< Deotoronomia 6 >

1 Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
Og dette er det Bud, de Skikke og de Befalinger, som Herren eders Gud har budet at lære eder, for at I skulle gøre derefter i Landet, som I drage over til for at eje det;
2 mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
paa det du skal frygte Herren din Gud ved at holde alle hans Skikke og hans Bud, som jeg byder dig, du og din Søn og din Sønnesøn, alle dine Livsdage, og paa det at dine Dage maa forlænges.
3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.
Og, Israel! du skal høre og bevare dette og gøre derefter, at det maa gaa dig vel, og I maa blive saare mangfoldige, som Herren dine Fædres Gud har sagt dig, i et Land, som flyder med Mælk og Honning.
4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
Hør, Israel! Herren vor Gud, Herren er een.
5 Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Og du skal elske Herren din Gud af dit ganske Hjerte og af din ganske Sjæl og af al din Formue.
6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
Og disse Ord, som jeg byder dig i Dag, skulle være paa dit Hjerte.
7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
Og du skal indskærpe dine Børn dem og tale om dem, naar du sidder i dit Hus, og naar du gaar paa Vejen, og naar du lægger dig, og naar du staar op.
8 ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao,
Og du skal binde dem til et Tegn paa din Haand, og de skulle være dig til Spand imellem dine Øjne.
9 ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao.
Og du skal skrive dem paa Dørstolperne af dit Hus og paa dine Porte.
10 Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
Og det skal ske, naar Herren din Gud fører dig ind i det Land, som han har tilsvoret dine Fædre, Abraham, Isak og Jakob, at ville give dig, store og gode Stæder, som du ikke har bygget,
11 sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin’ ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
og Huse, fulde af alt godt, hvilke du ikke har fyldt, og udhugne Brønde, som du ikke har udhugget, Vingaarde og Oliegaarde, som du ikke har plantet, og du æder og bliver mæt:
12 dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Saa tag dig i Vare, at du ikke forglemmer Herren, som udførte dig af Ægyptens Land, af Trælles Hus.
13 Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
Du skal frygte Herren din Gud og tjene ham, og ved hans Navn skal du sværge.
14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
I skulle ikke gaa efter andre Guder, af de Folks Guder, som ere trindt omkring eder;
15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao.
thi Herren din Gud er en nidkær Gud midt iblandt dig; at Herren din Guds Vrede ikke skal optændes imod dig, og han skal udslette dig fra Jordens Kreds.
16 Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
I skulle ikke friste Herren eders Gud, saaledes som I fristede ham i Massa.
17 Tandremo tsara ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
I skulle flitteligen holde Herren eders Guds Bud og hans Vidnesbyrd og hans Skikke, som han har budet dig.
18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena azy,
Og du skal gøre det, som er ret og godt for Herrens Øjne, for at det skal gaa dig vel, og du skal komme ind og eje det gode Land, hvilket Herren har tilsvoret dine Fædre,
19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’ i Jehovah.
at han skal udstøde alle dine Fjender for dit Ansigt, som Herren har sagt.
20 Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika anareo?
Naar din Søn spørger dig herefter og siger: Hvad er det for Vidnesbyrd og Skikke og Befalinger, som Herren vor Gud har budet eder?
21 Dia holazainao aminy hoe: Andevon’ i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
da skal du sige til din Søn: Vi vare Faraos Trælle i Ægypten, og Herren udførte os af Ægypten med en stærk Haand,
22 Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
og Herren gjorde Tegn og store og fordærvelige Vidundere i Ægypten paa Farao og paa alt hans Hus for vore Øjne,
23 Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin’ ny razantsika homena azy.
og han udførte os derfra, paa det han vilde føre os ind for at give os det Land, som han havde tilsvoret vore Fædre.
24 Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’ izao anio izao.
Og Herren havde budet os at gøre alle disse Skikke, at frygte Herren vor Gud, at det maa gaa os vel alle Dage, og at han maa holde os ved Live, som det ses paa denne Dag.
25 Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
Og det skal være vor Retfærdighed, naar vi tage Vare paa at gøre efter alle disse Bud for Herren vor Guds Ansigt, som han har budet os.

< Deotoronomia 6 >