< Estera 3 >
1 Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
Zitachitika izi, mfumu Ahasiwero anamukweza Hamani mwana wa Hamedata Mwagagi, anamulemekeza ndikumupatsa mpando wa ulemu kuposa nduna zina zonse.
2 Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Atumiki onse a mfumu amene anali pa chipata cha nyumba ya mfumu ankagwadira ndi kuweramira Hamani monga mwa lamulo la mfumu. Koma Mordekai sankamugwadira kapena kumuweramira.
3 Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka?
Kenaka atumiki a mfumu amene anali pa chipata anafunsa Mordekai kuti, “Kodi nʼchifukwa chiyani sumvera lamulo la mfumu?”
4 Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy.
Tsiku ndi tsiku ankayankhula naye koma iye sanamverebe. Choncho anamuwuza Hamani kuti aone ngati angavomereze khalidwe lotere la Mordekai, popeza anawawuza kuti anali Myuda.
5 Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
Hamani ataona kuti Mordekai sankamugwadira kapena kumuweramira, anapsa mtima kwambiri.
6 Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.
Hamani atamva kuti Mordekai anali Myuda, anatsimikiza kuti ndi kosakwanira kulanga Mordekai yekha. Mʼmalo mwake anapeza njira yowonongera Ayuda onse okhala mʼdziko lonse limene mfumu Ahasiwero ankalamulira.
7 Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)
Mwezi woyamba, umene ndi mwezi wa Nisani, chaka cha khumi ndi chiwiri cha ufumu wa Ahasiwero anachita maere, otchedwa Purimu pamaso pa Hamani kuti apeze tsiku ndi mwezi woyenera. Ndipo maere anagwera pa mwezi wa khumi ndi chiwiri ndiwo mwezi wa Adara.
8 Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Kenaka Hamani anakawuza mfumu Ahasiwero kuti, “Pali mtundu wina wa anthu umene unabalalika ndipo wamwazikana pa mitundu ina mʼzigawo zonse za ufumu wanu umene miyambo yawo ndi yosiyana ndi ya anthu ena onse ndiponso amene safuna kumvera malamulo a mfumu, kotero si chinthu cha phindu kuti mfumu iwalekerere anthu otere.
9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.
Ngati chingakukomereni mfumu, ikani lamulo kuti tiwawononge, ndipo ndidzalipira matalente 10,000 asiliva mosungiramo chuma cha mfumu za anthu amene adzachite ntchito imeneyi.”
10 Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy.
Choncho mfumu inavula mphete yodindira ku chala chake ndi kumupatsa Hamani mwana wa Hamedata Mwagagi, mdani wa Ayuda.
11 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
Mfumu inati kwa Hamani, “Sunga ndalamazo, ndipo uchite ndi anthuwo monga ufunira.”
12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
Alembi analemba zonse zimene Hamani analamula mʼmakalata opita kwa akazembe a mfumu, abwanamkubwa a zigawo zonse ndi kwa oyangʼanira mtundu uliwonse wa anthu. Kalatazo zinali za mʼchiyankhulo cha mtundu uliwonse ndipo zinalembedwa mʼdzina la Mfumu Ahasiwero ndi kusindikizidwa ndi mphete yake.
13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Makalatawa anawatumiza amithenga ku zigawo zonse za mfumu kuti awononge, aphe ndi kufafaniziratu a Yuda onse, anyamata, anthu okalamba, ana ndi amayi, pa tsiku limodzi la 13 la mwezi wa Adara ndipo alande katundu wawo.
14 Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany.
Mwachidule kalatayi inanena kuti mawu olembedwamowo anayenera kuperekedwa ngati lamulo mʼchigawo chilichonse ndi kuti anthu a mtundu uliwonse adziwe ndi kukhala okonzeka pa tsikulo.
15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
Potsata lamulo la mfumu, amithenga aja anapita mwachangu ndipo lamuloli linaperekedwanso ku Susa, likulu la dziko. Mfumu ndi Hamani anakhala pansi ndikumamwa, koma mzinda onse wa Susa unasokonezeka.