< Estera 1 >

1 Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
И бысть по словесех сих во днех Артаксеркса: сей Артаксеркс от Индии обладаше сто двадесять седмию странами (даже до Ефиопии):
2 dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
во дни же тыя, егда седе на престоле царь Артаксеркс в Сусех граде,
3 tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
в третие лето царства своего, сотвори пир другом и прочым языком, и Персским и Мидским славным, и началным сатрапом,
4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
и по сих, егда показа им богатство царства своего и славу веселия своего, во сто осмьдесят дний.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;
И егда исполнишася дние пира, сотвори царь пиршество языком обретшымся во граде (Сусех) на дний шесть во дворе дому царева,
6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
украшеннем виссонными и зелеиыми завесами, простертыми на ужах виссонных и червленичных, на колцах златых и сребряных, на столпех мраморных и каменных:
7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka, ) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
ложа злата и сребряна, на помосте камене смарагдова, и пиннинска и паринска мрамора, и плащаницы пестротами различными разцвечены, окрест шипцы разсеяни:
8 Ary ny nisotroan’ ny olona dia araka ny tenin’ andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian’ ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan’ ny olona araka izay sitrapony avy.
сосуди злати и сребряни, и чаша анфракса (камене) предложенная, ценою талант тридесять тысящ: вино много и сладко, еже сам царь пияше: питие же сие не по уставленному закону бысть, тако бо восхоте царь и заповеда икономом сотворити волю свою и мужей.
9 Ary Vasty, vadin’ ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an’ ny vehivavy koa tao amin’ ny tranom-panjakana, izay an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
И Астинь царица сотвори пир женам в дому цареве, идеже царь Артаксеркс.
10 Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
В день же седмый развеселився царь, рече Аману и Вазану, и Фарре и Варазу, и Зафолфану и Аватазу и Фараву, седмим евнухом, иже служаху пред царем Артаксерксом,
11 ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
привести (Астинь) царицу пред него, еже воцарити ю и возложити на ню венец царский и показати ю всем началствующым и языком красоту ея, зане прекрасна бе.
12 Fa Vasty, vadin’ ny mpanjaka, nandà ny tenin’ ny mpanjaka nentin’ ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
И не послуша его Астинь царица приити со евнухи.
13 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ ny mpanjaka teo anatrehan’ izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
И опечалися царь, и разгневася, и рече ближним своим: сице рече Астинь: сотворите убо о сем закон и суд.
14 ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin’ i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin’ ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ ny fitoerana aloha teo amin’ ny fanjakana):
И приступиша к нему Аркесей и Сарсофей и Малисеар, началницы Персстии и Мидстии, иже близ царя, первии седящии при цари,
15 Ahoana no hanaovana an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin’ ny tsindranolahy izy?
и возвестиша ему по законом, како подобает сотворити царице Астини, яко не сотвори повеленных от царя чрез евнухи.
16 Dia namaly Memokana teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin’ ny mpanjaka ihany no nanaovan’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin’ ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka;
И рече Мухей ко царю и к боляром: не царя единаго обиде Астинь царица, но и вся князи и началники царевы,
17 fa hiely any amin’ ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’ i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
ибо поведа им словеса царицы, и како противорече царю:
18 Ary na dia amin’ izao andro izao aza ny andriambavin’ i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ ny mpanapaka rehetra voatendrin’ ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
якоже убо противно рече царю Артаксерксу, сице и днесь госпожи жены прочыя князей Персских и Мидских, услышавшя царю реченная от нея, дерзнут такожде безчествовати мужеи своих:
19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
аще убо угодно царю, да повелит царским повелением, и да напишется по законом Мидским и Персским, и инако да не будет, ниже да внидет ктому царица к нему, и царство ея да предаст царь жене лучшей ея:
20 Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
и да будет услышан закон, иже от царя, егоже сотворит во царствии своем, и сице вся жены возложат честь на мужы своя от богата даже до убога.
21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’ i Memokana ny mpanjaka,
И угодно бысть слово пред царем и началники, и сотвори царь, якоже рече ему Мухей,
22 ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
и посла царь книги во все царство по странам по языку их, да будет страх им в жилищих их.

< Estera 1 >