĩ ũndũ wa Firaũni, na ngaari ciake cia ita na andũ ake arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi.”
19 Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Hĩndĩ ĩyo mũraika wa Ngai ũrĩa wathiiaga atongoretie mbũtũ ya thigari cia Isiraeli, akĩehera agĩcooka thuutha wao. Gĩtugĩ gĩa itu nakĩo gĩkiuma hau mbere, gĩkĩrũgama thuutha wao,
20 ka tonga teo anelanelan’ ny tobin’ ny Egyptiana sy ny tobin’ ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
gĩkĩgĩa gatagatĩ ga thigari cia Misiri na cia Isiraeli. Ũtukũ wothe itu rĩu rĩgĩĩkĩra nduma mwena ũmwe, na ũtheri mwena ũrĩa ũngĩ; nĩ ũndũ ũcio gũtirĩ andũ makuhĩrĩirie arĩa angĩ ũtukũ wothe.
21 Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Ningĩ Musa agĩtambũrũkia guoko igũrũ wa iria, na ũtukũ wothe Jehova agĩtindĩka iria na thuutha na ũndũ wa rũhuho rwa kuuma mwena wa irathĩro, na agĩtũma hau hatuĩke thĩ nyũmũ. Maaĩ macio makĩgayũkana,
22 Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
nao andũ a Isiraeli makĩringa iria mahĩtũkĩire thĩ nyũmũ, maaĩ marũgamĩte mwena wao wa ũrĩo na wa ũmotho.
23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Nao andũ a Misiri makĩmarũmĩrĩra na ihenya, nacio mbarathi ciothe cia Firaũni na ngaari cia ita, na andũ arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi makĩmarũmĩrĩra nginya iria-inĩ.
24 Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana.
Rũciinĩ ruoro rũgĩtema-rĩ, Jehova agĩcũthĩrĩria mbũtũ ya ita ya andũ a Misiri arĩ gĩtugĩ-inĩ kĩa mwaki na gĩa itu, nake akĩmĩrigiica.
25 Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.
Agĩtũma magũrũ ma ngaari ciao cia ita macomoke nĩgeetha makorwo na thĩĩna wa gũcitwarithia. Nao andũ a Misiri makiuga atĩrĩ, “Nĩtũũrei twehere harĩ andũ aya a Isiraeli! Jehova nĩwe ũramarũĩrĩra kũrĩ andũ a Misiri.”
26 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Tambũrũkia guoko igũrũ wa iria nĩgeetha maaĩ macooke mahubanĩrie andũ a Misiri na ngaari ciao cia ita, na andũ arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi.”
27 Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana.
Musa agĩtambũrũkia guoko gwake igũrũ wa iria, na gũgĩkĩa-rĩ, iria rĩgĩcooka gũtherera o ta mbere. Nao andũ a Misiri makĩgeria kũrĩũrĩra, no Jehova akĩmahubanĩria iria-inĩ thĩinĩ.
28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’ i Farao rehetra izay niditra teo amin’ ny ranomasina nanenjika ny Zanak’ Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Maaĩ magĩcookana, magĩthika ngaari cia ita na andũ arĩa mathiiaga mahaicĩte mbarathi; nĩo mbũtũ yothe ya Firaũni ĩrĩa yarũmĩrĩire andũ a Isiraeli iria-inĩ. Gũtirĩ o na ũmwe wao wahonokire.
29 Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
No andũ a Isiraeli maaringire iria magereire njĩra nyũmũ, rũthingo rwa maaĩ rũrũgamĩte mwena wao wa ũrĩo na wa ũmotho.
30 Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
Mũthenya ũcio Jehova akĩhonokia Isiraeli kuuma moko-inĩ ma andũ a Misiri, nao andũ a Isiraeli makĩĩonera ciimba cia andũ a Misiri kũu hũgũrũrũ-inĩ cia iria.
31 Ary rehefa hitan’ ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny Egyptiana, dia natahotra an’ i Jehovah ny olona ka nino an’ i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
Na rĩrĩa andũ a Isiraeli moonire hinya mũnene ũrĩa Jehova onirie andũ a Misiri-rĩ, andũ acio magĩĩtigĩra Jehova na makĩmwĩhoka o na makĩĩhoka Musa ndungata yake.

< Eksodosy 14 >