< Deotoronomia 34 >

1 Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
و موسی از عربات موآب، به کوه نبو، برقله فسجه که در مقابل اریحاست برآمد، و خداوند تمامی زمین را، از جلعاد تا دان، به او نشان داد.۱
2 sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ ny Joda rehetra hatramin’ ny ranomasina andrefana
و تمامی نفتالی و زمین افرایم ومنسی و تمامی زمین یهودا را تا دریای مغربی.۲
3 ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ ny lohasahan’ i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
وجنوب را و میدان دره اریحا را که شهر نخلستان است تا صوغر.۳
4 Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
و خداوند وی را گفت: «این است زمینی که برای ابراهیم و اسحاق و یعقوب قسم خورده، گفتم که این را به ذریت تو خواهم داد، تو را اجازت دادم که به چشم خود آن راببینی لیکن به آنجا عبور نخواهی کرد.»۴
5 Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
پس موسی بنده خداوند در آنجا به زمین موآب برحسب قول خداوند مرد.۵
6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
و او را در زمین موآب در مقابل بیت فعور، در دره دفن کرد، واحدی قبر او را تا امروز ندانسته است.۶
7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
و موسی چون وفات یافت، صد و بیست سال داشت، و نه چشمش تار، و نه قوتش کم شده بود.۷
8 Ary ny Zanak’ Isiraely nisaona an’ i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’ i Mosesy.
وبنی‌اسرائیل برای موسی در عربات موآب سی روز ماتم گرفتند. پس روزهای ماتم و نوحه گری برای موسی سپری گشت.۸
9 Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
و یوشع بن نون از روح حکمت مملو بود، چونکه موسی دستهای خود را بر او نهاده بود، وبنی‌اسرائیل او را اطاعت نمودند، و برحسب آنچه خداوند به موسی‌امر فرموده بود، عمل کردند.۹
10 Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika
و نبی‌ای مثل موسی تا بحال در اسرائیل برنخاسته است که خداوند او را روبرو شناخته باشد.۱۰
11 tamin’ ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’ i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
در جمیع آیات و معجزاتی که خداونداو را فرستاد تا آنها را در زمین مصر به فرعون و جمیع بندگانش و تمامی زمینش بنماید.۱۱
12 ary tamin’ ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’ i Mosesy teo imason’ ny Isiraely rehetra.
و درتمامی دست قوی، و جمیع آن هیبت عظیم که موسی در نظر همه اسرائیل نمود.۱۲

< Deotoronomia 34 >