< Estera 5 >

1 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
Tad Estere apģērbās trešā dienā kā ķēniņiene un gāja ķēniņa nama iekšējā pagalmā, ķēniņa namam pretī; un ķēniņš sēdēja uz sava goda krēsla ķēniņa namā, tām nama durvīm pretī.
2 Ary nony hitan’ ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin’ ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
Un kad ķēniņš redzēja ķēniņieni Esteri pagalmā stāvam, tad tā atrada žēlastību priekš viņa acīm, tā ka ķēniņš to zelta scepteri, kas bija viņa rokā, Esterei piesniedza, un Estere piegāja un aizskāra sceptera galu.
3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
Tad ķēniņš uz viņu sacīja: kas tev kait, ķēniņiene Estere, jeb ko tu prasi? Un pat valsts viena puse tev taps dota.
4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin’ ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
Tad Estere sacīja: ja ķēniņam patīk, tad lai ķēniņš un Amans šodien nāk uz tām dzīrēm, ko es viņam esmu sataisījusi.
5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin’ i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
Un ķēniņš sacīja: lai Amans steidzās un dara pēc Esteres vārda. Kad nu ķēniņš un Amans nāca uz tām dzīrēm, ko Estere bija sataisījusi,
6 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
Tad ķēniņš sacīja uz Esteri vīnu dzerot: ko tu lūdzi, tas tev taps dots, un ko tu prasi, tam būs notikt, arī līdz pusvalstij.
7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
Tad Estere atbildēja un sacīja: mana lūgšana un mana prasīšana ir šī.
8 Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.
Ja esmu atradusi žēlastību priekš ķēniņa un ja ķēniņam ir pa prātam, manu lūgšanu man dot un darīt, ko es prasīšu, tad lai ķēniņš un Amans nāk uz tām dzīrēm, ko es tiem sataisīšu, tad es rītu darīšu pēc ķēniņa vārda.
9 Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
Tad Amans tai dienā izgāja līksms un ar labu prātu. Bet kad Amans Mardakaju redzēja ķēniņa vārtos, ka tas necēlās un priekš viņa nelocījās, tad Amans palika dusmu pilns pret Mardakaju, tomēr viņš savaldījās.
10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
Un tas nāca savā namā, un sūtīja un lika nākt saviem draugiem līdz ar Zeresu, savu sievu.
11 Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
Un Amans tiem izteica savas bagātības godu un savu dēlu pulku, un visu, kā ķēniņš viņu bija paaugstinājis, un kā tas viņu bija pacēlis pār tiem lielkungiem un ķēniņa kalpiem.
12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
Un Amans sacīja: un ķēniņiene Estere nevienam nav likusi nākt līdz ar ķēniņu uz tām dzīrēm, ko tā ir sataisījusi, kā man vien, un arī uz rītu no viņas esmu aicināts līdz ar ķēniņu.
13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an’ i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka aho.
Bet viss tas man nav gana, kamēr es to Jūdu Mardakaju redzu sēžam ķēniņa vārtos.
14 Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
Tad viņa sieva Zeresa un visi viņa draugi uz to sacīja: lai uzceļ koku piecdesmit olektis augstumā, un saki rītu ķēniņam, ka Mardakaju pie tā būs pakārt, un tad ej līksms ar ķēniņu uz dzīrēm. Un šis padoms patika Amanam, un viņš to koku lika uzcelt,

< Estera 5 >