< Deotoronomia 4 >

1 Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
Sikia sasa, ee Israeli, amri na sheria nitakazokufundisha wewe. Zifuate ili upate kuishi na uingie kuimiliki nchi ambayo Bwana, Mungu wa baba zako anawapa.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
Usiongeze wala usipunguze chochote ninachowaamuru ninyi, ila myashike maagizo ya Bwana Mungu wenu ambayo nawapa.
3 Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Mliona kwa macho yenu wenyewe kile Bwana alichokifanya kule Baal-Peori. Bwana Mungu wenu aliwaangamiza kutoka miongoni mwenu kila mmoja aliyemfuata Baali wa Peori,
4 Fa ianareo izay nifikitra tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
lakini ninyi nyote mlioshikamana na Bwana kwa uthabiti, Mungu wenu, mko hai mpaka leo.
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Tazama, nimewafundisha amri na sheria kama Bwana Mungu wangu alivyoniamuru mimi, ili mzifuate katika nchi mnayoiingia kuimiliki.
6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
Zishikeni kwa uangalifu, kwa kuwa hii itaonyesha hekima na ufahamu wenu kwa mataifa, ambayo yatasikia kuhusu amri zote hizi, nao watasema, “Hakika taifa hili kubwa ni watu wenye hekima na ufahamu.”
7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
Ni taifa gani jingine lililo kubwa kiasi cha kuwa na miungu yao iliyo karibu nao kama Bwana Mungu wetu alivyo karibu nasi wakati wowote tunapomwomba?
8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
Nalo ni taifa gani jingine lililo kubwa hivi lenye kuwa na amri na sheria za haki kama hizi ninazoweka mbele yenu leo?
9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Mwe waangalifu, na makini ili msije mkasahau mambo ambayo mliyaona kwa macho yenu, wala kuyaacha yaondoke moyoni mwenu siku zote za uhai wenu. Mwafundishe hayo watoto wenu na watoto wao baada yao.
10 dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
Kumbuka siku uliyosimama mbele za Bwana Mungu wako kule Horebu, wakati aliponiambia, “Wakutanishe watu mbele yangu wasikie maneno yangu ili kwamba waweze kujifunza kuniheshimu kwa muda wote watakaoishi katika nchi, nao waweze kuwafundisha watoto wao maneno hayo.”
11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
Mlisogea karibu na mkasimama chini ya mlima wakati ulipowaka moto mpaka mbinguni juu, pamoja na mawingu meusi na giza nene.
12 Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
Ndipo Bwana alipozungumza nanyi kutoka moto. Mkasikia sauti ya maneno lakini hamkuona umbo, kulikuwa na sauti tu.
13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
Aliwatangazia Agano lake na Amri Kumi, ambazo aliwaamuru mzifuate, kisha akaziandika juu ya vibao viwili vya mawe.
14 Ary izaho nodidian’ i Jehovah tamin’ izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Naye Bwana alinielekeza wakati huo kuwafundisha ninyi sheria na amri ambazo mnapaswa kuzifuata katika nchi ambayo mnavuka Yordani kuimiliki.
15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;
Hamkuona umbo la aina yoyote siku ambayo Bwana alizungumza nanyi kule Horebu kutoka kwenye moto. Kwa hiyo mjihadhari kwa uangalifu sana,
16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
ili msije mkajichafua na kujitengenezea sanamu au kinyago chenye umbo lolote kama la mwanaume au mwanamke,
17 na sarim-biby izay etỳ ambonin’ ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ ny habakabaka,
au kama mnyama aliye juu ya nchi au ndege yeyote arukaye angani,
18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
au kama kiumbe kitambaacho juu ya ardhi au samaki yeyote aliye ndani ya maji.
19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
Na utazamapo juu angani na ukaliona jua, mwezi na nyota na vyote vinavyoipamba mbingu, usije ukashawishiwa kuviinamia na kuviabudu vile ambavyo Bwana Mungu wenu alivyogawia mataifa yote chini ya mbingu.
20 Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
Lakini kwenu ninyi, Bwana amewatoa kutoka kwenye tanuru ya kuyeyushia chuma, katika Misri kuwa watu wa urithi wake kama mlivyo sasa.
21 Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
Bwana alinikasirikia kwa sababu yenu na akaapa kwamba sitavuka Yordani kuingia katika nchi nzuri Bwana Mungu wenu anayowapa kuwa urithi wenu.
22 Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
Nitakufa katika nchi hii; sitavuka Yordani, lakini ninyi ni karibu mvuke mkaimiliki ile nchi nzuri.
23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Jihadharini msilisahau Agano la Bwana Mungu wenu lile alilofanya nanyi; msijitengenezee sanamu katika umbo la kitu chochote ambacho Bwana Mungu wenu amewakataza.
24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
Kwa kuwa Bwana Mungu wenu ni moto ulao, Mungu mwenye wivu.
25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Baada ya kuwa na watoto na wajukuu na kuishi katika nchi hiyo siku nyingi, tena kama mkijichafua na kutengeneza sanamu ya aina yoyote, mkifanya maovu machoni pa Bwana Mungu wenu na kumfanya awe na hasira,
26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
ninaziita mbingu na nchi kama mashahidi dhidi yenu siku hii kwamba mtaangamia mara moja kutoka nchi ile ambayo mnavuka Yordani kuimiliki. Hamtaishi kule kwa muda mrefu bali kwa hakika mtaangamizwa.
27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
Bwana atawatawanya miongoni mwa mataifa, na ni wachache wenu tu watakaosalia miongoni mwa mataifa hayo ambayo Bwana atawafukuzia.
28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
Huko mtaabudu miungu ya miti na mawe iliyotengenezwa na watu, ambayo haiwezi kuona au kusikia wala kula au kunusa.
29 Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Lakini kama mtamtafuta Bwana Mungu wenu, mtampata; kama mtamtafuta kwa moyo wenu wote na kwa roho yote.
30 Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
Wakati mnapokuwa katika dhiki, nayo mambo haya yote yamewatokea siku hizo, ndipo mtamrudia Bwana Mungu wenu na kumtii.
31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ ny razanao, izay efa nianianany taminy.
Kwa maana Bwana Mungu wenu ni Mungu mwenye huruma, hatawaacha au kuwaangamiza wala kusahau Agano alilofanya na baba zenu, alilowathibitishia kwa kiapo.
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ ny andro izay namoronan’ Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin’ ny tany ary hatramin’ ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
Sasa uliza kuhusu siku za zamani, zamani kabla ya wakati wako, tangu siku ile Mungu alipomuumba mtu juu ya nchi, uliza kutoka mwisho mmoja wa mbingu mpaka mwisho mwingine wa mbingu. Je, kumepata kutokea jambo jingine lililo kubwa kama hili, au kuna jambo jingine kama hilo limepata kusikiwa?
33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
Je, kuna watu wengine wowote waliosikia sauti ya Mungu ikizungumza kwenye moto, kama mlivyosikia, nao wakaishi?
34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Je, kuna mungu yeyote amepata kujaribu mwenyewe kuchukua taifa moja kutoka taifa lingine, kwa mapigo, kwa ishara za miujiza na maajabu, kwa vita, kwa mkono wenye nguvu na mkono ulionyooshwa au kwa matendo makuu ya kutisha, kama yale ambayo Bwana Mungu wenu aliyofanya kwa ajili yenu huko Misri mbele ya macho yenu?
35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
Mlionyeshwa mambo haya ili mpate kujua kuwa Bwana ndiye Mungu; hakuna mwingine ila yeye.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
Kutoka mbinguni amewasikizisha sauti yake ili kuwaadilisha. Hapa duniani aliwaonyesha moto wake mkubwa, nanyi mlisikia maneno yake kutoka kwenye ule moto.
37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
Kwa sababu aliwapenda baba zenu na alichagua wazao wao baada yao, aliwatoa katika nchi ya Misri kwa Uwepo wake na kwa uwezo wake mkuu,
38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’ izao anio izao.
aliwafukuza mbele yenu mataifa makubwa na yenye nguvu kuliko ninyi na kuwaleta ninyi katika nchi yao na akawapa ninyi kuwa urithi wenu, kama ilivyo leo.
39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
Kubalini na mweke moyoni leo kuwa Bwana ndiye Mungu mbinguni juu na duniani chini. Hakuna mwingine.
40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
Mshike amri na maagizo yake ninayowapa leo, ili mpate kufanikiwa ninyi na watoto wenu baada yenu, na mpate kuishi maisha marefu katika nchi awapayo Bwana Mungu wenu siku zote.
41 Ary tamin’ izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan’ i Jordana,
Kisha Mose akatenga miji mitatu mashariki ya Yordani,
42 mba handosiran’ izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo:
ambayo mtu yeyote aliyemuua mtu angeweza kukimbilia ikiwa amemuua jirani yake bila kukusudia na bila kuwa na chuki naye siku zilizopita. Angeweza kukimbilia katika mmojawapo ya miji hii na kuokoa maisha yake.
43 dia Bazera any an-efitra, amin’ ny tany lemaka, an’ ny Robenita; ary Ramota-gileada an’ ny Gadita; ary Golana any Basana an’ ny Manasita.
Miji hiyo ilikuwa: Bezeri katika tambarare ya jangwa kwa ajili ya Wareubeni; Ramothi katika nchi ya Gileadi kwa ajili ya Wagadi; nao mji wa Golani katika nchi ya Bashani kwa ajili ya Wamanase.
44 Ary izao no lalàna izay nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
Hii ndiyo sheria Mose aliyoweka mbele ya Waisraeli.
45 Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
Haya ndiyo masharti, amri na sheria Mose aliyowapa wana wa Israeli wakati walitoka Misri,
46 tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
nao walikuwa katika bonde karibu na Beth-Peori mashariki ya Yordani, katika nchi ya Sihoni mfalme wa Waamori, ambaye alitawala Heshboni, naye alishindwa na Mose na Waisraeli walipokuja toka Misri.
47 ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,
Waliimiliki nchi yake na nchi ya Ogu mfalme wa Bashani, wafalme wawili Waamori waliotawala mashariki ya Yordani.
48 hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
Nchi hii ilienea kutoka Aroeri ukingoni mwa Bonde la Arnoni mpaka Mlima Sioni (yaani Hermoni),
49 dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.
pamoja na eneo lote la Araba mashariki ya Yordani, na kuenea mpaka Bahari ya Araba kwenye miteremko ya Pisga.

< Deotoronomia 4 >