< Eksodosy 14 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord said to Moses,
2 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’ i Pi-hahirota, eo anelanelan’ i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin’ i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ ny ranomasina.
Give orders to the children of Israel to go back and put up their tents before Pi-hahiroth, between Migdol and the sea, in front of Baal-zephon, opposite to which you are to put up your tents by the sea.
3 Ary Farao hilaza ny Zanak’ Isiraely hoe: Azon’ ny tamberintany izy ka voahidin’ ny efitra.
And Pharaoh will say of the children of Israel, They are wandering without direction, they are shut in by the waste land.
4 Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
And I will make Pharaoh's heart hard, and he will come after them and I will be honoured over Pharaoh and all his army, so that the Egyptians may see that I am the Lord. And they did so.
5 Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika?
And word came to Pharaoh of the flight of the people: and the feeling of Pharaoh and of his servants about the people was changed, and they said, Why have we let Israel go, so that they will do no more work for us?
6 Dia nasainy nofehezina tamin’ ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
So he had his war-carriage made ready and took his people with him:
7 Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
And he took six hundred carriages, all the carriages of Egypt, and captains over all of them.
8 Ary Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’ Isiraely izy, na dia tamin’ ny tanana avo aza no nivoahany.
And the Lord made the heart of Pharaoh hard, and he went after the children of Israel: for the children of Israel had gone out without fear.
9 Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’ i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ ny ranomasina, teo anilan’ i Pi-hahirota, tandrifin’ i Balazefona.
But the Egyptians went after them, all the horses and carriages of Pharaoh, and his horsemen, and his army, and overtook them in their tents by the sea, by Pihahiroth, before Baal-zephon.
10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah.
And when Pharaoh came near, the children of Israel, lifting up their eyes, saw the Egyptians coming after them, and were full of fear; and their cry went up to God.
11 Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
And they said to Moses, Was there no resting-place for the dead in Egypt, that you have taken us away to come to our death in the waste land? why have you taken us out of Egypt?
12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
Did we not say to you in Egypt, Let us be as we are, working for the Egyptians? for it is better to be the servants of the Egyptians than to come to our death in the waste land.
13 Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
But Moses said, Keep where you are and have no fear; now you will see the salvation of the Lord which he will give you today; for the Egyptians whom you see today you will never see again.
14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
The Lord will make war for you, you have only to keep quiet.
15 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso.
And the Lord said to Moses, Why are you crying out to me? give the children of Israel the order to go forward.
16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
And let your rod be lifted up and your hand stretched out over the sea, and it will be parted in two; and the children of Israel will go through on dry land.
17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
And I will make the heart of the Egyptians hard, and they will go in after them: and I will be honoured over Pharaoh and over his army, his war-carriages, and his horsemen.
18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
And the Egyptians will see that I am the Lord, when I get honour over Pharaoh and his war-carriages and his horsemen.
19 Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Then the angel of God, who had been before the tents of Israel, took his place at their back; and the pillar of cloud, moving from before them, came to rest at their back:
20 ka tonga teo anelanelan’ ny tobin’ ny Egyptiana sy ny tobin’ ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
And it came between the army of Egypt and the army of Israel; and there was a dark cloud between them, and they went on through the night; but the one army came no nearer to the other all the night.
21 Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
And when Moses' hand was stretched out over the sea, the Lord with a strong east wind made the sea go back all night, and the waters were parted in two and the sea became dry land.
22 Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
And the children of Israel went through the sea on dry land: and the waters were a wall on their right side and on their left.
23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Then the Egyptians went after them into the middle of the sea, all Pharaoh's horses and his war-carriages and his horsemen.
24 Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana.
And in the morning watch, the Lord, looking out on the armies of the Egyptians from the pillar of fire and cloud, sent trouble on the army of the Egyptians;
25 Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.
And made the wheels of their war-carriages stiff, so that they had hard work driving them: so the Egyptians said, Let us go in flight from before the face of Israel, for the Lord is fighting for them against the Egyptians.
26 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
And the Lord said to Moses, Let your hand be stretched out over the sea, and the waters will come back again on the Egyptians, and on their war-carriages and on their horsemen.
27 Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana.
And when Moses' hand was stretched out over the sea, at dawn the sea came flowing back, meeting the Egyptians in their flight, and the Lord sent destruction on the Egyptians in the middle of the sea.
28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’ i Farao rehetra izay niditra teo amin’ ny ranomasina nanenjika ny Zanak’ Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
And the waters came back, covering the war-carriages and the horsemen and all the army of Pharaoh which went after them into the middle of the sea; not one of them was to be seen.
29 Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
But the children of Israel went through the sea walking on dry land, and the waters were a wall on their right side and on their left.
30 Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
So that day the Lord gave Israel salvation from the hands of the Egyptians; and Israel saw the Egyptians dead on the sea's edge.
31 Ary rehefa hitan’ ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny Egyptiana, dia natahotra an’ i Jehovah ny olona ka nino an’ i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
And Israel saw the great work which the Lord had done against the Egyptians, and the fear of the Lord came on the people and they had faith in the Lord and in his servant Moses.