< Mpitoriteny 10 >

1 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
Kama vile nzi waliokufa huacha harufu mbaya kwenye manukato, ndivyo upumbavu kidogo huzidi nguvu hekima na heshima.
2 Ny fon’ ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ ny adala kosa dia eo ankaviany.
Moyo wa mwenye hekima huelekea kuume, lakini moyo wa mpumbavu huelekea kushoto.
3 Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ ny olona rehetra izy fa adala.
Hata anapotembea barabarani, mpumbavu hukosa ufahamu na kudhihirisha kwa kila mmoja jinsi alivyo mpumbavu.
4 Raha tezeran’ ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
Kama hasira ya mtawala ikiwaka dhidi yako, usiache mahali pako, utulivu huweza kuzuia makosa mengi.
5 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon’ ny mpanapaka izany;
Kuna ubaya niliouona chini ya jua, aina ya kosa litokalo kwa mtawala:
6 Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin’ ny toerana ambany.
Wapumbavu kuwekwa kwenye nafasi nyingi za juu, wakati matajiri hushika nafasi za chini.
7 Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
Mimi nimeona watumwa wamepanda farasi, wakati wakuu wakitembea kwa miguu kama watumwa.
8 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin’ ny menarana.
Yeye achimbaye shimo aweza kutumbukia ndani yake, yeyote abomoaye ukuta anaweza kuumwa na nyoka.
9 Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
Yeyote apasuaye mawe inawezekana yakamuumiza, yeyote apasuaye magogo inawezekana yakamuumiza.
10 Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
Kama shoka ni butu na halikunolewa, nguvu nyingi zinahitajika, lakini ustadi utaleta mafanikio.
11 Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
Kama nyoka akiuma kabla ya kufanyiwa uaguzi, mwaguzi hatahitajika tena.
12 Soa ny teny aloaky ny vavan’ ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
Maneno yatokayo kinywani mwa mtu mwenye hekima yana neema, bali mpumbavu huangamizwa na midomo yake mwenyewe.
13 Ny fiandohan’ ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
Mwanzoni maneno yake ni upumbavu, mwishoni ni wazimu mbaya,
14 Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
naye mpumbavu huzidisha maneno. Hakuna yeyote ajuaye linalokuja, ni nani awezaye kueleza ni jambo gani litakalotokea baada yake?
15 Ny fisasaran’ ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
Kazi ya mpumbavu humchosha mwenyewe, hajui njia iendayo mjini.
16 Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
Ole wako, ee nchi ambayo mfalme wako alikuwa mtumwa na ambayo wakuu wako hufanya karamu asubuhi.
17 Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’ andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’ izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
Heri wewe, ee nchi ambayo mfalme wako ni wa uzao wenye kuheshimika na ambayo wakuu wako hula chakula kwa wakati unaofaa: ili kupata nguvu na si kwa ajili ya ulevi.
18 Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan’ ny tanana no mampitete ny trano.
Kama mtu ni mvivu paa la nyumba huinama, kutokana na mikono milegevu, nyumba huvuja.
19 Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
Karamu hufanywa kwa ajili ya kicheko, nao mvinyo hufurahisha maisha, lakini fedha ni jawabu la mambo yote.
20 Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
Usimshutumu mfalme hata ikiwa ni katika mawazo yako, au kumlaani tajiri katika chumba chako cha kulala, kwa sababu ndege wa angani wanaweza kuchukua maneno yako, naye ndege anayeruka anaweza kutoa taarifa ya yale uliyosema.

< Mpitoriteny 10 >