< Mpitoriteny 12 >
1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
Et souviens-toi de ton Créateur dans les jours de ta jeunesse, avant que soient venus les jours mauvais, et avant qu’arrivent les années dont tu diras: Je n’y prends point de plaisir;
2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
avant que s’obscurcissent le soleil, et la lumière, et la lune, et les étoiles, et que les nuages reviennent après la pluie;
3 fa amin’ izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
au jour où tremblent les gardiens de la maison, et où se courbent les hommes forts, et où chôment celles qui moulent, parce qu’elles sont en petit nombre, et où ceux qui regardent par les fenêtres sont obscurcis,
4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon’ ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;
et où les deux battants de la porte se ferment sur la rue; quand baisse le bruit de la meule, et qu’on se lève à la voix de l’oiseau, et que toutes les filles du chant faiblissent;
5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe
quand aussi on craint ce qui est haut, et qu’on a peur sur le chemin, et quand l’amandier fleurit, et que la sauterelle devient pesante, et que la câpre est sans effet; (car l’homme s’en va dans sa demeure des siècles, et ceux qui mènent deuil parcourent les rues; )
6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
– avant que le câble d’argent se détache, que le vase d’or se rompe, que le seau se brise à la source, et que la roue se casse à la citerne;
7 ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.
et que la poussière retourne à la terre, comme elle y avait été, et que l’esprit retourne à Dieu qui l’a donné.
8 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
Vanité des vanités, dit le prédicateur; tout est vanité!
9 Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
Et de plus, parce que le prédicateur était sage, il a encore enseigné la connaissance au peuple; et il a pesé et sondé, [et] mis en ordre beaucoup de proverbes.
10 Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ ny fahamarinana.
Le prédicateur s’est étudié à trouver des paroles agréables; et ce qui a été écrit est droit, des paroles de vérité.
11 Ny tenin’ ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen’ ny mpiandry iray izy;
Les paroles des sages sont comme des aiguillons, et les recueils, comme des clous enfoncés: ils sont donnés par un seul pasteur.
12 ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
Et de plus, mon fils, laisse-toi instruire par eux: à faire beaucoup de livres, il n’y a point de fin, et beaucoup d’étude lasse la chair.
13 Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra.
Écoutons la fin de tout ce qui a été dit: Crains Dieu, et garde ses commandements; car c’est là le tout de l’homme,
14 Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.
car Dieu amènera toute œuvre en jugement, avec tout ce qui est caché, soit bien, soit mal.