< Efesiana 6 >
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
Children, obey your parents in the Lord, for this is right.
2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
“Honor yoʋr father and mother” (which is the first commandment with a promise),
3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ ny tany.
“that it may be well with yoʋ and yoʋ may live long on the earth.”
4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ ny famaizana sy ny fananaran’ ny Tompo izy.
Fathers, do not provoke your children to anger, but bring them up in the training and admonition of the Lord.
5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ ny fahatsoran’ ny fonareo, toy ny fanekena an’ i Kristy ihany,
Slaves, obey your earthly masters with fear and trembling, and with sincerity of heart, just as you would obey Christ.
6 tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa tahaka ny mpanompon’ i Kristy manao izay sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fo,
Do not try to please them only when they are watching you, but act like slaves of Christ, doing the will of God from your heart.
7 amin’ ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ ny Tompo, fa tsy amin’ olona,
Serve with a good attitude, as serving the Lord and not men,
8 satria fantatrareo fa izay soa ataon’ ny olona rehetra no horaisiny amin’ ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
knowing that whatever good anyone does he will receive back from the Lord, whether he is a slave or free.
9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’ olona aminy.
Masters, do the same for your slaves and stop threatening them, because you know that your own Master is in heaven, and there is no partiality with him.
10 Farany, mahereza ao amin’ ny Tompo sy amin’ ny herin’ ny faherezany.
Finally, my brothers, be strong in the Lord and in the power of his might.
11 Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly.
Put on the full armor of God so that you may be able to stand against the schemes of the devil.
12 Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra. (aiōn )
For we wrestle not against flesh and blood, but against the rulers, against the authorities, against the cosmic powers of the darkness of this age, and against the spiritual forces of evil in the heavenly places. (aiōn )
13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
Therefore take up the full armor of God so that you may be able to resist the enemy on the day of evil, and after you have done everything, to stand firm.
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
Stand firm therefore by fastening the belt of truth around your waist, putting on the breastplate of righteousness,
15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ ny filazantsaran’ ny fihavanana ny tongotrareo;
and shodding your feet with the readiness of the gospel of peace.
16 ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.
Above all, take up the shield of faith, with which you will be able to extinguish all the flaming arrows of the evil one.
17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
Take the helmet of salvation and the sword of the Spirit, which is the word of God.
18 ary mivavaha mandrakariva ao amin’ ny Fanahy amin’ ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ ny olona masìna rehetra,
Pray in the Spirit at all times, with every prayer and supplication, and to this end, stay alert and be persistent in praying for all the saints.
19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
Pray also for me, so that when I open my mouth to speak, a message may be given to me to make known with boldness the mystery of the gospel,
20 (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
for which I am an ambassador in chains. Pray that I may declare it boldly, as I should.
21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
Tychicus, the beloved brother and faithful servant in the Lord, will give you a full report about how I am doing so that you may be informed.
22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
I have sent him to you for this very purpose, that you may know how we are doing and that he may encourage your hearts.
23 Fiadanana anie ho an’ ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ ny finoana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
Peace be with the brothers, and love with faith, from God the Father and the Lord Jesus Christ.
24 Ny fahasoavana anie ho amin’ izay rehetra tia an’ i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
Grace be with all who love our Lord Jesus Christ with an undying love. Amen.