< Deotoronomia 4 >

1 Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
And now, O Israel, hearken to the statutes and to the ordinances, which I teach you, to do them, that ye may live, and go in and possess the land which Jehovah, the God of your fathers, gives you.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
Ye shall not add to the word which I command you, neither shall ye diminish from it, that ye may keep the commandments of Jehovah your God which I command you.
3 Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Your eyes have seen what Jehovah did because of Baal-peor. For all the men who followed Baal-peor, Jehovah thy God has destroyed them from the midst of thee.
4 Fa ianareo izay nifikitra tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
But ye who clung to Jehovah your God are alive every one of you this day.
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Behold, I have taught you statutes and ordinances, even as Jehovah my God commanded me, that ye should do so in the midst of the land where ye go in to possess it.
6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
Keep therefore and do them, for this is your wisdom and your understanding in the sight of the peoples, who shall hear all these statutes, and say, Surely this great nation is a wise and understanding people.
7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
For what great nation is there that has a god so near to them, as Jehovah our God is whenever we call upon him?
8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
And what great nation is there that has statutes and ordinances so righteous as all this law, which I set before you this day?
9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Only take heed to thyself, and keep thy soul diligently, lest thou forget the things which thine eyes saw, and lest they depart from thy heart all the days of thy life, but make them known to thy sons and thy son's sons-
10 dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
the day that thou stood before Jehovah thy God in Horeb, when Jehovah said to me, Assemble the people to me, and I will make them hear my words, that they may learn to fear me all the days that they live upon the earth, and that they may teach their sons.
11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
And ye came near and stood under the mountain, and the mountain burned with fire to the heart of heaven, with darkness, cloud, and thick darkness.
12 Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
And Jehovah spoke to you out of the midst of the fire. Ye heard the voice of words, but ye saw no form, only a voice.
13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
And he declared to you his covenant, which he commanded you to perform, even the ten commandments. And he wrote them upon two tablets of stone.
14 Ary izaho nodidian’ i Jehovah tamin’ izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
And Jehovah commanded me at that time to teach you statutes and ordinances, that ye might do them in the land where ye go over to possess it.
15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;
Take ye therefore good heed to yourselves, for ye saw no manner of form on the day that Jehovah spoke to you in Horeb out of the midst of the fire.
16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
Lest ye corrupt yourselves, and make for you a graven image in the form of any figure, the likeness of male or female,
17 na sarim-biby izay etỳ ambonin’ ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ ny habakabaka,
the likeness of any beast that is on the earth, the likeness of any winged bird that flies in the sky,
18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
the likeness of anything that creeps on the ground, the likeness of any fish that is in the water under the earth.
19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
And lest thou lift up thine eyes to heaven, and when thou see the sun and the moon and the stars, even all the host of heaven, thou be drawn away and worship them, and serve them, which Jehovah thy God has allotted to all the peoples under the whole heaven.
20 Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
But Jehovah has taken you, and brought you forth out of the iron furnace, out of Egypt, to be to him a people of inheritance, as at this day.
21 Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
Furthermore Jehovah was angry with me because of you, and swore that I would not go over the Jordan, and that I would not go in to that good land, which Jehovah thy God gives thee for an inheritance,
22 Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
but I must die in this land. I must not go over the Jordan, but ye shall go over, and possess that good land.
23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Take heed to yourselves, lest ye forget the covenant of Jehovah your God, which he made with you, and make you a graven image in the form of anything which Jehovah thy God has forbidden thee.
24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
For Jehovah thy God is a consuming fire, a jealous God.
25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
When thou shall beget sons, and son's sons, and ye shall have been long in the land, and shall corrupt yourselves, and make a graven image in the form of anything, and shall do that which is evil in the sight of Jehovah thy God, to provoke him to anger,
26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
I call heaven and earth to witness against you this day, that ye shall soon utterly perish from off the land to which ye go over the Jordan to possess it. Ye shall not prolong your days upon it, but shall be utterly destroyed.
27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
And Jehovah will scatter you among the peoples, and ye shall be left few in number among the nations where Jehovah shall lead you away.
28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
And there ye shall serve gods, the work of men's hands, wood and stone, which neither see, nor hear, nor eat, nor smell.
29 Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
But from there ye shall seek Jehovah thy God. And thou shall find him when thou search after him with all thy heart and with all thy soul.
30 Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
When thou are in tribulation, and all these things have come upon thee, in the latter days thou shall return to Jehovah thy God, and hearken to his voice.
31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ ny razanao, izay efa nianianany taminy.
For Jehovah thy God is a merciful God. He will not fail thee, neither destroy thee, nor forget the covenant of thy fathers which he swore to them.
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ ny andro izay namoronan’ Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin’ ny tany ary hatramin’ ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
For ask now of the days that are past, which were before thee, since the day that God created man upon the earth, and from the one end of heaven to the other, whether there has been anything as this great thing is, or has been heard like it?
33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
Did a people ever hear the voice of God speaking out of the midst of the fire, as thou have heard, and live?
34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Or has God assayed to go and take for him a nation from the midst of another nation, by trials, by signs, and by wonders, and by war, and by a mighty hand, and by an outstretched arm, and by great terrors, according to all that Jehovah your God did for you in Egypt before your eyes?
35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
It was shown to thee, that thou might know that Jehovah he is God. There is none else besides him.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
Out of heaven he made thee to hear his voice, that he might instruct thee. And upon earth he made thee to see his great fire, and thou heard his words out of the midst of the fire.
37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
And because he loved thy fathers, therefore he chose their seed after them, and brought thee out with his presence, with his great power, out of Egypt,
38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’ izao anio izao.
to drive out nations from before thee greater and mightier than thou, to bring thee in, to give thee their land for an inheritance, as at this day.
39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
Know therefore this day, and lay it to thy heart, that Jehovah he is God in heaven above and upon the earth beneath. There is none else.
40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
And thou shall keep his statutes, and his commandments, which I command thee this day, that it may go well with thee, and with thy sons after thee, and that thou may prolong thy days in the land, which Jehovah thy God gives thee, forever.
41 Ary tamin’ izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan’ i Jordana,
Then Moses set apart three cities beyond the Jordan toward the sunrise,
42 mba handosiran’ izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo:
that the manslayer might flee there, who kills his neighbor unawares, and did not hate him in time past, and that fleeing to one of these cities he might live:
43 dia Bazera any an-efitra, amin’ ny tany lemaka, an’ ny Robenita; ary Ramota-gileada an’ ny Gadita; ary Golana any Basana an’ ny Manasita.
namely, Bezer in the wilderness, in the plain country, for the Reubenites; and Ramoth in Gilead, for the Gadites; and Golan in Bashan, for the Manassites.
44 Ary izao no lalàna izay nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
And this is the law which Moses set before the sons of Israel.
45 Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
These are the testimonies, and the statutes, and the ordinances, which Moses spoke to the sons of Israel, when they came forth out of Egypt,
46 tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
beyond the Jordan, in the valley opposite Beth-peor, in the land of Sihon king of the Amorites, who dwelt at Heshbon, whom Moses and the sons of Israel smote when they came forth out of Egypt.
47 ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,
And they took his land in possession, and the land of Og king of Bashan, the two kings of the Amorites, who were beyond the Jordan toward the sunrise,
48 hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
from Aroer, which is on the edge of the valley of the Arnon, even to mount Sion (the same is Hermon),
49 dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.
and all the Arabah beyond the Jordan eastward, even to the sea of the Arabah, under the slopes of Pisgah.

< Deotoronomia 4 >