< Estera 6 >

1 Ary tamin’ iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
I A po, aole i hiki i ke alii ke hiamoe, a kauoha ae la ia e laweia mai ka buke mooolelo o na oihana; a heluheluia ia imua o ke alii.
2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an’ i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
A loaa iho la ka palapala o ko Moredekai hai ana no Bigetana, a me Teresa, na luna elua o ke alii i kiai ai i ka puka, a imi i wahi e hiki ai, ke kau i ka lima maluna o ke alii o Ahasuero.
3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’ i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
Ninau ae ke alii, Heaha ka mea maikai, a me ka mea nui i hanaia'i ia Moredekai, no keia mea? I aku la na kauwa a ke alii i ka poe i lawelawe nana, Aohe mea i hanaia nona.
4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ ny tranon’ ny mpanjaka tamin’ izay hiteny amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny hanantonana an’ i Mordekay amin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
Ninau ae la ke alii, Owai la ma ka pahale? Ua hiki mai o Hamana ma ka pahale mawaho o ka hale o ke alii e olelo i ke alii, e liia o Moredekai ma ke olokea ana i hoomakaukau ai nona.
5 Ka hoy ny zatovon’ ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
I aku la na kauwa a ke alii ia ia, Aia, ke ku mai la o Hamana ma ka pahale. I mai la ke alii, E hele mai la iloko.
6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
Alaila, komo aku la o Hamana. Ninau mai la ke alii ia ia, Heaha ka mea e hanaia'i no ke kanaka a ke alii e manao nei e hoohanohano? Nalu iho la o Hamana maloko o kona naau, Owai ka mea a ke alii e makemake nei e hoohanohano, aoleanei owau?
7 Ka dia hoy Hamana tamin’ ny mpanjaka: Ny amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra,
I aku la o Hamana i ka alii, No ke kanaka a ke alii e makemake nei e hoohanohano,
8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
E laweia mai ka lole alii a ke alii i komo ai, a me ka lio a ke alii i holoholo ai, a me ka leialii i hooleiia'i kona poo;
9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ ny anankiray izay malaza indrindra amin’ ny mpanapaka voatendrin’ ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
A e haawiia ua lole la, a me ka lio i ka lima o kekahi o na'lii koikoi o ke alii, i hoaahu ai lakou i ke kanaka a ke alii i makemake ai e hoohano, a e hooholo lakou ia ia maluna o ka lio ma ke alanui o ke kulanakauhale, a e kala aku mamua ona, Pela e hanaia'i ke kanaka a ke alii e makemake ai e hoolanilani.
10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’ i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
Alaila, olelo mai la ke alii ia Hamana, E wikiwiki oe, e lawe i ka lole, a me ka lio, me au i olelo ai, a e hana aku oe pela ia Moredekai, i ka Iudaio, ka mea e noho la ma ka pukapa o ke alii. Mai hoohaule i kekahi o na mea a pau au i olelo mai nei.
11 Dia nalain’ i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’ i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
Alaila, lawe o Hamana i ka lole a me ka lio, a hoaahu iho la ia Moredekai, a hooholo ae la ia ia maluna o ka lio, ma ke alanui o ke kulanakauhale, a kala aku la imua ona, Pela no e hanaia mai ai i ke kanaka a ke alii e makemake ai e hoohanohano.
12 Ary Mordekay niverina nankeo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
Hele hou aku la o Moredekai i ka pukapa o ke alii; aka, o Hamana, wikiwiki ae la ia i kona hale, me ke kaniuhu, a ua pulouia kona poo.
13 Dia nolazain’ i Hamana tamin’ i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
Hai aku la o Hamana i kana wahine ia Zeresa, a i kona poe makamaka a pau i na mea a pau i loaa ai ia ia. Alaila, olelo mai la ia ia kona poe kanaka akamai, a me kana wahine o Zeresa, Ina no ka hanauna Iudaio o ua Moredekai la, a ua haule oe imua ona i keia wa, aole no oe e lanakihi maluna one, aka, e oiaio no, e haule no oe imua ona.
14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
A ia lakou e kamailio pu ana me ia, hiki ae la na luna o ke alii, a wikiwiki lakou e lawe aku ia Hamana i ka ahainu a Esetera i hoomakaukau ai.

< Estera 6 >