< Estera 9 >
1 Ary tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain’ ny fahavalon’ ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
Sasa katika mwezi wa kumi na mbili, siku ya kumi na tatu ambayo ni siku ya Adari, siku ambayo adui wa Wayahudi walitarajia kutekeleza sheria ya mfalme na kupata nguvu dhidi ya Wayahudi. Badala yake Wayahudi wakapata nguvu dhidi ya adui zao.
2 dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
Wayahudi wote wakakusanyika katika miji yao katika majimbo yote ya Mfalme Ahusiero, kutia mikono juu ya wale waliokusudia ubaya. Hakuna aliye kuwa tayari kusimama zao kwa sababu hofu yao ilikuwa imewaangukia watu wote.
3 Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin’ ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin’ ny mpanao raharahan’ ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon’ ny fahatahorana an’ i Mordekay izy.
Wakuu wote wa majimbo, maakida na magavana, na watawala wa mfalme, waliwasaidia Wayahudi kwa kuwa hofu ya Modekai ilikuwa imewaangukia.
4 Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
Kwa kuwa Modekai alikuwa mkuu katika nyumba ya mfalme, na umaarufu wake ukasambaa katika majimbo yote, kwa kuwa Modekai alikuwa akifanyika mkuu.
5 Ary nasian’ ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’ izay nankahala azy izy.
Wayahudi wakawavamia maadi zao kwa upanga, wakiwatenda vibaya kama walivyokuwa wamekusudiwa mabaya dhidi yao Wakawatenda kama walivyo ona vyema machoni pao.
6 Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
Katika ngome ya mji wa Shushani pekee jumla ya maadui waliouawa na na kuharibiwa na Wayahudi ni wanaume mia tano.
7 ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
Miongoni mwa waliouawa ni pamoja na Parishandatha, Dalphoni, Aspatha,
8 sy Porata sy Adalia sy Aridata
Poratha, Adalia, Aridatha,
9 sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
Parimashita, Arisai, Aridai, Vaizatha,
10 izy folo lahy, zanak’ i Hamana, zanak’ i Hamedota, fahavalon’ ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
na wana kumi wa Hamani, mwana wa Hammedatha, adui wa Wayahudi. Lakini hawakuchua mateka yoyote.
11 Androtrizay ihany dia nambara tamin’ ny mpanjaka ny isan’ ny voavono tany Sosana renivohitra.
Idadi ya wale waliouawa siku hiyo katika mji wa Shushani, ilifikishwa kwa Mfalme Ahusiero.
12 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin’ izy folo lahy, zanak’ i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
Mfalme akamwambia malkia Esta. Mfalme akamwambia Malkia Esta, “Wayahudi wameua wanaume mia tano katika mji wa Shushani, wakiwemo wana kumi wa Hamani adui wa Wayahudi. Je wamefanya nini katika majimbo mengine? Na sasa haja yako ni nini? Utapewa. Ombi lako ni nini?”
13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ ny hazo koa izy folo lahy, zanak’ i Hamana.
Esta akamjibu, “Mfalme kama ikikupendeza, ruhusu Wayuadi walio katika mji wa Shushani wapige mbiu hii na kesho, na miili ya watoto wa Hamani itundikwe juu ya miti.”
14 Dia nasain’ ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak’ i Hamana.
Mfalme akaamuru ombi la Esta litekelezwe. Mbiu ilipigwa katika mji wa Shushani, na wana kumi wa Hamani wakatundikwa juu ya miti.
15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
Wayahudi katika mji wa Shushani walisanyika pamoja siku ya kumi na nne ya mwezi wa Adari, na kuwaua maadui zao mia tatu katika mji wa Shushani, lakini hawakugusa nyara zao.
16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
Na Wayahudi katika majimbo mengine wakakusanyika ili kujilinda na wakapata faraja kutoka kwa maadui na wakawaua maadui zao elfu sabini na tano, lakini hawakugusa mikono yao kwa vitu vya thamani wale waliouwawa.
17 tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
Katika siku ya kumi na tatu ya mwezi wa Adari, Wayahudi wakapumzika katika siku ya kumi na nne, wakapumzika siku hiyo ya karamu na furaha.
18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ io ihany sy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo koa; ary nitsahatra tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
Lakini Wayahudi walioishi katika mji wa Shushani wakaja pamoja siku ya kumi na tatu na ya kumi na nne. Na siku ya kumi na tano wakapumzika na wafanya karamu na kufurahia.
19 Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin’ ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
Hii ndiyo sababu Wayahudi wa vijijini, wanaishi maeneo ya vijijini, huadhimisha siku ya kumi na nne ya mwezi wa Adari kama siku ya furaha na karamu na siku ambayo hutumiana zawadi kwa kila mmoja.
20 Ary Mordekay nanoratra ny amin’ izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izay tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
Modekai akaweka mambo haya na akatuma nyaraka kwa Wayahudi wote waliokuwa katika utawala wa Mfalme Ahusiero,
21 mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin’ ny folo sy ny fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara isan-taona,
akiwataka kuazimisha siku ya kumi na nne na kumi na tano ya mwezi wa Adari kila mwaka.
22 dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.
Hizi zilikuwa ndizo siku ambazo Wahudi walipata faraja kutoka kwa maadui zao na wakati huu ndio wakati ambao huzuni ya Wayahudi iligeuzwa kuwa furaha, na kutoka kwa maombolezo hadi kwenye pumziko. Walipaswa kuzifanya siku za karamu na furaha, na kutumiana zawadi ya chakula, na zawadi kwa masikini.
23 Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan’ i Mordekay taminy,
Wayahudi wakaendelea na maadhimisho wakifanya kile ambacho Modekai alikuwa amewaandikia.
24 satria Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
Na wakati huo Modekai mwana wa Hammedatha mwagagi, adui wa Wayahudi aliyekuwa amepanga njama ya kuwaangamiza Wayahudi, na kwa kupiga Puri (yaani akapiga kura) ili kuwaangamiza kabisa.
25 fa raha nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin’ ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain’ i Hamana hatao amin’ ny Jiosy, ary mba hahantona amin’ ny hazo izy sy ny zananilahy.
Lakini Mfalme Ahusiero alipopata taarifa ya mpango mbaya huu alioupanga Modekai dhidi ya Wayahudi, aliagiza kwa nyaraka afanyiwe Modekai mwenyewe, na kwamba yeye na wana wake wanyongwe juu ya miti.
26 Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin’ izany taratasy izany sy izay hitany ny amin’ izany zavatra efa nanjo azy izany
Hivyo Wayahudi wakaziita siku hizi Purimu, kutokana na jina Puri. Kwa sababu ya mambo yote yaliyo kuwa yameandika katika barua, na mambo yote ambayo walikuwa wameyaona kwa macho yao, na yale yalikuwa yamewapata,
27 dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
Wayahudi wakapokea jukumu na desturi mpya. Desturi hii iwe kwa ajili yao, watoto wao, na kila ambaye aliyeungana nao. Na itakuwa kwamba maadhimisho haya watayafanya kwa kila mwaka. Wataadhimisha kwa namna fulani na nyakati hizo hizo kila mwaka.
28 ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin’ ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran’ ny fanjakana rehetra sy amin’ ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin’ ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin’ ny taranany.
Siku hizi zilipaswa kuadhimishwa katika kila kizazi, kila familia, kila jimbo na kwa kila mji. Wayahudi hawa na watoto wao hawakuacha kuadhimisha siku hizi za Purimu, ili kwamba wasizisahau.
29 Ary Estera, vadin’ ny mpanjaka, sady zanakavavin’ i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin’ ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
Malkia Esta na Modekai wakaandika kwa mamlaka yote na kuthibitisha barua hii ya pili kuhusu Purimu.
30 Ary nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin’ ny toko fito amby roa-polo amby zato amin’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
Barua zilipelekwa katika majimbo 127 ya mfalme Ahusiero, zikiwatakia Wayahudi wote amani na kweli.
31 mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin’ ny fotoany, araka izay nandidian’ i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin’ ny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho an’ ny tenany sy ny taranany koa ny amin’ ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.
Na kuthibitisha siku za Purimu sawa sawa na maelekezo ya Modekai na Esta yaliyowataka Wayahudi waadhimishe. Wayahudi wakatii maagizo kwa ajili yao na uzao wao, kama walivyotii siku za kufunga na kuomboleza.
32 Ary ny tenin’ i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin’ ny boky izany.
Agizo la Esta likahakikisha sheria hizi kuhusu Purimu, na ikaandikwa katika kitabu.