< Eksodosy 12 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona teo amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa da Haruna a Masar,
2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
“Wannan wata za tă zama a gare ku wata na farko, wata na fari na shekararku.
3 Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
Ka faɗa wa dukan jama’ar Isra’ila cewa a rana ta goma ga wannan wata, kowane mutum zai ɗauki ɗan rago domin iyalinsa, ɗaya domin kowane gida.
4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ ondry.
In akwai wani gidan da ba za su iya cinye rago guda ɗungum ba, saboda iyalin kima ne, to, sai su haɗa kai da maƙwabtansu, su ɗauki rago guda gwargwadon yawansu, bisa ga abin da mutum guda zai ci.
5 Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy;
Dabbobin da za ku zaɓa, dole su zama bana ɗaya, namiji marar tabo, za ku kuma kamo su daga cikin tumaki ko awaki.
6 ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Za ku turke dabbar har rana ta goma sha huɗu ga wata, wato, sa’ad da dukan taron jama’ar Isra’ila za su yanka ragunansu da yamma.
7 Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ ny tolam-baravarana roa sy amin’ ny tataom-baravaran’ ny trano izay hihinanany azy.
Sa’an nan za su ɗauki jinin, su shafa a gefen da yake saman dogaran ƙofa na gidajen da suke cin naman dabbobin.
8 Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
A wannan dare, za su gasa naman, su ci da ganyaye masu ɗaci, da kuma burodi marar yisti.
9 Aza hanina manta na voahandro amin’ ny rano izy, fa atsatsiho amin’ ny afo mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
Kada ku ci nama ɗanye, ko kuma dafaffe, amma a gasa shi, da kan, da ƙafafun, da kuma kayan cikin.
10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ ny afo.
Kada ku bar kome yă kai gobe, abin da ya kai gobe kuwa, sai ku ƙone shi.
11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
Ga yadda za ku ci shi, ku yi ɗamara, takalma kuwa a ƙafafunku, kuna riƙe da sandunan tafiya a hannunku. Ku ci shi da gaggawa; Bikin Ƙetarewa ne na Ubangiji.
12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
“A wannan dare, zan ratsa Masar, in bugi kowane ɗan fari, na mutum da na dabba, zan kuma hukunta dukan gumakan Masar. Ni ne Ubangiji.
13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Jinin zai zama alama a gare ku, a gidajen da kuke; sa’ad da kuwa na ga jinin, zan ƙetare ku. Ba wata annoba mai hallakarwa da za tă taɓa ku yayinda na bugi Masar.
14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
“Wannan rana za tă zama muku abin tunawa dukan zamananku masu zuwa, za ku kiyaye ta kamar biki ga Ubangiji, dawwammamiyar farilla ce har abada.
15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Kwana bakwai za ku ci burodi marar yisti. A rana ta fari, za ku fid da yisti daga gidajenku gama duk wanda ya ci abu mai yisti daga rana ta fari har zuwa rana ta bakwai, za a fid da shi daga Isra’ila.
16 Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
A rana ta fari, za ku yi taro mai tsarki, haka kuma za ku sāke yi a rana ta bakwai. Kada ku yi aiki a waɗannan ranaku, sai dai ku shirya abinci domin kowa, abin da za ku yi ke nan kawai.
17 Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
“Ku yi Bikin Burodi Marar Yisti domin a wannan rana ce na fitar da ku ɓangare-ɓangare daga Masar. Ku kiyaye wannan rana ta zama muku dawwammamiyar farilla wa tsara masu zuwa.
18 Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
A wata na fari, za ku ci burodi marar yisti daga yammancin ranar goma sha huɗu har zuwa yammancin ranar ashirin da ɗaya.
19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
Kada a sami yisti a gidajenku har kwana bakwai. Kuma duk wanda ya ci wani abu mai yisti, za a fid da shi daga taron jama’ar Isra’ila, ko baƙo ne, ko haifaffen ɗan ƙasa.
20 Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’ izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
Kada ku ci wani abincin da aka yi da yisti. Ko’ina kuka zauna, dole ku ci burodi marar yisti.”
21 Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
Sa’an nan Musa ya kira dukan dattawan Isra’ila ya ce musu, “Ku je da sauri ku zaɓi dabbobin iyalanku, ku yanka ragon Bikin Ƙetarewa.
22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
Ku ɗauki ƙunshin itacen hizzob, ku tsoma cikin jinin da yake a kwano, ku yayyafa wa dogaran ƙofa duka biyu, da bisa kan ƙofar. Kada wani daga cikinku yă fita daga ƙofar gidansa sai da safe.
23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
Sa’ad da Ubangiji yake ratsa ƙasar don yă bugi Masarawa, zai ga jinin a bisa da kuma gefen madogaran ƙofa, zai ƙetare ƙofar, ba zai bar mai hallakawa yă shiga gidajenku, yă buge ku ba.
24 Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ ny taranakareo mandrakizay.
“Ku kiyaye waɗannan dokokin a matsayin dawwammamiyar farilla, da ku da’ya’yanku har abada.
25 Ary rehefa tonga any amin’ ny tany izay homen’ i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
Sa’ad da kuka shiga ƙasar da Ubangiji zai ba ku yadda ya alkawarta, ku kiyaye wannan biki.
26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
Sa’ad da kuma’ya’yanku suka tambaye ku, ‘Mece ce manufar wannan biki?’
27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
Sai ku faɗa musu, ‘Hadaya ce ta Bikin Ƙetarewa ga Ubangiji, domin ya tsallake gidajen Isra’ilawa a Masar, lokacin da ya kashe Masarawa, amma bai taɓa gidajenmu ba.’” Sai mutane suka rusuna, suka yi sujada.
28 Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
Isra’ilawa suka tafi suka yi yadda Ubangiji ya umarci Musa da Haruna.
29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Da tsakar dare, sai Ubangiji ya karkashe dukan’ya’yan fari a ƙasar Masar, tun daga ɗan farin Fir’auna, wato, magājinsa, har zuwa ɗan fari na ɗan sarƙa da yake kurkuku, har da’ya’yan fari na dabbobi.
30 Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
Fir’auna da dukan fadawansa da kuma dukan Masarawa, suka tashi a cikin daren da kuka mai zafi, aka kuma ji kukan a ko’ina a cikin ƙasar Masar, gama ba gidan da ba a yi mutuwa ba.
31 Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
A cikin daren, Fir’auna ya aika a kira Musa da Haruna ya ce, “Ku tashi, ku da jama’arku, ku fita daga cikin jama’ata. Ku tafi, ku bauta wa Ubangiji yadda kuka ce.
32 Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
Ku kwashi garkunanku na tumaki da na awaki, da na shanu, ku yi tafiyarku kamar yadda kuka ce, amma ku sa mini albarka.”
33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
Masarawa suka matsa wa Isra’ilawa su fita daga ƙasarsu da sauri. Gama mutanen Masar sun ce, “Ai, za mu mutu duka, in ba su tafi ba!”
34 Dia nentin’ ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ ny lambany teny an-tsorony.
Sai mutanen suka ɗauki garin da sun kwaɓa ba yisti a ciki, tare da ƙwaryansu na aikin kwaɓan, suka nannaɗe su a mayafansu, suka rataye a kafaɗunsu.
35 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana.
Isra’ilawa kuwa suka yi yadda Musa ya umarce su, suka roƙi Masarawa kayan adonsu na azurfa da na zinariya, da kuma tufafi.
36 Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
Ubangiji kuwa ya sa Isra’ilawa suka yi farin jini a wurin Masarawa, Masarawa kuma suka saki hannu wa mutanen, suka ba su duk abin da suka roƙa; ta haka Isra’ilawa suka washe Masarawa.
37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Isra’ilawa suka kama tafiya daga Rameses zuwa Sukkot. Akwai maza dubu ɗari shida da suke tafiya da ƙafa, ban da mata da yara.
38 Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’ osy sy omby, dia fananana be indrindra.
Waɗansu mutane da yawa da ba Isra’ilawa ba, suka haura tare da su, da garkunan shanu, da na tumaki da awaki.
39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
Suka toya burodi marar yisti da garin da aka kwaɓa wanda suka kawo daga Masar. Garin da aka kwaɓan ba shi da yisti, domin an kore su daga Masar, ba su kuwa sami damar shirya wa kansu abinci ba.
40 Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
Zaman da Isra’ilawa suka yi a Masar, ya kai shekara 430.
41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
A ranar da shekara 430 ɗin nan suka cika, a ran nan ne dukan ɓangare-ɓangare na mutanen Ubangiji suka bar Masar.
42 Alina notandreman’ i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’ i Jehovah ka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely rehetra hatramin’ ny taranany fara mandimby.
Gama Ubangiji ya yi tsaro a wannan dare, domin yă fitar da su daga Masar, a wannan dare, dole dukan Isra’ilawa su yi tsaro, don su girmama Ubangiji, cikin dukan tsararraki masu zuwa.
43 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
Ubangiji ya ce wa Musa da Haruna, “Waɗannan ne ƙa’idodin Bikin Ƙetarewa. “Ba baƙon da zai ci shi.
44 Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
Duk bawan da kuka sayo, yana iya ci, in dai an yi masa kaciya,
45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
amma wanda ba ya zama tare da ku na ɗinɗinɗin, da kuma wanda aka ɗauki hayansa, ba zai ci ba.
46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
“Dole a ci shi a cikin gida ɗaya; kada a kai naman waje. Kada a karya wani daga ƙasusuwansa.
47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
Dole dukan taron jama’ar Isra’ila su yi bikin.
48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
“Baƙon da yake zama tare da ku da yake so yă yi Bikin Ƙetarewar Ubangiji, dole yă yi wa dukan mazan da suke cikin gidansa kaciya; sa’an nan ne zai iya yin abubuwa kamar haifaffen ɗan ƙasa.
49 Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
Wannan za tă zama dawwammamiyar farilla ta shafi ɗan ƙasa da kuma baƙon da yake zama a tsakaninku.”
50 Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
Dukan Isra’ilawa suka yi na’am da shi, suka yi yadda Ubangiji ya umarci Musa da Haruna.
51 Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
A wannan rana, Ubangiji ya fito da Isra’ilawa ɓangare-ɓangare daga Masar.