< Estera 3 >
1 Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
After these things did King Ahashuerosh promote Haman the sonne of Hammedatha the Agagite, and exalted him, and set his seate aboue all the princes that were with him.
2 Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
And all the Kings seruants that were at the Kings gate, bowed their knees, and reuerenced Haman: for the King had so commanded concerning him: but Mordecai bowed not the knee, neither did reuerence.
3 Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka?
Then the Kings seruants which were at the Kings gate, said vnto Mordecai, Why transgressest thou the Kings commandement?
4 Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy.
And albeit they spake dayly vnto him, yet he would not heare them: therefore they tolde Haman, that they might see how Mordecais matters would stande: for he had tolde them, that he was a Iewe.
5 Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
And when Haman sawe that Mordecai bowed not the knee vnto him, nor did reuerence vnto him, then Haman was full of wrath.
6 Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.
Now he thought it too litle to lay hands onely on Mordecai: and because they had shewed him the people of Mordecai, Haman sought to destroy all the Iewes, that were throughout the whole kingdome of Ahashuerosh, euen the people of Mordecai.
7 Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)
In the first moneth (that is the moneth Nisan) in the twelft yere of King Ahashuerosh, they cast Pur (that is a lot) before Haman, from day to day, and from moneth to moneth, vnto the twelft moneth, that is the moneth Adar.
8 Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Then Haman said vnto King Ahashuerosh, There is a people scattered, and dispersed among the people in all the prouinces of thy kingdome, and their lawes are diuers from all people, and they doe not obserue the Kings lawes: therefore it is not the Kings profite to suffer them.
9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.
If it please the King, let it be written that they may he destroyed, and I will pay ten thousand talents of siluer by the handes of them that haue the charge of this businesse to bring it into the Kings treasurie.
10 Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy.
Then the King tooke his ring from his hand and gaue it vnto Haman the sonne of Hammedatha the Agagite the Iewes aduersarie.
11 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
And the King sayde vnto Haman, Let the siluer be thine, and the people to doe with them as it pleaseth thee.
12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
Then were the Kings scribes called on the thirteenth day of the first moneth, and there was written (according to all that Haman commanded) vnto the Kings officers, and to the captaines that were ouer euery prouince, and to the rulers of euery people, and to euery prouince, according to the writing thereof, and to euery people according to their language: in the name of King Ahashuerosh was it written, and sealed with the Kings ring.
13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
And the letters were sent by postes into all the Kings prouinces, to roote out, to kill and to destroy all the Iewes, both yong and olde, children and women, in one day vpon the thirteenth day of the twelft moneth, (which is the moneth Adar) and to spoyle them as a pray.
14 Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany.
The contents of the writing was, that there shoulde be giuen a commandement in all prouinces, and published vnto all people, that they should be ready against the same day.
15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
And the postes compelled by the Kings commandement went forth, and the commandement was giuen in the palace at Shushan: and the King and Haman sate drinking, but the citie of Shushan was in perplexitie.