< Estera 8 >

1 Tamin’ izany andro izany dia nomen’ i Ahasoerosy mpanjaka ho an’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ny tranon’ i Hamana, fahavalon’ ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan’ ny mpanjaka, fa efa voalazan’ i Estera fa rainy izy
I A la, haawi ae la ke alii o Ahasuero i ko ka hale o Hamana ka enemi o na Iudaio no Esetera, ke alii wahine. A hele aku o Moredekai imua i ke alo o ke alii, no ka mea, ua hai aku o Esetera i kona wahi i pili ai ia ia.
2 Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
A wehe ae la ke alii i kona komolima, ka mea ana i lawe ai mai Hamana aku, a haawi iho la oia ia Moradekai. A hoonoho aku la o Esetera ia Moredekai maluna o ka hale o Hamana.
3 Dia niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin’ ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’ i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
Olelo hou aku la o Esetera imua i ke alo o ke alii, a moe iho la ilalo ma kona mau wawae, a nonoi aku la ia ia me ka waimaka, e hoopau i ka hewa a Hamana, ke Agaga, a me ka manao ana i manao ku e mai ai i na Iadaio.
4 Ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan’ ny mpanjaka
Alaila, o mai la ke alii i ke kookooalii gula no Esetera. Ala ae la o Esetera iluna, a ku aku la imua o ke alii.
5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka;
I aku la, Ina i lealea ke alii, a ina i loaa ia'u ke alohaia mai e ia, a ina he mea pono i ko ke alii manao, a ina he maikai au i kona nana ana mai, e kakauia o hoole i na palapala i noonooia e Hamana, ke keiki a Hamadata ke Agaga, na mea ana i palapala aku ai e luku i na Iudaio, ma na aina a pau o ke alii.
6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
No ka mea, pehea la e hiki ai ia'u ke hoomanawanui i ka ike ana aku i ka hewa e hiki mai ana maluna o ko'u lahuikanaka? Pehea la hoi e hiki ai ia'u ke hoomanawanui i ka ike ana aku i ka make o ko'u hanauna?
7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka sy tamin’ i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’ i Hamana efa nomeko an’ i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
Alaila, olelo mai la ke alii o Ahasuero ia Esetera, i ke alii wahine, a ia Moredekai, i ka Iudaio, Aia hoi, ua haawi aku au i ka hale o Hamana no Esetera, a na li lakou ia ia maluna o ke olokea, no ka mea, kau no oia i kona lima maluna o na Iudaio.
8 ary ianareo kosa dia manorata amin’ ny anaran’ ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin’ ny anaran’ ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka
E palapala olua no na Iudaio, e like me ko olua makemake, a ma ka inoa hoi o ke alii, a e hoailona iho me ke komolima o ke alii; no ka mea, o ka palapala i kakauia ma ka inoa o ke alii, a hoailona i ke komolima o ke alii, aohe mea nana e hoole.
9 Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
Ia manawa, i ke kolu o ka malama, oia hoi ka malama o Sivana, i ka iwakaluakumamakolu o ka la, kiina ka poe kakanolelo a ka alii; a e like me na mea a pau a Moredekai i kauoha'i pela no i palapalaia 'ku ai i na Indiaio a me na kiaaina, a me na'lii aimoku, a me na'lii o na aina, mai Inia mai a Aitiopia, hookahi haneri me ka iwakaluakumamahiku aina, i kela aina i keia aina, he like me ka kana palapala iho, i kela lahuikanaka i keia lahuikanaka, ma ka lakou olelo, a i na Indaio, e like me ka lakou palapala ana, a ma ka lakou olelo ponoi.
10 Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
A palapala aku no oia ma ka inoa o ke alii o Ahasuero, a hoailona iho la me ke komolima o ke alii, a hoouna oia i ka palapala ma ka lima o ko ke alii mau elele maluna o na lio, na mea holo maluna o na lio mama, a me na hoki maikai a na lio wahine i hanau ai.
11 ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
A haawi mai la ka alii i na Iudaio ma na kulanakauhale a pau, e hoakoakoa pu, e malama i ko lakou oia, e luku, a e pepehi, a e hoolilo i ka make i ka poe koa o na kanaka, a me na mokuna ke hana ino mai ia lakou, i na keiki a me na wahine, a e lawe hoi i ko lakou waiwai, i waiwaipio:
12 amin’ ny andro iray ihany any amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany).
Ma ka la hookahi, Ma na aina a pau o ke alii o Ahasuero, ma ka la umikumamakolu o ka malama umikumalaua, oia hoi ka malama o Adara.
13 Ny kopen’ ny teny natao didy ho amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana dia nantsoina tamin’ ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’ izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
A hoolahaia i na kanaka a pau, ke kope o ka palapala, i kanawai no na aina a pau, i makaukau na Iudaio e hoopai i ka hewa o ko lakou poe enemi, ke hiki aku ia la.
14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
Holo aku la na elele, ka poe i holo maluna o na lio mama, a me na hoki maikai, a na hoolalelaleia, a ua hooikaikaia, e ke kauoha a ke alii. A kauia no hoi ia kanawai ma Susana, ma ka pakaua.
15 Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
A hele aku la o Moredekai, mai ke alo aku o ke alii, me ka aahu poni uliuli, a me ke keokeo, a me ka leialii gula nui, a me ka lole hooluelue keokeo, a me ka poni. Olioli iho la ke kulanakauhale o Susana, a hauoli ae la.
16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
He malamalama ko na Iudaio, a me ka hauoli, a me ka olioli, a me ka mahaloia.
17 Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
A ma na aina a pau, a ma na kulanakauhale a pau, kahi i hiki aku ai ka olelo a ke alii, a me kona kanawai, he hauoli ko na Iudaio, a me ka olioli, he ahaaina, a me ka la maikai. A nui no hoi na kanaka o ka aina i lilo i Iudaio, no ka mea, kau mai ka makau i na ludaio maluna o lakou.

< Estera 8 >