< Efesiana 4 >

1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
atō bandirahaṁ prabhō rnāmnā yuṣmān vinayē yūyaṁ yēnāhvānēnāhūtāstadupayuktarūpēṇa
2 amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,
sarvvathā namratāṁ mr̥dutāṁ titikṣāṁ parasparaṁ pramnā sahiṣṇutāñcācarata|
3 mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.
praṇayabandhanēna cātmana ēkyaṁ rakṣituṁ yatadhvaṁ|
4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
yūyam ēkaśarīrā ēkātmānaśca tadvad āhvānēna yūyam ēkapratyāśāprāptayē samāhūtāḥ|
5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
yuṣmākam ēkaḥ prabhurēkō viśvāsa ēkaṁ majjanaṁ, sarvvēṣāṁ tātaḥ
6 iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.
sarvvōparisthaḥ sarvvavyāpī sarvvēṣāṁ yuṣmākaṁ madhyavarttī caika īśvara āstē|
7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.
kintu khrīṣṭasya dānaparimāṇānusārād asmākam ēkaikasmai viśēṣō varō'dāyi|
8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.
yathā likhitam āstē, "ūrddhvam āruhya jētr̥n sa vijitya bandinō'karōt| tataḥ sa manujēbhyō'pi svīyān vyaśrāṇayad varān||"
9 (Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
ūrddhvam āruhyētivākyasyāyamarthaḥ sa pūrvvaṁ pr̥thivīrūpaṁ sarvvādhaḥsthitaṁ sthānam avatīrṇavān;
10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
yaścāvatīrṇavān sa ēva svargāṇām uparyyuparyyārūḍhavān yataḥ sarvvāṇi tēna pūrayitavyāni|
11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
sa ēva ca kāṁścana prēritān aparān bhaviṣyadvādinō'parān susaṁvādapracārakān aparān pālakān upadēśakāṁśca niyuktavān|
12 ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
yāvad vayaṁ sarvvē viśvāsasyēśvaraputraviṣayakasya tattvajñānasya caikyaṁ sampūrṇaṁ puruṣarthañcārthataḥ khrīṣṭasya sampūrṇaparimāṇasya samaṁ parimāṇaṁ na prāpnumastāvat
13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
sa paricaryyākarmmasādhanāya khrīṣṭasya śarīrasya niṣṭhāyai ca pavitralōkānāṁ siddhatāyāstādr̥śam upāyaṁ niścitavān|
14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
ataēva mānuṣāṇāṁ cāturītō bhramakadhūrttatāyāśchalācca jātēna sarvvēṇa śikṣāvāyunā vayaṁ yad bālakā iva dōlāyamānā na bhrāmyāma ityasmābhi ryatitavyaṁ,
15 fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;
prēmnā satyatām ācaradbhiḥ sarvvaviṣayē khrīṣṭam uddiśya varddhitavyañca, yataḥ sa mūrddhā,
16 Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.
tasmāccaikaikasyāṅgasya svasvaparimāṇānusārēṇa sāhāyyakaraṇād upakārakaiḥ sarvvaiḥ sandhibhiḥ kr̥tsnasya śarīrasya saṁyōgē sammilanē ca jātē prēmnā niṣṭhāṁ labhamānaṁ kr̥tsnaṁ śarīraṁ vr̥ddhiṁ prāpnōti|
17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
yuṣmān ahaṁ prabhunēdaṁ bravīmyādiśāmi ca, anyē bhinnajātīyā iva yūyaṁ pūna rmācarata|
18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
yatastē svamanōmāyām ācarantyāntarikājñānāt mānasikakāṭhinyācca timirāvr̥tabuddhaya īśvarīyajīvanasya bagīrbhūtāśca bhavanti,
19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.
svān caitanyaśūnyān kr̥tvā ca lōbhēna sarvvavidhāśaucācaraṇāya lampaṭatāyāṁ svān samarpitavantaḥ|
20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,
kintu yūyaṁ khrīṣṭaṁ na tādr̥śaṁ paricitavantaḥ,
21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,
yatō yūyaṁ taṁ śrutavantō yā satyā śikṣā yīśutō labhyā tadanusārāt tadīyōpadēśaṁ prāptavantaścēti manyē|
22 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
tasmāt pūrvvakālikācārakārī yaḥ purātanapuruṣō māyābhilāṣai rnaśyati taṁ tyaktvā yuṣmābhi rmānasikabhāvō nūtanīkarttavyaḥ,
23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,
yō navapuruṣa īśvarānurūpēṇa puṇyēna satyatāsahitēna
24 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
dhārmmikatvēna ca sr̥ṣṭaḥ sa ēva paridhātavyaśca|
25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
atō yūyaṁ sarvvē mithyākathanaṁ parityajya samīpavāsibhiḥ saha satyālāpaṁ kuruta yatō vayaṁ parasparam aṅgapratyaṅgā bhavāmaḥ|
26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
aparaṁ krōdhē jātē pāpaṁ mā kurudhvam, aśāntē yuṣmākaṁ rōṣēsūryyō'staṁ na gacchatu|
27 Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.
aparaṁ śayatānē sthānaṁ mā datta|
28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
cōraḥ punaścairyyaṁ na karōtu kintu dīnāya dānē sāmarthyaṁ yajjāyatē tadarthaṁ svakarābhyāṁ sadvr̥ttyā pariśramaṁ karōtu|
29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.
aparaṁ yuṣmākaṁ vadanēbhyaḥ kō'pi kadālāpō na nirgacchatu, kintu yēna śrōturupakārō jāyatē tādr̥śaḥ prayōjanīyaniṣṭhāyai phaladāyaka ālāpō yuṣmākaṁ bhavatu|
30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
aparañca yūyaṁ muktidinaparyyantam īśvarasya yēna pavitrēṇātmanā mudrayāṅkitā abhavata taṁ śōkānvitaṁ mā kuruta|
31 Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
aparaṁ kaṭuvākyaṁ rōṣaḥ kōṣaḥ kalahō nindā sarvvavidhadvēṣaścaitāni yuṣmākaṁ madhyād dūrībhavantu|
32 ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.
yūyaṁ parasparaṁ hitaiṣiṇaḥ kōmalāntaḥkaraṇāśca bhavata| aparam īśvaraḥ khrīṣṭēna yadvad yuṣmākaṁ dōṣān kṣamitavān tadvad yūyamapi parasparaṁ kṣamadhvaṁ|

< Efesiana 4 >