< Efesiana 2 >
1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
Kadeni mwavene mwafwili muwumi winu wa chimpungu ndava ya kubela kuyidakila Chapanga kumbudila kwinu Chapanga.
2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; (aiōn )
Lukumbi lula mweatamili kulandana na mtindu uhakau wa mulima wenuwo. Mwavi mwiyidakila chilongosi wa mizuka weuvi na makakala ga kunani, mzuka weukuvalongosa hinu vandu vangamyidakila Chapanga. (aiōn )
3 teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
Na hati, tete tavoha tavili ngati vene kwa kulandana na mnogo uhakau wetivelikwi nawu tatamili mukuhenga kila chechiganisa higa na luhala lwitu. Muhali yeniyo ngati vangi voha taganikiwi ligoga la Chapanga.
4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,
Nambu kwa lipyana lamahele la Chapanga na uganu waki uvaha kwitu,
5 na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
Hati lukumbi lula patakavili tifwili muwumi witu chimpungu ndava ya kumbudila Chapanga atikitili vawumi pamonga na Kilisitu. Kwa ubwina wa Chapanga nyenye musanguliwi.
6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy,
Mukuwungana na Yesu Kilisitu Chapanga atiyukisi pamonga nayu kutitamika tilongosa pamonga nayu kwenuko kunani kwa Chapanga.
7 mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy. (aiōn )
Akitili chenichi muni alangisa kwa lusenje lwoha ubwina wa Chapanga uvaha na wakukangasa mu njila ya lipyana laki mukuwungana kwitu na Kilisitu Yesu. (aiōn )
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra;
Ndava muni, muubwina wa Chapanga musanguliwi mu njila ya sadika. Yeniyo yihumila lepi na nyenye nambu njombi kuhuma kwa Chapanga.
9 tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Yihumila lepi na lihengu la mundu ndi mundu yeyoha akotoka kujikwiha.
10 Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
Chapanga atiwumbili tivya vamupya mukuwungana na Kilisitu Yesu, muni titama wumi wa kuhenga gabwina ngati cheatitendelekili kuhuma kadeni tihamba mu njila yeniyo.
11 Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ ny voaforan-tanana teo amin’ ny nofo hoe tsy voafora ―
Hinu mukumbuka nyenye kwa kuvelekewa vandu mwanga Vayawudi, mwemkemelewa mwangadumula jandu. Mujandu ya higa yeyikitiwa na mawoko.
12 eny, tsarovy fa tamin’ izany andro izany dia tsy nanana an’ i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao;
Lukumbi lula nyenye mwavi changali Kilisitu, mwavi lepi vandu va Isilaeli, mwavi vayehe na mwavi lepi Vayawudi vandu vevahaguliwi na Chapanga mwavi lepi pandu popoha mu lilaganu leavalagazili Chapanga kwa vandu vaki. Mweatamili pamulima vangammanya Chapanga amala huvalila.
13 fa ankehitriny kosa, ao amin’ i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy.
Nambu hinu, mukuwungana na Kilisitu Yesu, nyenye penapo kadeni mwavili kutali, muhegelili papipi mu njila ya ngasi yaki Kilisitu.
14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
Ndava muni Kilisitu mwene atiletili uteke kwa kuvakita Vayawudi na vangali Vayawudi kuvya vamonga. Kuwusa higa yaki ngati luteta mwene agwisili luhumba lwelukuvalekanganisi na kuvakita makoko.
15 fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
Awusili malagizu gala pamonga na malagizu gaki, muni misambi yivili ya vandu ava vavyai chindu chimonga mukuwungana nayu, aletili uteke kwa njila yeniyo.
16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
Mu njila ya lifwa laki, Kilisitu pamsalaba ahalabisi umakoko wavi na avawunganisi vandu va makabila ndalindali kuvya vamonga akavaleta kwa Chapanga.
17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’ izay akaiky koa.
Hinu Kilisitu abwelili akakokosa Lilovi la Bwina la uteke kwinu mwemwavili kutali na uteke kwavi vevavi papipi na Chapanga.
18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray.
Ndava ya gala gehagahengili Kilisitu, tete tavoha Vayawudi na vandu vangali Vayawudi, tihotola kumhambila Dadi mu Mpungu Msopi mmonga.
19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,
Ndi nyenye vandu vangali Vayawudi vayehe lepi kavili, vakolonjinji pamonga na vandu va Chapanga muvi na lukolo lwa vana va Chapanga.
20 natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
Mujengiwi mu mkingisa weuvikiwi na vamitumi na Vamlota va Chapanga, na Yesu Kilisitu mwene ndi liganga likulu la pamhana la mkingisa.
21 ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masìna ao amin’ ny Tompo.
Mwene ndi mweijenga na kuwunganisa loha yiyonjokeseka kuvya Nyumba ya Chapanga ya msopi yeyivikiwa kwa Bambu.
22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy.
Mukuwungana nayu, mewa nyenye mujengiwi pamonga na vandu voha kuvya matamilu ga Chapanga mu njila ya Mpungu Msopi.