< Estera 8 >

1 Tamin’ izany andro izany dia nomen’ i Ahasoerosy mpanjaka ho an’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ny tranon’ i Hamana, fahavalon’ ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan’ ny mpanjaka, fa efa voalazan’ i Estera fa rainy izy
その日アハシユエロス王ユダヤ人の敵ハマン一家を后エステルに賜ふ モダカイもまた王の前に來れり 是はエステル彼が己と何なる係りなるかを告たればなり
2 Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
王ハマンより取かへせし己の指環をはづしてモルデカイに與ふ 而してエステル、モルデカイをしてハマンの家をつかさどらしむ
3 Dia niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin’ ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’ i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
エステルふたたび王の前に奏してその足下にひれふしアガグ人ハマンがユダヤ人を害せんと謀りしその謀計を除かんことを涙ながらに乞求めたり
4 Ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan’ ny mpanjaka
王エステルにむかひて金圭を伸ければステル起て王の前に立ち
5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka;
言けるは王もし之を善としたまひ我もし王の前に恩を得この事もし王に正と見え我もし御目にかなひたらば アガグ人ハンメダタの子ハマンが王の諸州にあるユダヤ人をほろぼさんと謀りて書おくりたる書をとりけすべき旨を書くだしたまへ
6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
われ豈わが民に臨まんとずる禍害を見るに忍びんや 豈わが宗族のほろぶるを見るにしのびんや
7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka sy tamin’ i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’ i Hamana efa nomeko an’ i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
アハシユエロス王后エステルとユダヤ人モルデカイにいひけるはハマン、ユダヤ人を殺さんとしたれば我すでにハマンの家をエステルに與へまたハマンを木にかけたり
8 ary ianareo kosa dia manorata amin’ ny anaran’ ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin’ ny anaran’ ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka
なんぢらも亦おのれの好むごとく王の名をもて書をつくり王の指環をもてこれに印してユダヤ人につたへよ王の名をもて書き王の指環をもて印したる答は誰もとりけすこと能はざればなり
9 Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
ここをもてその時また王の書記官を召あつむ是三月すなはちシワンの月の二十三日なりきしかして印度よりエテオピアまでの百二十七州のユダヤ人州牧諸州の方伯牧伯等にモルデカイが命ぜんとするところを盡く書しるさしむ 即ちもろもろの州におくるものはその文字をもちひ諸の民におくるものはその言語をもちひひ書おくりユダヤ人におくるものはその文字と言語をもちふ
10 Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
かれアハシユエロス王の名をもてこれをかき王の指環をもてこれに印し驛卒をして御厩にてそだてたる逸足の御用馬にのりてその書をおくりつたへしむ
11 ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
その中に云ふ王すべての邑にあるユダヤ人に許す彼らあひ集まり立ておのれの生命を保護しおのれを襲ふ諸國諸州の一切の兵民をその妻子もろともにほろぼし殺し絶し且その所有物を奪ふべし
12 amin’ ny andro iray ihany any amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany).
アハシユエロス王の諸州におて十二月すなはちアダルの月の十三日一日の内かくのごとくするを許さる
13 Ny kopen’ ny teny natao didy ho amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana dia nantsoina tamin’ ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’ izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
この詔旨を諸州につたへんがためまたユダヤ人をしてかの日のために準備してその敵に仇をかへさしめんがためにその書る物の写本を一切の民に開きて示せり
14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
驛卒逸足の御用馬にのり王の命によりて急がせられせきたてられて出ゆけりこの詔書はシユシヤンの城において出されたり
15 Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
かくてモルデカイは藍と白の朝服を着大なる金の冠を戴き紫色の細布の外衣をまとひて王の前よりいできたれり シユシヤンの邑中聲をあげて喜びぬ
16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
ユダヤ人には光輝あり喜悦あり快樂あり尊榮ありき
17 Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
いづれの州にても何の邑にても凡て王の命令と詔書のいたるところにてはユダヤ人よろこぴ樂しみ酒宴をひらきて此日を吉日となせりしかして國の民おほくユダヤ人となれり是はユダヤ人を畏るる心おこりたればなり

< Estera 8 >