< Estera 10 >
1 Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
És Ahasvérus király adót vettete a földre és a tenger szigeteire.
2 Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ ny filazana ny fahalehibiazan’ i Mordekay, araka izay nanandratan’ ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ i Media sy Persia va izany?
Az ő erejének és hatalmának minden cselekedete pedig és Márdokeus nagy méltóságának története, a mellyel felmagasztalá őt a király, avagy nincsenek-é megírva Média és Persia királyainak évkönyveiben,
3 Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.
Mert a zsidó Márdokeus második volt Ahasvérus király után, nagy a zsidók között, és kedves az ő atyjafiai sokasága előtt, a ki javát keresé népének, és békességet szerze minden ivadékának.