< Eksodosy 10 >
1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2 ary mba holazainao ho ren’ ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3 Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4 Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin’ ny taninao rehetra Aho rahampitso;
5 dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6 dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’ izay andro niainany tetỳ ambonin’ ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’ i Farao.
7 Ary hoy ny mpanompon’ i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8 Dia nisy nampiverina an’ i Mosesy sy Arona hankao amin’ i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an’ i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
9 Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman’ osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an’ i Jehovah.
10 Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin’ ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11 Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’ i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan’ i Farao.
12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ ny tany Egypta ny tananao hihavian’ ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ ny tany, dia izay rehetra sisan’ ny havandra.
13 Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
14 Ary ny valala niakatra ho amin’ ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ ny tany Egypta rehetra, na tamin’ ny hazo, na tamin’ ny anana tany an-tsaha.
16 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17 Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18 Dia niala teo amin’ i Farao izy ka nangataka tamin’ i Jehovah.
19 Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22 Dia nahinjitr’ i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ ny tany Egypta rehetra hateloana,
23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’ izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ ny fonenany.
24 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an’ i Jehovah; fa ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25 Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an’ i Jehovah Andriamanitray;
26 ary ny omby aman’ ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an’ i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’ i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28 Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin’ izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
29 Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.