< Deotoronomia 9 >

1 Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Sikiliza, Israeli; umekaribia kuvuka ng'ambo ya pili ya Yordani leo, kuyafukuza mataifa yenye nguvu na ushujaa kuliko ninyi, na miji ambayo ni mikuu na yenye boma iliyoenda juu,
2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
watu wakuu na warefu, wana wa Anakimu, ambaye mnamjua, na yule mliomsikia watu wakisema, 'Nani atasimama mbele ya wana wa Anak?
3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
Kwa hiyo tambua leo kwamba, Yahwe Mungu wenu ni yeye ambaye huenda mbele yenu kama moto uwalao; atawaharibu na kuwaangamiza mbele yenu, kwa hiyo mtawaondosha na kuwafanya kuwapoteza kwa haraka, kama Yahwe alivyosema kwenu.
4 Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
Msiseme kwenye mioyo yenu, baada ya Yahwe Mungu wenu kuwatupilia toka mbele yenu, “ilikuwa kwa sababu ya haki yangu kwamba Yahwe amenileta mimi kuimiliki nchi hii; kwa kuwa ilikuwa kwa sababu ya maovu ya mataifa haya kwamba Yahwe anawaondowa toka mbele yenu.
5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
Si kwa sababu ya uadilifu wenu au unyofu wa mioyo yenu ambayo mnaenda kuingia kumiliki nchi yao, lakini ni kwa sababu ya maovu ya mataifa haya ambayo Mungu anawaondowa kutoka mbele zenu, na kusudi alifanye kuwa kweli neno ambalo aliapa kwa mababu zenu, Ibrahimu, Isaka na Yakabo.
6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
Kwa hiyo tambua, kwamba Yahwe Mungu wenu awapi ninyi nchi hii nzuri kuimiliki kwa sababu ya uadilifu wenu kwa kuwa ni watu wakaidi.
7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
Kumbuka na msisahau jinsi mlivyomchochea Yahwe Mungu wenu katika hasira huko jangwani; kutoka siku hiyo ambayo mliacha nchi ya Misri mpaka mlipokuja kwenye eneo hili, mmekuwa waasi dhidi ya Yahwe.
8 Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
Pia huko Horebu mlimchochea Yahwe katika hasira, na Yahwe alikasirika vya kutosha kwenu kuwaangamiza.
9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Wakati nilipoenda juu ya mlima kupokea mbao za mawe, mbao za agano ambalo Yahwe alifanya nanyi, Nilibaki kwenye mlima kwa siku arobaini na usiku arobaini; Wala sikula mkate wala kunywa maji.
10 dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.
Yahwe alinipa mbao mbili za mawe zilizoandikwa kwa kidole chake; juu yake kuliandikwa kila kitu kama tu maneno yote ambayo Yahwe alitangaza kwenu juu ya mlima toka katikati mwa moto siku hiyo ya kusanyiko.
11 Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
Ilitokea mwishoni mwa siku hizo arobaini na usiku arobaini ya kwamba Yahwe alinipa mimi mbao mbili za mawe, mbao za agano.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
Yahwe alisema nami, 'Inuka, nenda chini haraka kutokea hapa, kwa kuwa watu wako, ambao uliwaleta toka Misri, wamekuwa wafisadi wenyewe. Kwa haraka wamegeuka toka kwenye njia ambayo niliwaamuru. Wamejifanyia wenyewe umbo la kutupwa.
13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
Zaidi ya hayo, Yahwe alizungumza na mimi na kusema, “Nimewaona watu hawa; ni watu wakaidi.
14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
Acha mimi peke yangu, ili kwamba niweze kuwaangamiza na kulifuta jina lao kutoka chini ya mbingu, na nitawafanya ninyi taifa lenye nguvu na kuu kuliko wao.”
15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
Kwa hiyo niligeuka nyuma na kushuka chini ya mlima, na mlima ulikuwa ukiwaka moto. Mbao mbili za agano zilikuwa kwenye mikono yangu.
16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.
Nilitazama, na tazama, mlikuwa mmefanya dhambi dhidi ya Yahwe Mungu wenu. Mmejitengenezea wenyewe ndama. Kwa haraka mmegeuka toka njia ambayo Yahwe alikuwa amewaamuru.
17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
Nilizichukua mbao mbili na kuzitupa toka mikononi mwangu. Nilizivunja mbele ya macho yenu.
18 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Tena nilala kifudifudi mbele ya Yahwe kwa siku arobaini na usiku arobaini; wala sikula mkate wala kunywa maji, kwa sababu dhambi zenu zote ambazo mlikuwa mmefanya, kwa kufanya hivyo ambavyo ilikuwa ni mbaya machoni pa Yahwe, ili kwamba kumchochea yeye katika hasira.
19 Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’ i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’ izany andro izany.
Kwa kuwa nilikuwa nimeogopa hasira na gadhabu kali ambayo Yahwe alikuwa amekasirika vya kutosha dhidi yenu kuwaangamiza. Lakini Yahwe alinisikiliza mimi kwa wakati huo pia.
20 Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’ i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’ i Arona koa aho tamin’ izany andro izany.
Yahwe alikuwa na hasira nyingi na Aaroni kwa kusudi la kumuangamiza; pia niliomba kwa ajili ya Aaroni kwa wakati huohuo.
21 Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.
Nilichukua dhambi zenu, ndama mliyekuwa mmentengeza, na kumchoma, kumpiga, kumweka chini kuwa mdogo, mpaka ilipokuwa laini kama vumbi. Nilirusha vumbi lake katika mkondo ambao ulitiririka chini kutoka mlimani.
22 Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.
Huko Taberah, Massah, na huko Kibrothi Hattaavah, mlimchochea Yahwe kwenye adhabu.
23 Ary raha nampandehanin’ i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
Wakati Yahwe aliwatoa kutoka Kadeshi ya Barnea na kusema, 'Nenda juu na umiliki nchi ambayo nimekupa, 'ndipo mliasi dhidi ya agizo la Yahwe Mungu wenu, na hamkumwamini na kumsikiliza sauti yake.
24 Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
Mmekuwa waasi dhidi ya Yahwe toka siku ile nilipowajua.
25 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
Kwa hiyo nilala kifudifudi mbele ya Yahwe siku zile arobaini na usiku arobaini, kwa sababu alikuwa amesema kwamba angewaangamiza.
26 Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
Niliomba kwa Yahwe na kusema, 'Oh Bwana Yahwe, usiwaangamize watu wako au warithi wako ambao uliwaokoa kwa ukuu wako, ambapo uwatoa toka Misri kwa mkono wa uweza.
27 Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
Akilini waite watumishi wenu Ibrahimu, Isaka, na Yakobo; msiangalie ukaidi wa watu hawa, wala maovu yao, dhambi zao,
28 fandrao izay monina amin’ ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’ i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
ili kwamba nchi ambayo ulitutoa iseme, “Kwa sababu Yahwe hakuweza kuwaleta katika nchi aliyowaahadia, na kwa sababu aliwachukia, amewaleta nje kuwauwa katika jangwa.
29 Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
Bado ni watu wa kwenu na urithi wenu, ambao uliwatoa kwa nguvu zako kuu na kwa kuonesha mamlaka yako,

< Deotoronomia 9 >