< Deotoronomia 7 >
1 Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
A IA kai aku o Iehova kou Akua ia oe i ka aina au e hele aku nei e noho ilaila, a hookuke aku ia i na lahuikanaka, he nui mamua ou, i ka Heta, i ka Giregasa, me ka Amora, me ka Kanaana, me ka Periza, me ka Heva, a me ka Iebusa, i ehiku lahuikanaka, ua oi aku ko lakou nui a me ko lakou ikaika i kou;
2 ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
A hoolilo mai o Iehova kou Akua ia lakou imua ou; alaila e pepehi aku oe ia lakou, a pau lakou i ka make; mai hookuikahi oe me lakou; a mai aloha aku ia lakou:
3 ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
Mai hoopalau hoi me lakou; mai haawi i kau kaikamahine na kana keikikane; mai lawe oe i kana kaikamahine na kau keikikane.
4 Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
No ka mea, e hoohuli ae lakou i kau keiki, i ole ia e hahai mai ia'u, i malama aku lakou i na akua e: pela e hoaaia mai ai ka inaina o Iehova ia oukou, a e luku koke mai ia oe.
5 Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
Penei oukou hana aku ai ia lakou; e hoohiolo oukou i ko lakou mau kuahu, e wawahi iho i ko lakou poe kii, e kua ilalo i ko lakou mau kii o Asetarota, a e puhi aku i ko lakou mau kiikalaiia i ke ahi.
6 Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
No ka mea, he poe kanaka laa oukou no Iehova kou Akua: na Iehova na kou Akua i wae mai ia oukou, i poe kanaka ponoi nona, mamua o na kanaka a pau maluna o ka honua.
7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
Aole o Iehova i aloha mai ia oukou, a i wae mai ia oukou, no ka oi o ko oukou nui i ko na kanaka e ae a pau; no ka mea, he poe uuku oukou i na kanaka a pau:
8 fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
Aka, no ke aloha o Iehova ia oukou, a no kona malama i ka hoohiki ana i hoohiki ai i ko oukou poe kupuna; nolaila i kai mai nei o Iehova ia oukou me ka lima ikaika, a e hoopakele ia oukou mai ka hale hooluhi mai, mailoko mai o ka lima o Parao, ke alii o Aigupita.
9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
E ike hoi oe, o Iehova kou Akua, oia no ke Akua, he Akua oiaio, e malama ana i ka berita, a i ke aloha no ka poe i aloha aku ia ia, a malama hoi i kana mau kauoha, a hiki i ke tausani o na hanauna:
10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
A e hoopai koke ana hoi i ka poe inaina ia ia, e luku ia lakou, aole ia e lohi i ka mea inaina ia ia, e hoopai koke ana no ia ia.
11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
Nolaila, e malama oe i na kauoha a me na kanawai, a me na olelo kupaa a'u e kauoha aku nei ia oe i keia la, a e hana hoi ia mea.
12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
No ia hoi, ina e hoolohe oukou i keia mau olelo kupaa, a e malama, a e hana hoi ia mau mea, alaila e malama mai o Iehova kou Akua i ka berita a me ke aloha nou, ana i hoohiki ai i kou poe kupuna.
13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.
A e aloha mai ia ia oe a e hoopomaikai mai ia oe, a e hoomahuahua mai ia oe: e hoopomaikai mai hoi ia i ka hua o kou opu, a me ka hua o kou aina, i kau palaoa a me kou waina, a me kou aila, a me ka hanau ana o kou poe bipi, a me kau poe hipa, ma ka aina ana i hoohiki ai i kou mau kupuna e haawi mai ia oe.
14 Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
E oi aku kou hoopomaikaiia mamua o ko ua kanaka a pau: aole he kane keiki ole, aole he wahine pa iwaena o oukou, aole hoi iwaena o na holoholona a oukou.
15 Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
A e lawe aku o Iehova i na mai a pau mai ou aku nei, aole hoi ia e kau i kekahi mai ahulau o Aigupita maluna iho ou, au i ike ai; aka, e kau aku kela ia mea maluna iho o ka poe a pau e inaina mai ia oe.
16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
A e hoopau aku oe i na kanaka a pau a Iehova kou Akua e hoolilo mai nou; mai minamina aku kou maka ia lakou, mai malama hoi oe i ko lakou mau akua; no ka mea, e lilo ia i mea hihia nou.
17 Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
Ina paha e i iho oe maloko o kou naau, Ua oi aku ka nui o keia mau lahuikanaka i ko'u; pehea la e hiki ia'u ke kipaku aku ia lakou?
18 dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
Mai makau oe ia lakou; e hoomanao pono oe i ka mea a Iehova kou Akua i hana'i ia Parao, a me ko Aigupita a pau:
19 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.
I na hoao nui a kou maka i ike ai, a me na hoailona, a me na mea kupanaha, a me ka lima ikaika, a me ka lima kakauha a Iehova kou Akua i lawe mai nei ia oe; pela no o Iehova kou Akua e hana aku ai i na kanaka a pau au e makau nei.
20 Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin’ i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan’ izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
A e hoouna aku hoi o Iehova kou Akua i ka nalohopeeha iwaena o lakou, a pau lakou i ka lukuia, ka poe i waihoia, a me ka poe i pee mai ou aku la.
21 Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
Mai makau oe ia lakou; no ka mea, iwaena ou o Iehova kou Akua, he Akua nui, hooweliweli.
22 Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
A e kipaku liilii aku o Iehova kou Akua i kela mau luhuikanaka mamua ou: mai luku koke aku ia lakou a pau, o nui mai auanei na holoholona e alo mai ia oe.
23 Fa hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
A o Iehova kou Akua e hoolilo mai ia lakou imua ou, a e luku aku ia lakou me ka luku nui, a pau lakou i ka make.
24 Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
A e hoolilo mai ia i ko lakou mau alii iloko o kou lima, a e hokai oe i ko lakou inoa malalo iho o ka lani; aole e hiki i kekahi kanaka ke ku imua ou, a pau lakou i ka lukuia e oe.
25 Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
O na kii o ko lakou mau akua e puhi oukou i ke ahi; mai kuko aku oe i ke kala a i ke gula maluna o ia mea, aole hoi e lawe ia mea nau, o hihia auanei oe ilaila; no ka mea, he mea hoowahawahaia e Iehova kou Akua.
26 Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Aole hoi e lawe oe maloko o kou hale i ka mea hoowahawahaia, o lilo auanei oe i mea laa e like me ia; e hoowahawaha loa aku oe ia mea, a e hoopailua loa aku oe ia mea; no ka mea, he mea laa ia.