< Eksodosy 11 >

1 Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
Et dixit Dominus ad Moysen: Adhuc una plaga tangam Pharaonem et Ægyptum, et post hæc dimittet vos, et exire compellet.
2 Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa.
Dices ergo omni plebi ut postulet vir ab amico suo, et mulier a vicina sua, vasa argentea et aurea.
3 Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.
Dabit autem Dominus gratiam populo suo coram Ægyptiis. Fuitque Moyses vir magnus valde in terra Ægypti coram servis Pharaonis et omni populo.
4 Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta,
Et ait: Hæc dicit Dominus: Media nocte egrediar in Ægyptum:
5 dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
et morietur omne primogenitum in terra Ægyptiorum, a primogenito Pharaonis, qui sedet in solio ejus, usque ad primogenitum ancillæ quæ est ad molam, et omnia primogenita jumentorum.
6 Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
Eritque clamor magnus in universa terra Ægypti, qualis nec ante fuit, nec postea futurus est.
7 Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
Apud omnes autem filios Israël non mutiet canis ab homine usque ad pecus: ut sciatis quanto miraculo dividat Dominus Ægyptios et Israël.
8 Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
Descendentque omnes servi tui isti ad me, et adorabunt me, dicentes: Egredere tu, et omnis populus qui subjectus est tibi: post hæc egrediemur.
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
Et exivit a Pharaone iratus nimis. Dixit autem Dominus ad Moysen: Non audiet vos Pharao ut multa signa fiant in terra Ægypti.
10 Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.
Moyses autem et Aaron fecerunt omnia ostenta, quæ scripta sunt, coram Pharaone. Et induravit Dominus cor Pharaonis, nec dimisit filios Israël de terra sua.

< Eksodosy 11 >