< Mpitoriteny 6 >

1 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ary mitambesatra amin’ ny olona izany:
Il est une calamité que j'ai vue sous le soleil, et qui pèse souvent sur les humains.
2 dia olona izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen’ Andriamanitra fahefana hihinana amin’ izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
Il est tel homme auquel Dieu donne des biens, des richesses et de la gloire, et cela, à ce qu'il ait de quoi ne priver son âme de rien de ce qu'il désire; et Dieu ne le laisse pas maître d'en jouir, mais c'est un étranger qui en jouit. C'est là une vanité et un mal fâcheux.
3 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
Si un homme avait cent fils, et s'il vivait un grand nombre d'années, et que les jours de ses années se multipliassent, et si son âme ne se rassasiait pas de bien-être, et que de plus il restât sans sépulture, je dirais: Plus heureux que lui est l'avorton;
4 Fa toa zava-poana no nihavian’ io, ary mandeha ao amin’ ny maizina izy, sady ho voasaron’ ny aizina ny anarany,
car celui-ci naît vainement, et il s'en va obscurément, et les ténèbres recouvrent son nom;
5 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
il n'a non plus ni vu ni connu le soleil: il a le repos de plus que l'autre.
6 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin’ ny fitoerana iray ihany va no alehan’ izy rehetra?
Que s'il vivait deux fois mille ans, mais sans jouir des biens… tout ne va-t-il pas au même rendez-vous? –
7 Ny fisasarana rehetra ataon’ ny olona dia ho an’ ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
Tout le labeur de l'homme aboutit à sa bouche; toutefois sa cupidité n'est jamais assouvie.
8 Fa inona no soa azon’ ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ ny velona?
Quel avantage, en effet, le sage a-t-il sur le fou? Quel avantage, le pauvre qui sait vivre en face des hommes?
9 Ny fahitan’ ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin’ ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Mieux vaut ce qui est à la portée de nos yeux, que le mouvement de la cupidité: il est aussi une vanité et un effort stérile.
10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’ izay mahery noho izy.
Ce qui existe, a dès longtemps été appelé par son nom; et l'on sait ce qu'est l'homme, et il ne saurait disputer avec Celui qui est plus puissant que lui.
11 Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ ny olona?
Car il y a une multitude de choses qui multiplient la vanité.
12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin’ ny masoandro?
Qu'est-ce qui reste à l'homme? Car qui sait ce qui est bien pour l'homme dans la vie, pendant les quelques jours de sa vie de vanité qu'il passe comme l'ombre? Et qui révélera à l'homme ce qui aura lieu après lui sous le soleil?

< Mpitoriteny 6 >