< Eksodosy 12 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona teo amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
و خداوند موسی و هارون را در زمین مصر مخاطب ساخته، گفت:۱
2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
«این ماه برای شما سر ماهها باشد، این اول از ماههای سال برای شماست.۲
3 Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
تمامی جماعت اسرائیل راخطاب کرده، گویید که در دهم این ماه هر یکی ازایشان بره‌ای به حسب خانه های پدران خودبگیرند، یعنی برای هر خانه یک بره.۳
4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ ondry.
و اگر اهل خانه برای بره کم باشند، آنگاه او و همسایه‌اش که مجاور خانه او باشد آن را به حسب شماره نفوس بگیرند، یعنی هر کس موافق خوراکش بره راحساب کند.۴
5 Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy;
بره شما بی‌عیب، نرینه یکساله باشد، از گوسفندان یا از بزها آن را بگیرید.۵
6 ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
و آن را تا چهاردهم این ماه نگاه دارید، و تمامی انجمن جماعت بنی‌اسرائیل آن را در عصر ذبح کنند.۶
7 Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ ny tolam-baravarana roa sy amin’ ny tataom-baravaran’ ny trano izay hihinanany azy.
واز خون آن بگیرند، و آن را بر هر دو قایمه، وسردر خانه که در آن، آن را می‌خورند، بپاشند.۷
8 Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
وگوشتش را در آن شب بخورند. به آتش بریان کرده، با نان فطیر و سبزیهای تلخ آن را بخورند.۸
9 Aza hanina manta na voahandro amin’ ny rano izy, fa atsatsiho amin’ ny afo mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
و از آن هیچ خام نخورید، و نه پخته با آب، بلکه به آتش بریان شده، کله‌اش و پاچه هایش واندرونش را.۹
10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ ny afo.
و چیزی از آن تا صبح نگاه مدارید، و آنچه تا صبح مانده باشد به آتش بسوزانید.۱۰
11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
و آن را بدین طور بخورید: کمر شمابسته، و نعلین بر پایهای شما، و عصا در دست شما، و آن را به تعجیل بخورید، چونکه فصح خداوند است.۱۱
12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
«و در آن شب از زمین مصر عبور خواهم کرد، و همه نخست زادگان زمین مصر را از انسان وبهایم خواهم زد، و بر تمامی خدایان مصر داوری خواهم کرد. من یهوه هستم.۱۲
13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
و آن خون، علامتی برای شما خواهد بود، بر خانه هایی که درآنها می‌باشید، و چون خون را ببینم، از شماخواهم گذشت و هنگامی که زمین مصر را می‌زنم، آن بلا برای هلاک شما بر شما نخواهد آمد.۱۳
14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
وآن روز، شما را برای یادگاری خواهد بود، و درآن، عیدی برای خداوند نگاه دارید، و آن را به قانون ابدی، نسلا بعد نسل عید نگاه دارید.۱۴
15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
هفت روز نان فطیر خورید، در روز اول خمیرمایه را از خانه های خود بیرون کنید، زیرا هر‌که از روز نخستین تا روز هفتمین چیزی خمیرشده بخورد، آن شخص از اسرائیل منقطع گردد.۱۵
16 Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
و در روز اول، محفل مقدس، و در روز هفتم، محفل مقدس برای شما خواهد بود. در آنها هیچ کار کرده نشود جز آنچه هر کس باید بخورد؛ آن فقط در میان شما کرده شود.۱۶
17 Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
پس عید فطیر رانگاه دارید، زیرا که در همان روز لشکرهای شمارا از زمین مصر بیرون آوردم. بنابراین، این‌روز رادر نسلهای خود به فریضه ابدی نگاه دارید.۱۷
18 Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
درماه اول در روز چهاردهم ماه، در شام، نان فطیربخورید، تا شام بیست و یکم ماه.۱۸
19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
هفت روزخمیرمایه در خانه های شما یافت نشود، زیرا هرکه چیزی خمیر شده بخورد، آن شخص ازجماعت اسرائیل منقطع گردد، خواه غریب باشدخواه بومی آن زمین.۱۹
20 Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’ izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
هیچ‌چیز خمیر شده مخورید، در همه مساکن خود فطیر بخورید.»۲۰
21 Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
پس موسی جمیع مشایخ اسرائیل راخوانده، بدیشان گفت: «بروید و بره‌ای برای خودموافق خاندانهای خویش بگیرید، و فصح را ذبح نمایید.۲۱
22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
و دسته‌ای از زوفا گرفته، در خونی که در طشت است فروبرید، و بر سر در و دو قایمه آن، از خونی که در طشت است بزنید، و کسی ازشما از در خانه خود تا صبح بیرون نرود.۲۲
23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
زیراخداوند عبور خواهد کرد تا مصریان را بزند وچون خون را بر سردر و دو قایمه‌اش بیند، هماناخداوند از در گذرد و نگذارد که هلاک کننده به خانه های شما درآید تا شما را بزند.۲۳
24 Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ ny taranakareo mandrakizay.
و این امررا برای خود و پسران خود به فریضه ابدی نگاه دارید.۲۴
25 Ary rehefa tonga any amin’ ny tany izay homen’ i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
و هنگامی که داخل زمینی شدید که خداوند حسب قول خود، آن را به شما خواهدداد. آنگاه این عبادت را مرعی دارید.۲۵
26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
و چون پسران شما به شما گویند که این عبادت شماچیست،۲۶
27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
گویید این قربانی فصح خداوند است، که از خانه های بنی‌اسرائیل در مصر عبور کرد، وقتی که مصریان را زد و خانه های ما را خلاصی داد.» پس قوم به روی درافتاده، سجده کردند.۲۷
28 Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
پس بنی‌اسرائیل رفته، آن را کردند، چنانکه خداوند به موسی و هارون امر فرموده بودهمچنان کردند.۲۸
29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
و واقع شد که در نصف شب، خداوند همه نخست زادگان زمین مصر را، ازنخست زاده فرعون که بر تخت نشسته بود تانخست زاده اسیری که در زندان بود، و همه نخست زاده های بهایم را زد.۲۹
30 Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
و در آن شب فرعون و همه بندگانش وجمیع مصریان برخاستند و نعره عظیمی در مصربرپا شد، زیرا خانه‌ای نبود که در آن میتی نباشد.۳۰
31 Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
و موسی و هارون را در شب طلبیده، گفت: «برخیزید! و از میان قوم من بیرون شوید، هم شماو جمیع بنی‌اسرائیل! و رفته، خداوند را عبادت نمایید، چنانکه گفتید.۳۱
32 Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
گله‌ها و رمه های خود رانیز چنانکه گفتید، برداشته، بروید و مرا نیز برکت دهید.»۳۲
33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
و مصریان نیز بر قوم الحاح نمودند تاایشان را بزودی از زمین روانه کنند، زیرا گفتند ماهمه مرده‌ایم.۳۳
34 Dia nentin’ ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ ny lambany teny an-tsorony.
و قوم، آرد سرشته خود را پیش از آنکه خمیر شود برداشتند، و تغارهای خویش را در رختها بر دوش خود بستند.۳۴
35 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana.
و بنی‌اسرائیل به قول موسی عمل کرده، از مصریان آلات نقره و آلات طلا و رختها خواستند.۳۵
36 Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
وخداوند قوم را در نظر مصریان مکرم ساخت، که هرآنچه خواستند بدیشان دادند. پس مصریان راغارت کردند.۳۶
37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
و بنی‌اسرائیل از رعمسیس به سکوت کوچ کردند، قریب ششصدهزار مردپیاده، سوای اطفال.۳۷
38 Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’ osy sy omby, dia fananana be indrindra.
و گروهی مختلفه بسیار نیزهمراه ایشان بیرون رفتند، و گله‌ها و رمه‌ها ومواشی بسیار سنگین.۳۸
39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
و از آرد سرشته، که ازمصر بیرون آورده بودند، قرصهای فطیر پختند، زیرا خمیر نشده بود، چونکه از مصر رانده شده بودند، و نتوانستند درنگ کنند، و زاد سفر نیزبرای خود مهیا نکرده بودند.۳۹
40 Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
و توقف بنی‌اسرائیل که در مصر کرده بودند، چهارصد وسی سال بود.۴۰
41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
و بعد از انقضای چهار صد وسی سال در همان روز به وقوع پیوست که جمیع لشکرهای خدا از زمین مصر بیرون رفتند.۴۱
42 Alina notandreman’ i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’ i Jehovah ka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely rehetra hatramin’ ny taranany fara mandimby.
این است شبی که برای خداوند باید نگاه داشت، چون ایشان را از زمین مصر بیرون آورد. این همان شب خداوند است که بر جمیع بنی‌اسرائیل نسلابعد نسل واجب است که آن را نگاه دارند.۴۲
43 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
و خداوند به موسی و هارون گفت: «این است فریضه فصح که هیچ بیگانه از آن نخورد.۴۳
44 Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
و اما هر غلام زرخرید، او را ختنه کن و پس آن را بخورد.۴۴
45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
نزیل و مزدور آن را نخورند.۴۵
46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
دریک خانه خورده شود، و چیزی از گوشتش ازخانه بیرون مبر، و استخوانی از آن مشکنید.۴۶
47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
تمامی جماعت بنی‌اسرائیل آن را نگاه بدارند.۴۷
48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
و اگر غریبی نزد تو نزیل شود، و بخواهد فصح را برای خداوند مرعی بدارد، تمامی ذکورانش مختون شوند، و بعد از آن نزدیک آمده، آن را نگاه دارد، و مانند بومی زمین خواهد بود و اما هرنامختون از آن نخورد.۴۸
49 Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
یک قانون خواهد بودبرای اهل وطن و بجهت غریبی که در میان شمانزیل شود.»۴۹
50 Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
پس تمامی بنی‌اسرائیل این راکردند، چنانکه خداوند به موسی و هارون امرفرموده بود، عمل نمودند.۵۰
51 Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
و واقع شد که خداوند در همان روز بنی‌اسرائیل را با لشکرهای ایشان از زمین مصر بیرون آورد.۵۱

< Eksodosy 12 >