< Mpitoriteny 9 >

1 Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
For all this did I reflect over in my heart and to explain all this, that the righteous, and the wise, and their services, are in the hand of God: that man knoweth neither love nor hatred; it is all [ordained] before them;
2 Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.
Every thing as it is to happen to all; there is but one occurrence for the righteous, and for the wicked; for the good and for the clean, and for the unclean; and for him that sacrificeth, and for him that sacrificeth not; as is the good, so is the sinner; he that sweareth, as he that feareth an oath.
3 Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
This is an evil among all things that are done under the sun, that there is one occurrence for all, and that also the heart of the sons of men is full of evil, and that madness is in their heart while they live, and after this they go to the dead.
4 Fa izay rehetra isan’ ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
For whoever is yet united with all the living hath still hope; for a living dog fareth better than a dead lion.
5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
For the living know that they will die; but the dead know not the least; nor have they longer any reward; for their memory is forgotten.
6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro izy.
Also their love, and their hatred, and their envy, are now already lost; and they will have never more a portion in all that is done under the sun.
7 Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
Go, eat with joy thy bread, and drink with a merry heart thy wine, if God have already received thy works in favor.
8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
At all times let thy garments be white, and let oil not be wanting on thy head.
9 Miravoravoa amin’ ny vady malalanao amin’ ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ ny andro iainanao sy amin’ ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ ny masoandro.
Enjoy life with the wife whom thou lovest all the days of the life of thy vanity, which God hath given thee under the sun, [yea, ] all the days of thy vanity; for this is thy portion in this life, and in thy toil with which thou toilest under the sun.
10 Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao. (Sheol h7585)
Whatsoever thy hand findeth to do with thy might, that do; for there is no work, nor experience, nor knowledge, nor wisdom, in the nether world, whither thou goest.— (Sheol h7585)
11 Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
I turned about, and saw under the sun, that the race is not to the swift, nor the battle to the mighty; and that also the wise have no bread, nor yet the men of understanding riches, nor yet men of knowledge favor; but time and fate will overtake them all.
12 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
For man also knoweth not his time, like the fishes that are caught in an evil net, and like the birds that are caught in the snare: like these are the sons of men ensnared at an evil time, when it falleth upon them suddenly.
13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
Also in this manner have I seen wisdom under the sun, and it seemed great unto me:
14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
There was a little city, and the men therein were few; and there came against it a great king, who enclosed it, and built around it great works of siege;
15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
But there was found in it a poor wise man, and he delivered the city by his wisdom; yet no man had thought of that same poor man.
16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
Then said I, Wisdom is better than might: although the poor man's wisdom is held in contempt, and his words are not heard.
17 Ny tenin’ ny hendry izay re amin’ ny mangingina dia mahery noho ny fitreron’ izay mpanapaka adala.
The words of wise men heard in quiet are better than the cry of him that ruleth among fools.
18 Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
Wisdom is better than weapons of war; but one sinner causes much good to be lost.

< Mpitoriteny 9 >