< Deotoronomia 31 >
1 Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin’ ny Isiraely rehetra
Musa alikwenda na kuzungumza maneno haya kwa Israeli yote.
2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
Alisema kwao, “Kwa sasa nina umri wa miaka mia moja na ishirini; Siwezi kutoka na kuingia tena; Yahwe ameniambia, “Hautavuka Yordani hii”
3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Yahwe Mungu wako, atakutangulia mbele yako; ataangamiza mataifa haya mbele yako, nawe utawanyanganya. Yoshua atakwenda kabla yako, kama Yahwe alivyonena.
4 Ary Jehovah hanao amin’ ireo tahaka ny nataony tamin’ i Sihona sy Oga, mpanjakan’ ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ ny taniny.
Yahwe atawafanya kwao kama alivyofanya kwa Sihoni na kwa Ogu, wafalme wa Waamori, na kwa nchi yao, aliyoiangamiza.
5 Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
Yahwe atakupatia ushindi juu yao utakapokutana nao vitani, nawe utafanya kwao yote ntakayokuamuru.
6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Uwe hodari na mwenye ujasiri mwema, usiogope, na usiwaogope; kwa maana Yahwe Mungu wako, ni yeye aendaye kabla yako; hatakuangusha wala kukuacha.”
7 Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Musa akamwita Yoshua na akamwambia machoni pa Israeli yote, “Uwe hodari na mwenye ujasiri mwema, kwa kuwa utaondoka na hawa watu katika nchi ambayo Yahwe ameapa kwa mababu zao kuwapatia; utafanya wairithi.
8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Yahwe, yeye ndiye atakwenda kabla yako; atakuwa pamoja nawe; hatakuangusha wala hatakutelekeza; usiogope, usivunjike moyo.”
9 Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.
Musa aliandika sheria hii na kuwapatia makuhani, wana wa Walawi, ambao walibeba sanduku la agano la Yahwe; pia aligawa nakala zake kwa wazee wote wa Israeli.
10 Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
Musa aliwaamuru na kusema, “Katika kila mwisho wa miaka saba, kwa muda uliowekwa wa kudumu kwa ajili ya kufuta madeni, katika Sikukuu ya Vibanda,
11 ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
ambapo Israeli yote imekuja kujitokeza mbele ya Yahwe Mungu wako katika mahali atakayochagua kuwa patakatifu pake, utasoma sheria hii mbele ya Israeli yote wakisikia.
12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Kusanya watu, wanaume, wanawake, na wadogo, na mgeni wako aliye miongoni mwa malango yako, ili waweze kusikia na kujifunza, na ili kwamba wamheshimu Yahwe Mungu wako na kushika maneno yote ya sheria hii.
13 Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
Fanya hivi ili kwamba watoto wao, ambao hawajajua, waweze kusikia na kujifunza kumheshimu Yahwe Mungu wako, maadamu unaishi katika nchi ambayo utaenda juu ya Yordani kuimiliki.”
14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Yahwe alimwambia Musa, “Tazama, siku inakuja ambayo lazima utakakufa; muite Yoshua na mjidhihirishe katika hema la makutano, ili kwamba niweze kuwapatia amri.” Musa an Yoshua waliondoka na kujidhihirisha katika hema la makutano.
15 Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.
Yahwe alijifunua kwenye hema kwa nguzo ya wingu; nguzo ya wingu ilisimama juu ya mlango wa hema.
16 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
Yahwe alimwambia Musa, “Tazama, utalala na baba zako; watu hawa watainuka na kujifanya kama kahaba na kwenda kwa miungu ya ajabu ambayo imo miongoni mwao katika nchi wanapokwenda. Wataniacha na kuvunja agano langu ambalo nimefanya nao.
17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Basi, katika siku hiyo, hasira yangu itawaka dhidi yao nami nitawaacha. Nitaficha uso wangu kwao nao watamezwa. Maafa na taabu nyingi yatawakumba ili waseme katika siku hiyo, “Maafa haya hayajaja kwetu kwa sababu Mungu hayupo kati yetu?”
18 Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
Hakika nitaficha uso wangu kwao katika siku hiyo kwa sababu ya uovu wote ambao watakuwa wametenda, kwa sababu wamegeukia miungu mingine.
19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Basi sasa andika wimbo huu kwa ajili yenu na wafundishe watu wa Israeli. Uweke vinywani mwao, ili kwamba wimbo huu uweze kuwa shahidi kwangu dhidi ya watu wa Israeli.
20 Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Kwa maana nitakapowaleta katika nchi ambayo niliapa kwa mababu zao, nchi inayotiririka kwa maziwa na asali, na watakapokula na kuridhika na kunenepa, ndipo watageukia miungu mingine nao watawatumikia na kunidharau na watavunja agano langu.
21 Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
Maovu na taabu nyingi zitakapokuja juu ya watu hawa, huu wimbo utashuhudia mbele yao (kwa maana hautasahaulika vinywani mwa uzao wao). Kwa maana najua mipango wanayotengeneza leo, hata kabla sijawaleta katika nchi niliyowaahidi.
22 Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.
Kwa hiyo Musa aliandika huu wimbo siku hiyo hiyo na kuwafundisha watu wa Israeli.
23 Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
Yahwe alimpa Yoshua mwana wa Nuni amri na kusema, “Uwe hodari na mwenye ujasiri mwema; kwa maana utawaleta watu wa Israeli katika nchi niliyoapa kwao, nami nitakuwa pamoja nawe.”
24 Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,
Ikatokea kwamba Musa alipomaliza kuandika maneno ya sheria hii katika kitabu,
25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:
aliwaamuru Walawi waliobeba sanduku la agano la Yahwe, na kusema,
26 Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
“Chukua kitabu hiki cha sheria na kiweke pembeni mwa sanduku la agano la Yahwe Mungu wenu, ili kiweze kuwa pale kama ushahidi dhidi yenu.
27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
Maana nafahamu uasi wenu na shingo zenu ngumu; tazama, maadamu nipo hai pamoja nanyi hata leo, mmekuwa waasi dhidi ya Yahwe; itakuaje baada ya mimi kufa?
28 Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Nikusanyieni wazee wote wa makabila yenu, na maafisa wenu, ili nizungumze maneno haya masikioni mwao na kuziita mbingu na nchi kushuhudia dhidi yao.
29 Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
Kwa maana najua baada ya kifo changu mtajiharibu kabisa na kugeuka kuiacha njia niliyowaamuru; maafa yatawakumba katika siku zijazo. Haya yatatokea kwa sababu mtafanya yaliyo maovu machoni pa Yahwe, ili kumchokoza katika hasira kwa mikono ya kazi yenu.”
30 Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.
Musa alinena masikioni mwa kusanyiko lote la Israeli maneno yote ya wimbo huu hadi yalipokamilika.