< Mpitoriteny 4 >
1 Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
A LAILA, haliu au a ike aku la i na mea luhi i hanaia malalo iho o ka la, aia hoi, na waimaka o ka poe i hooluhiia, aohe mea nana lakou e kokua mai; a ma ka aoao o ka poe nana lakou i hooluhi, he ikaika; aka, aohe mea nana lakou e kokua mai.
2 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
No ia mea, hoomaikai aku la au i ka poe make, ka poe i make i ka wa i hala aku nei, mamua o ka poe ola, ka poe ola i keia wa e noho nei kakou.
3 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory.
Oia hoi, ua oi aku mamua o laua a elua ka maikai o ka mea i hanau ole ia, ka mea i ike ole i ka hana ino i hanaia malalo iho o ka la.
4 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ua ike au i na mea luhi a pau, a me na hana pololei a pau, aia hoi, no ia mau mea, ua huahuaia mai ke kanaka e kona hoalauna. He mea lapuwale keia a me ka luhi hewa.
5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
Ua hookui mai la ka mea naaupo i kona mau lima, a ai iho la i kona io iho.
6 Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
Ua oi aku ka piha ana o ka lima hookahi me ka noho oluolu mamua o ko na lima elua me ka hana kaumaha, a me ka luhi hewa.
7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro:
Alaila, haliu hou ae la au, a ike i ka mea lapuwale malalo iho o ka la.
8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Aia, he mea hookahi, aole ona lua, aole ana keiki, aole ona hoahanau; aka, o kana hana ana, aole e pau, aole pili iki kona mau maka i ka nana i ka waiwai, aole ia i ninau iho, No wai ko'u e hana nei, a i hoonele i ko'u uhane i ka maikai? He mea lapuwale keia, a he mea luhi loa no hoi.
9 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
Ua oi aku ka maikai o na mea elua mamua o ka mea hoohahi; no ka mea, ia laua ka uku maikai no ka laua hana ana.
10 Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
No ka mea, ina e haule kekahi, e hoala kekahi i kona hoa; aka, auwe hoi ka mea hookahi i kona haule ana, no ka mea, aohe mea nana ia e hooala mai.
11 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
Ina i moe pu na mea elua e pumehana no laua; aka hoi, pehea a mehana ai ka mea hookahi?
12 Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
Ina e hana eha ia mai kekahi, e hiki no i na mea elua ke lanakila maluna o ia mea, a o ke kaula kaakolu, aole ia e moku koke.
13 Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
Oi aku ka maikai o ke keiki ilihune me ka naauao, mamua o ke alii elemakule me ka naaupo, ka mea hiki ole ke aoia mai.
14 fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
No ka mea, puka mai ia mai ka hale hooluhi o alii ai; aka, o ka mea i hanau alii ia ua lilo ia i mea ilihune.
15 Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
Ike iho la au i ka poe ola a pau e hele ana malalo iho o ka la, me ka lua o ke keiki, i ku i kona hakahaka.
16 Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Aole pau i ka heluia na kanaka, ka poe mamua o lakou; a o ka poe mahope, aole lakou olioli ia ia. He mea lapu wale keia, a me ka luhi hewa.