< Deotoronomia 33 >

1 Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
Tala lipamboli oyo Moyize, moto na Nzambe, asakolaki mpo na bana ya Isalaele liboso ete akufa.
2 Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
Alobaki: « Yawe awutaki na Sinai; wuta na Seiri, abimelaki bango lokola moyi na tongo, angengaki epai na bango wuta na ngomba Parani, ayaki elongo na ebele ya bankoto ya ba-anjelu na Ye mpe asimbaki na loboko na Ye kongenga ya Mobeko.
3 Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan’ ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin’ ny teninao.
Solo, olingaka bato, basantu nyonso basimbami na loboko na Yo. Na makolo na Yo, bango nyonso bagumbamaka. Ezali epai na Yo nde bazwaka mateya.
4 Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.
Moyize apesa biso Mobeko oyo ezali bozwi ya lisanga ya Jakobi.
5 Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.
Azalaki mokonzi ya Yeshuruni tango bakambi ya bato basanganaki elongo na mabota ya Isalaele.
6 Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
Tika ete Ribeni awumela na bomoi mpe akufa te, mpe tika ete bato na ye bazala moke te! »
7 Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
Tala mapomboli oyo alobaki mpo na Yuda: « Oh Yawe, yoka koganga ya Yuda; zongisa ye epai ya bato na ye! Tika ete maboko na ye elongisa banzela na ye, mpe tika ete osunga ye liboso ya banguna na ye! »
8 Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,
Mpo na Levi, alobaki: « Urimi mpe Tumimi na Yo ezali mpo na moyengebene oyo omekaki ye motema na Masa, mpe oyo owelanaki na ye na mayi ya Meriba,
9 Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
oyo atalisaki bolingo epai na Yo koleka, bolingo epai ya baboti na ye, bandeko na ye mpe bana na ye moko, mpo na kotosa maloba na Yo mpe kobatela boyokani na Yo.
10 Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
Ateyaka makebisi na Yo epai ya Jakobi, mpe mibeko na Yo epai ya Isalaele; abonzaka ansa liboso na Yo, mpe mbeka ya kotumba na likolo ya etumbelo na Yo.
11 Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan’ ny tànany; Asio mafy ny valahan’ izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
Oh Yawe, pambola makasi na ye na mosala, mpe sepela na mosala ya maboko na ye. Buka loketo ya bato oyo bazali kotelemela ye, mpe loketo ya bayini na ye kino bakoka lisusu te kotelema. »
12 Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
Mpo na Benjame, alobaki: « Tika ete molingami ya Yawe azala na kimia pembeni na Ye, pamba te Ye nde abatelaka ye mokolo mobimba; mpe moto oyo Yawe alingaka apemaka na kati-kati ya mapeka na Ye! »
13 Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,
Mpo na Jozefi, alobaki: « Tika ete Yawe apambola mokili na ye na nzela ya mamwe ya motuya, oyo ewutaka na likolo, mpe na nzela ya mayi ya mozindo oyo etiolaka na se ya mabele
14 Ary amin’ ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
elongo na biloko oyo eleki motuya, oyo mayi ekolisaka mpe oyo eleki kitoko, oyo ebimaka sanza na sanza;
15 Ary amin’ ny zava-malaza avy amin’ ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin’ ny havoana mandrakizay
na nzela ya bakado ya kitoko ya bangomba ya kala, mpe na nzela ya bambuma oyo eleki kitoko ya bangomba mike oyo ewumelaka mobu na mobu;
16 Mbamin’ ny zava-tsoan’ ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan’ Izay nitoetra tao amin’ ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan’ i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
na nzela ya bambuma oyo eleki kitoko, bambuma oyo etondi kati na mokili! Tika ete Nzambe oyo avandaka kati na nzete moke oyo ezali kopela moto apambola moto ya Jozefi mpe elongi ya moto oyo babulisi kati na bandeko na ye!
17 Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.
Na lokumu, azali lokola mwana liboso ya ngombe; maseke na ye ezali lokola ya mpakasa. Na nzela na yango nde ebetaka bikolo, ata bikolo oyo ezali na suka ya mokili. Tala ndenge nini bato ya Efrayimi bazali ebele penza, tala ndenge nini bato ya Manase bazali penza ebele! »
18 Ary ny amin’ i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’ izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
Mpo na Zabuloni, alobaki: « Oh Zabuloni, sepela na kobima na yo! Mpe yo Isakari, tika ete osepela kati na bandako na yo ya kapo.
19 Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren’ ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ ny fasika.
Bakobengisa bato na likolo ya ngomba, mpe bakobonza kuna bambeka ya bosembo, bakosala feti mpo na bomengo ya bibale minene, mpe mpo na bozwi oyo ebombama na zelo ya libongo. »
20 Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
Mpo na Gadi, alobaki: « Tika ete apambolama, moto oyo akoyeisa mokili ya Gadi monene! Gadi akowumela kuna lokola nkosi oyo ezali kopasola banda na lokolo kino na moto.
21 Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.
Aponaki mabele ya kitoko mpo na ye moko, bapesaki ye eteni oyo ebongi na mokambi. Atambolaki liboso ya bato; mpe asalaki mosala kolanda bosembo ya Yawe mpe bikateli na Ye liboso ya Isalaele. »
22 Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
Mpo na Dani, alobaki: « Dani azali mwana ya nkosi oyo epumbwaka wuta na Bashani. »
23 Ary ny amin’ i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian’ i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
Mpo na Nefitali alobaki: « Nefitali atondi na bolamu mpe na mapamboli na Yawe, akozwa libula ya weste mpe ya sude. »
24 Ary ny amin’ i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin’ ny diloilo.
Mpo na Aseri, alobaki: « Aseri azali mwana mobali oyo aleki na mapamboli. Tika ete bandeko na ye basalela ye mpe tika ete makolo na ye ezinda na mafuta.
25 Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fiadananao.
Bikangelo ya bikuke na yo ekozala ya bibende mpe ya bronze. Mpe tika ete makasi na yo ewumela ndenge mikolo na yo ezali.
26 Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’ Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin’ ny voninahiny.
Moko te akokani na Nzambe ya Yeshuruni, Nzambe oyo atambolaka na likolo lokola mpunda mpo na kosunga yo, mpe na mapata, kati na nkembo na Ye.
27 Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
Nzambe ya tango nyonso azali ekimelo na yo, azali tango nyonso Mosungi awa na se. Ezali Ye nde abenganaka banguna na yo liboso na yo mpe apesaka yo mitindo ya koboma bango.
28 Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon’ i Jakoba Ao amin’ ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
Boye Isalaele akowumela na kimia, mpe etima ya Jakobi ezali kotiola kati na mokili ya ble mpe ya vino ya sika, epai wapi likolo ezali kokitisa mamwe.
29 Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
Oh Isalaele, ozali solo libota ya esengo! Libota nini ekokani na yo, yo libota oyo Yawe abikisi? Ye azali nde nguba na yo mpe mosungi na yo ya nkembo. Banguna na yo bakokima liboso na yo, mpe okonyata bisika na bango, oyo eleki likolo. »

< Deotoronomia 33 >