< Deotoronomia 9 >
1 Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Чуј, Израиљу! Ти данас прелазиш преко Јордана да уђеш и наследиш народе веће и јаче од себе, градове велике и ограђене до неба.
2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
Велик и висок народ, синове Енакове, које знаш и за које си слушао:
3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
Знај дакле данас да је Господ Бог твој, који иде пред тобом, огањ који спаљује; Он ће их истребити и Он ће их оборити пред тобом, и изгнаћеш их и истребити брзо, као што ти је казао Господ.
4 Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
Кад их Господ Бог твој отера испред тебе, немој да кажеш у срцу свом: За правду моју уведе ме Господ у ову земљу да је наследим; јер Господ тера оне народе испред тебе за неваљалство њихово!
5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
Не идеш за правду своју ни за чистоту срца свог да наследиш ту земљу; него за неваљалство тих народа Господ Бог твој отера их испред тебе, и да одржи реч за коју се заклео оцима твојим, Авраму, Исаку и Јакову.
6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
Знај, дакле, да ти Господ Бог твој не даје те добре земље за правду твоју да је наследиш, јер си тврдоврат народ.
7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
Памти и не заборави како си гневио Господа Бога свог у пустињи; од оног дана кад изиђосте из земље мисирске па докле дођосте на ово место, непокорни бејасте Господу.
8 Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
И код Хорива разгневисте Господа, и од гнева хтеде вас Господ да истреби.
9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Кад изиђох на гору да примим плоче камене, плоче завета, који с вама учини Господ, тада стајах на гори четрдесет дана и четрдесет ноћи хлеба не једући ни воде пијући.
10 dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.
И даде ми Господ две плоче камене, исписане прстом Господњим, на којима беху речи све које вам изговори Господ на гори исред огња на дан збора вашег.
11 Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
После четрдесет дана и четрдесет ноћи даде ми Господ две плоче камене, плоче заветне.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
И рече ми Господ: Устани, сиђи брже одавде; јер се поквари народ твој који си извео из Мисира, сиђоше брзо с пута који им заповедих, и начинише себи ливен лик.
13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
Још ми рече Господ говорећи: Погледах овај народ, и ето је народ тврдог врата.
14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
Пусти ме да их истребим и име њихово затрем под небом; а од тебе ћу учинити народ јачи и већи него што је овај.
15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
И ја се вратих и сиђох с горе, а гора огњем гораше, и две плоче заветне беху ми у рукама.
16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.
И погледах, а то згрешисте Господу Богу свом саливши себи теле, и брзо сиђосте с пута који вам беше заповедио Господ.
17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
Тада узех оне две плоче и бацих их из руку својих, и разбих их пред вама.
18 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Потом падох и лежах пред Господом као пре, четрдесет дана и четрдесет ноћи, хлеба не једући ни воде пијући, ради свих греха ваших, којима се огрешисте учинивши што је зло пред Господом и разгневивши Га.
19 Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’ i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’ izany andro izany.
Јер се бојах гнева и јарости, којом се беше Господ разљутио на вас да вас истреби; и услиши ме Господ и тада.
20 Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’ i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’ i Arona koa aho tamin’ izany andro izany.
Беше се Господ и на Арона разгневио веома да га хтеде убити; али се молих тада и за Арона.
21 Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.
И узех грех ваш који учинисте, теле, и сажегох га огњем, и разбих га и сатрх га у прах, и просух прах његов у поток, који тече с оне горе.
22 Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.
И у Тавери и у Маси и у Киврот-Атави гневисте Господа.
23 Ary raha nampandehanin’ i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
И кад вас посла Господ у Кадис-Варнију говорећи: Идите и узмите ту земљу коју сам вам дао, опет се супротисте речи Господа Бога свог, и не веровасте Му и не послушасте глас Његов.
24 Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
Непокорни бејасте Господу од кад вас познах.
25 Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
Зато падох и лежах пред Господом четрдесет дана и четрдесет ноћи, јер беше рекао Господ да ће вас потрти.
26 Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
И молих се Господу и рекох: Господе, Господе! Немој потрти народ свој и наследство своје, које си избавио величанством својим, које си извео из Мисира крепком руком.
27 Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
Опомени се слуга својих Аврама, Исака и Јакова, не гледај на тврђу народа овог, на неваљалство његово и на грехе његове;
28 fandrao izay monina amin’ ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’ i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
Да не кажу који живе у земљи одакле си нас извео: Није их могао Господ увести у земљу коју им обећа, или мрзео је на њих, зато их изведе да их побије у пустињи.
29 Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
Јер су Твој народ и Твоје наследство, које си извео силом својом великом и мишицом својом подигнутом.