< Estera 2 >

1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an’ i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
Baada ya mambo haya na baada ya hasira ya mfalme Ahusiero kutulia, alifikiri kuhusu Malkia Vashiti na alichokuwa amekifanya na tangazo alilokuwa ameamuru litolewe ya Vashiti kupoteza sifa za kuwa malkia.
2 Ka dia hoy ireo zatovon’ ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
Kisha vijana waliomtumikia mfalme wakasema, mfalme atafutiwemabikira warembo.
3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
Mfalme na achague wasimamizi katika majimbo yote ya ufalme wake, ili wawakusanye mabikira warembo wote harem katika ikulu ya Susa. Mabikira hawa wawe chini ya usimamizi wa Hegai, msimamizi, ambaye ni mkuu wa wanawake, na wapewe vipodozi vyao vyote.
4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’ i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
Na binti yule atakaye mfurahisha mfalme ndiye atakaye kuwa Malkia badala ya Vashiti.” Mfalme alupenda ushauri na akafanya kama alivoshauriwa,
5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
Katika mji wa Shushani alikuwepo Myahudi aliyeitwa Modekai mwana wa Jaira mwana wa Shimei mwana wa Kishi, aliye kuwa wa kabila la Benjamini.
6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ ny babo izay nentina niaraka tamin’ i Jekonia, mpanjakan’ ny Joda, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona.
Yeye ni miongoni mwa Wayahudi waliochukuliwa pamoja na Yekonia, mfalme wa Yuda kutoka Yerusalemu na kupelekwa uhamishoni na mfalme Nebukadreza.
7 Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
Modekai alikuwa akimlea, Hadasa, yaani Esta, binti wa mjomba wake kwa sababu hakuwa na wazaai wake wote wawili. Modekai alimchukuwa kama binti yake. Esta alikuwa na umbo zuri na uso wa kupendeza.
8 Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
Wasichana wengi waliletwa ikulu Shushani, baada ya tangazo na amri ya mfalme kutolewa. Waliwekwa chini ya usimamizi wa Hegai. Esta naye alikuwa ni miongoni mwa wasichana walioletwa na kuwekwa chini ya usimamizi wa Hegai, mwangalizi wa wanawake.
9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
Esta alimfurahisha, na akapata kibali mbele ya Hegai. Akampa vipodozi na sehemu ya chakula. Akampa wahudumu wa kike saba kutoka katika ikulu ya mfalme, na akampeleka na wahudumu wa kike katika sehemu bora katika nyumba ya wanawake.
10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
Esta hakuwa amemweleza mtu yeyote kuhusu jamaa zake kwa sababu Modekai alikuwa amemzuia.
11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ ny kianjan’ ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran’ i Estera sy izay anaovana azy.
kila siku Modekai alienda na kurudi mbele nje ya ua wa nyumba ya wanawake, ili kwamba asikie kuhusu mambo ya Esta na atakachofanyiwa.
12 Ary nony tonga ny andro hidiran’ ny zazavavy tsirairay isan’ andro tany amin’ i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’ izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ ny vehivavy),
Zamu ilipofika ya kila msichana kwenda kwa mfalme Ahusero kwa kufuata maelekezo kwa wanawake, kila msichana alitakiwa kumaliza miezi kumi na miwili ya urembo, miezi sita ya mafuta ya manemane na miezi sita ya vipodozi.
13 koa nony hiditra ao amin’ ny mpanjaka ny zazavavy tamin’ izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin’ ny tranom-behivavy ho ao an-tranon’ ny mpanjaka.
wakati msichana alipoenda kwa mfalme, alipewa chochote alichotamani kutoka katika nyumba ya wanawake ili aende nacho katika nyuma ya mfalme.
14 Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
Msichana alipaswa kwenda wakati wa usiku na kurudi katika nyumba ya wanawake, na kwa msimamizi Shaashigazi, msimamizi wa mfalme, ambaye alikuwa mwenye kuwalinda masulia. Msichana hakuruhusiwa kwenda tena kwa mfalme isipokuwa amemfurahiha mfalme na mfalme akaamuru arudi tena.
15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron’ i Estera, zanakavavin’ i Abihaila, rahalahin-drain’ i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason’ ny olona rehetra izay nijery azy.
Zamu ya Esta ilipotimia( mwana wa Abihaili, mjomba wa Modekai alikuw amemchukua kama kama binti yake) kwenda mbele ya mfalme, hakutaka kitu chochote isipokuwa vile ambavyo Hegai, msimamizi wa wanawake alimtaka avichukue.
16 Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
Esta akapata kibali mbele ya kila aliyemwona. Esta akapelekwa kwa Mfalme Ahusiero katika makazi ya kifalme mwezi wa kumi, ambao ni mwezi wa Tabeti, katika mwaka wa saba wa utawala wake.
17 Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
Mfalme alimpenda Esta zaidi kuliko wanawake wengine, na alipata kibali kuliko na wema mbele zake zaidi kuliko mabikira wengine na hivyo mfalme akamvika taji ya kimalkia badala ya Vashiti.
18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan’ i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an’ ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
mfalme akawafanyia karamu kubwa wasimamizi na wahudumu wake wote, karamu ya Esta na akawapa unafuu wa kodi katika majimbo. Pia akawapa zawadi kwa ukarimu.
19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
Modekai alikuwa ameketi katika lango la mfalme wakati mabikira walipokuwa wamekusanyika kwa mara ya pili.
20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
Esta alifuata ushauri Modekai ya kutomwambia mtu yeyote kuhusu jamaa zake. aliendelea kufuata ushauri wa Modekai kama alivyofanya alipokuwa mdogo.
21 Tamin’ izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka izy.
katika siku hizo ambazo Modekai alikuwa ameketi getini kwa mfalme, Bighani na Tereshi, wasimamizi wa mfalme walio linda lando, walikasirika na wakatafuta kumuua mfalme Ahusiero.
22 Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
Jambo lilipowekwa wazi kwa Modekai, alimtaarifu Malkia Esta na Esta akamweleza kile achoelezwa na Modekai.
23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
Habari hii ilipepelelezwa na kuonekana kuwa kweli na wanaume wawili walinyongwa juu ya mti. Na habari hii ikaandikwa katika kitabu cha taarifa mbele ya mfalme.

< Estera 2 >