< Estera 5 >

1 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
Et il arriva qu'au troisième jour Esther se vêtit d'un habit Royal, et se tint au parvis de dedans du palais du Roi [qui était] au devant de l'hôtel du Roi, et le Roi était assis sur le trône de son Royaume dans le palais Royal, vis-à-vis de la porte du palais.
2 Ary nony hitan’ ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin’ ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
Or dès que le Roi vit la Reine Esther qui se tenait debout au parvis, elle gagna ses bonnes grâces; de sorte que le Roi tendit à Esther le sceptre d'or qui était en sa main; et Esther s'approcha, et toucha le bout du sceptre.
3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
Et le Roi lui dit: Qu'as-tu Reine Esther? et quelle est ta demande? quand ce serait jusqu'à la moitié du Royaume, il te sera donné.
4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin’ ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
Et Esther répondit: Si le Roi le trouve bon, que le Roi vienne aujourd'hui avec Haman au festin que je lui ai préparé.
5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin’ i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
Alors le Roi dit: Qu'on fasse venir en diligence Haman, pour accomplir la parole d'Esther. Le Roi donc vint avec Haman au festin qu'Esther avait préparé.
6 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
Et le Roi dit à Esther au vin de la collation: Quelle est ta demande? et elle te sera octroyée. Et quelle est ta prière? [quand tu me demanderais] jusqu'à la moitié du Royaume, cela sera fait.
7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
Alors Esther répondit, et dit: Ma demande, et ma prière est,
8 Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.
Si j'ai trouvé grâce devant le Roi, et si le Roi trouve bon d'accorder ma demande, et d'exaucer ma requête; que le Roi et Haman viennent au festin que je leur préparerai, et je ferai demain selon la parole du Roi.
9 Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
Et Haman sortit en ce jour-là, joyeux et le cœur gai. Mais sitôt qu'il eut vu à la porte du Roi Mardochée, qui ne se leva point, et ne se remua point pour lui, Haman fut rempli de colère contre Mardochée.
10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
Toutefois Haman se fit violence, et vint en sa maison; puis il envoya quérir ses amis, et Zérès sa femme.
11 Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
Alors Haman leur raconta la gloire de ses richesses, et l'excellence de ses enfants, et toutes les choses dans lesquelles le Roi l'avait agrandi, et comment il l'avait élevé par-dessus les principaux Seigneurs et Serviteurs du Roi.
12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
Puis Haman dit: Et même la Reine Esther n'a fait venir que moi avec le Roi au festin qu'elle a fait, et je suis encore demain convié par elle avec le Roi.
13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an’ i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka aho.
Mais tout cela ne me sert de rien, pendant tout le temps que je vois Mardochée, ce Juif, séant à la porte du Roi.
14 Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
Alors Zérès sa femme, et tous ses amis lui répondirent: Qu'on fasse un gibet haut de cinquante coudées, et demain au matin dis au Roi qu'on y pende Mardochée; et va-t'en joyeux au festin avec le Roi. Et la chose plut à Haman, et il fit faire le gibet.

< Estera 5 >